Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 9:24 - Baiboly Katolika

24 Havandra no nilatsaka ary afo miharo amin’ny havandra, sady loza ny heriny, fa tsy mbola nisy toy izany tany Ejipta, hatrizay naha-firenena azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

24 Dia nisy havandra, ary nisy afo nifanaretsaka teny anelanelan’ny havandra; mafy tokoa izany ary tsy mbola nisy toy izany tany amin’ny tany Ejipta manontolo hatrizay naha firenena azy.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

24 Dia nisy havandra niaraka amin’ny tafiotra sy ny varatra, ka tsy mbola nisy havandra be toy izany manerana Ejipta manontolo hatramin’izay nahafirenena azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

24 Dia nisy havandra niaraka amin’ny tafiotra sy ny varatra, ka tsy mbola nisy havandra be toy izany manerana Ejipta manontolo hatramin’izay nahafirenena azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

24 Dia nisy havandra sy afo nifandrambondrambona tanelanelan’ny havandra; dia mafy indrindra izany, ka tsy mbola nisy toy izany tany amin’ny tany Egypta rehetra hatrizay naha-firenena azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

24 Dia nisy havandra sy afo nifandrambondrambona tanelanelan'ny havandra; dia mafy indrindra izany, ka tsy mbola nisy toy izany tany amin'ny tany Egypta rehetra hatrizay naha-firenena azy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

24 Dia nisy havandra, ary nisy afo nifanaretsaka teny anelanelan’ny havandra; mafy tokoa izany ary tsy mbola nisy toy izany tany amin’ny tany Ejipta manontolo hatrizay naha firenena azy.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 9:24
11 Rohy Ifampitohizana  

izay tahiriziko ho vonon-ko amin’ny andro fampahoriana, dia amin’ny andro misy ady aman-tafika?


Norotsahany havandra ho solon’ny ranonorana izy ireo; sy afo nidedadeda teo amin’ny taniny.


Niantoraka avy amin’ny fahazavana nialoha Azy ny rahona izay nitondra havandra mbamin’ny vainafo mivaivay.


ho hipoka azy avokoa ny tranonao sy tranon’ny mpanomponao, ary ny an’ny Ejiptianina rehetra. Tsy mbola nisy nahita loza toy izany na ny rainao na ny raibenao, hatrizay nisiany tetỳ ambonin’ny tany, ka mandrak’ankehitriny.» Dia lasa Môizy, ka niala teo amin’i Faraôna.


Ary indro rahampitso toy izao dia handatsaka havandra be dia be Aho, ka tsy mbola nisy toy izany teto Ejipta hatrizay naha-Ejipta an’i Ejipta, ka mandrak’ankehitriny.


Dia nahinjitr’i Môizy nanandrify ny lanitra ny tehiny, ka nalefan’i Iaveh ny kotro-baratra sy ny havandra, ary nivarina tamin’ny tany ny afo. Ary i Iaveh nandatsaka havandra tamin’ny tany Ejipta.


Nasian’ny havandra avokoa izay rehetra tany an-tsaha tamin’i Ejipta manontolo na olona na biby. Nasian’ny havandra avokoa ny ahitra rehetra tany an-tsaha.


I Iaveh hampiriadriatra ny feony miezinezina, ary hampiseho ny fiantèfan’ny sandriny, amin’ny firehitry ny hatezerany aman-delafo mandevona; amin’ny tafio-drivotra aman-dranonoram-baratra sy vato havandra.


Hitako, fa indro, avy any avaratra, nisy tafio-drivotra sy rahona lehibe, aman’afo mivongana, izay manjopiaka manodidina, ary ao afovoany dia toa zavatra mitarehi-metaly voatsoboka anaty afo no niseho teo.


Koa izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Izaho hampifofofofo tafio-drivotra noho ny fahavinirako; hahatonga ora-mahery, noho ny hatezerako; sy havandra vato handringana, noho ny fahavinirako.


Fa amin’izany andro izany dia hisy fahoriana lehibe izay tsy mbola nisy toa azy hatramin’ny nahariana izao tontolo izao ka mandraka ankehitriny, ary tsy hisy toy izany intsony;


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra