Lehibe Ianao amin’izany, ry Tompo ANDRIANANAHARY ô: fa tsy misy tahaka Anao ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Ianao, araka izay rehetra ren’ny sofinay.
Eksodosy 8:10 - DIEM PROTESTANTA Nangonina ho an-tokotokony maro ireny, ka nanamaimbo ny tany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nangonina hivangongo teny rehetra teny ireny ka tonga maimbo ny tany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nangonina ho an-tokotokony maro ireny, ka nanamaimbo ny tany. Baiboly Katolika Natangongo tamin’ny toerana maro ireny, ary maimbo ny tany. Baiboly Protestanta Malagasy Dia nangonina hivangongo teny rehetra eny ireny, ka efa maimbo ny tany. Malagasy Bible Dia nangonina hivangongo teny rehetra eny ireny, ka efa maimbo ny tany. La Bible en Malgache Dia nangonina hivangongo teny rehetra teny ireny ka tonga maimbo ny tany. |
Lehibe Ianao amin’izany, ry Tompo ANDRIANANAHARY ô: fa tsy misy tahaka Anao ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Ianao, araka izay rehetra ren’ny sofinay.
TOMPO ô, tsy misy tahaka Anao, ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Ianao, araka izay rehetra ren’ny sofinay.
Aoka ho menatra sy ho raiki-tahotra izy hatrany amin’ny mandrakizay ka hangaihay sy ho ringana!
Ny lavaka izay nohadîny ihany no nianjeran’ireo hafa firenena; ny fandrika harato nafeniny ihany no nahavoasingotra ny tongony.
TOMPO ô, iza moa no andriamanitra tahaka Anao? Iza no malaza amin’ny fahamasinana tahaka Anao, mahatahotra, mendri-piderana, afaka manao zava-mahagaga?
ka notanterahin’ny TOMPO izay nangatahin’i Mosesy: maty ireo sahona tao an-trano sy teny an-tokotany ary tany an-tsaha.
Fa amin’ity indray mandeha ity dia halefako hamely anao sy ny mpanomponao ary ny vahoakanao ny loza rehetra mba ho fantatrao fa tsy misy tahaka ahy eto ambonin’ny tany.
Dia namaly azy i Mosesy hoe: –Raha vao mivoaka ny tanàna aho, dia hanandra-tanana amin’ny TOMPO hivavaka. Hitsahatra ny kotroka ary tsy hisy intsony ny havandra, mba hahafantaranao fa an’ny TOMPO ny tany.
Aza mirehareha ny amin’ny ho ampitso ianao; fa izay hiseho anio aza tsy fantatrao akory.
«Koa hampitovînareo amin’iza Aho ary hoharinareo amin’iza, hoy ilay Andriamanitra masina?»
Tsarovy ny zavatra taloha teo am-piandohanareo: Eny, Izaho no Andriamanitra ka tsy misy hafa. Izaho no Andriamanitra; ka zava-poana avokoa na inona na inona ampitahaina amiko.
«Ry Tompo ANDRIANANAHARY ô, vao nanehoanao ny fahalehibeazanao sy ny fiarovanao mahery aho mpanomponao. Fa, na any an-danitra na eto an-tany, aiza no misy andriamanitra mahay manao araka ny asanao sy ny zava-dehibe vitanao?
Na ny fahavalony aza no mitsara, dia miaiky fa tsy mitovy amin’ilay Vatolampy ianteheran’i Israely ny vatolampy izay mba ianteherany.
Dia hoy koa i Mosesy hoe: «Ry Jesoròna, tsy misy tahaka an’ilay Andriamanitrao! Heni-boninahitra sady mitaingina ny rahon’ny lanitra Izy mba ho tonga hamonjy anao.
Ianareo no nampahitany an’izany mba hahafantaranareo fa ny TOMPO no Andriamanitra, sady tsy misy afa-tsy Izy.
Koa aoka hoekenareo anio sy haraikitrareo ao am-ponareo fa ny TOMPO no Andriamanitra any amin’ny lanitra ambony sy etỳ amin’ny tany ambany, sady tsy misy afa-tsy Izy.
Tsy fantatrareo izay hanjo ny ainareo rahampitso! Toy ny etona kely miserana vetivety ianareo, avy eo dia manjavona.