Nikomiany aza i Nebokadnetsara mpanjaka izay efa nampianiana azy tamin’Andriamanitra. Nanamafy hatoka sy fo izy mba tsy hiverenany amin’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely.
Eksodosy 7:13 - DIEM PROTESTANTA Kanefa nihamafy fo ny Farao ka tsy nihaino an’i Mosesy sy i Aharôna araka izay efa nolazain’ny TOMPO rahateo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nihamafy ny fon’i Farao ka tsy nihaino azy mirahalahy izy, araka izay efa nolazain’NY TOMPO. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Kanefa nihamafy fo ny Farao ka tsy nihaino an’i Mosesy sy i Aharôna araka izay efa nolazain’ny TOMPO rahateo. Baiboly Katolika Ka nihamafy ny fon’i Faraôna, fa tsy nihaino an’i Môizy sy i Aarôna izy, araka ny efa voalazan’i Iaveh rahateo. Baiboly Protestanta Malagasy Dia nihamafy ny fon’i Farao, ka tsy nihaino azy mirahalahy izy, araka izay efa nolazain’i Jehovah. Malagasy Bible Dia nihamafy ny fon'i Farao, ka tsy nihaino azy mirahalahy izy, araka izay efa nolazain'i Jehovah. La Bible en Malgache Dia nihamafy ny fon’i Farao ka tsy nihaino azy mirahalahy izy, araka izay efa nolazain’NY TOMPO. |
Nikomiany aza i Nebokadnetsara mpanjaka izay efa nampianiana azy tamin’Andriamanitra. Nanamafy hatoka sy fo izy mba tsy hiverenany amin’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely.
Hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Mankanesa ao amin’ny Farao, fa Izaho no nanamafy fo azy sy ireo tandapany mba hahazoako manao ireo zava-mahagaga rehetra eo anivony.
Fa Izaho hanamafy fo ny Ejiptianina ka hitsofoka hanenjika anareo izy. Dia hasehoko ny voninahitro amin’ny hanapotehako ny Farao sy ny andian-tafiny rehetra, ny kalesiny sy ny mpitaingina azy.
Hoy indray ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Diniho fa efa nataoko eo am-pelatananao ireo zava-mahagaga isan-karazany. Koa rehefa tafaverina any Ejipta ianao, dia ataovy eo anatrehan’ny Farao ireny; Izaho kosa hanamafy ny fony ka tsy handefa ny Israelita izy.
Samy nanipy ny tehiny tamin’ny tany avy izy ka nanjary fanàny ireny. Saingy ny tehin’i Aharôna dia nitelina ny tehin’ireo.
Dia mba nanao toy izany tamin’ny fitokavany koa ireo mpimasy ejiptianina; koa nihamafy fo ny Farao ka tsy nihaino akory izay nangatahan’i Mosesy sy i Aharôna, araka izay efa nambaran’ny TOMPO.
Nony hitan’ny Farao fa nisy hiainana, dia nanamafy fo izy araka izay efa nolazain’ny TOMPO, ka tsy nihaino ny fangatahan’i Mosesy sy i Aharôna.
Dia hoy ireo mpimasy tamin’ny Farao: –Herin’Andriamanitra no ao amin’io tehina io! Kanefa ny Farao dia nanamafy ny fony, araka izay efa nolazain’ny TOMPO, ka tsy nihaino ny fangatahan’i Mosesy sy i Aharôna.
Havahako tsy ho voan’ny loza hanjo ny vahoakanao ny vahoakako. Rahampitso no hiseho izany zava-mahagaga izany.»
Kanefa tamin’ity indray mandeha ity koa dia nanamafy fo ihany ny Farao ka tsy nandefa ny Israelita.
Ary ny TOMPO nanamafy ny fon’ny Farao; koa arak’izay efa nambaran’ny TOMPO tamin’i Mosesy, dia tsy nihaino ny fangatahan’i Mosesy sy i Aharôna izy.
Ary araka izay nambaran’ny TOMPO tamin’ny alalan’i Mosesy, dia manamafy fo ny Farao ka tsy nandefa ny Israelita.
Dia mamotopototra ny Farao, ka fantany fa tsy nisy maty tao amin’ny biby fiompin’ny Israelita na dia iray aza. Kanefa mbola nanamafy fo ihany ny Farao, ka tsy nandefa ny Israelita.
Nataon’ny olona ho tsinontsinona ny mahalala an’Andriamanitra, ka izany no nanoloran’Andriamanitra azy hoentin’ny sainy mibirioka, mba ho voatarika hanao ny tsy tokony hatao:
Maditra ianao ary tsy mety mamerina ny fonao aminy, ka dia fahatezeran’Andriamanitra no avosanao ho an’ny tenanao. Fa ho avy ny andro hampisehoan’Andriamanitra ny fahatezerany sy hitsarany an-karihary ny olombelona ara-drariny,
Tsy nety namela antsika hamaky ny taniny anefa i Sihôna mpanjaka tao Hesbôna; fa ilay TOMPO Andriamanitrareo efa nahatonga azy hidrikina sy ho mafy fo mba hanolorany azy eo an-tananareo, tamin’izany andro izany.
Fa aoka ianareo hifampirisika isan’andro, dieny mbola misy ny hoe «anio» lazain’ny Soratra Masina, mba tsy hisy ho voafitaky ny fahotana ianareo ka ho tonga mafy fo.
Nahoana no hihamafy fo tahaka ny Ejiptianina sy ny Farao ianareo? Tsarovy tsara ny nanaovan’Andriamanitra azy ireo ka nahatonga azy hamela ny vahoaka handeha, ka dia lasa izy.