Eksodosy 6:9 - DIEM PROTESTANTA Notaterin’i Mosesy tamin’ny Israelita izany teny izany; nefa tsy nihaino azy akory ireo, fa kivy noho ny hamafin’ny fanompoana. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary nilaza izany tamin’ny Zanak’Israely i Mosesy. Nefa tsy nihaino an’i Mosesy izy ireo noho ny fahakiviany amin’ny fanompoana tsy ara-drariny. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Notaterin’i Mosesy tamin’ny Israelita izany teny izany; nefa tsy nihaino azy akory ireo, fa kivy noho ny hamafin’ny fanompoana. Baiboly Katolika Dia nolazain’i Môizy tamin’ny zanak’i Israely izany. Nefa tsy nihaino an’i Môizy akory ireo, fa ory ny fony, ary mafy ny fanompoana. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Mosesy nilaza izany tamin’ny Zanak’Isiraely; nefa izy tsy nihaino an’i Mosesy noho ny fahoriam-panahy sy ny fanompoana mafy. Malagasy Bible Ary Mosesy nilaza izany tamin'ny Zanak'Isiraely; nefa izy tsy nihaino an'i Mosesy noho ny fahoriam-panahy sy ny fanompoana mafy. La Bible en Malgache Ary nilaza izany tamin’ny Zanak’Israely i Mosesy. Nefa tsy nihaino an’i Mosesy izy ireo noho ny fahakiviany amin’ny fanompoana tsy ara-drariny. |
sady nataony nangidy ny fiainany tamin’ny fanompoana mafy: dia ny mandona tanimanga sy manao biriky ary manao ny asa any an-tsaha rehetra. Izany hoe ny asa fanompoana isan-karazany no nanereny azy mafy tokoa.
Moa tsy izao zavatra izao ve no efa nilazanay taminao tany Ejipta hoe: «Avelao hilamina izahay hanompo ny Ejiptianina. Fa aleonay manompo ny Ejiptianina toy izay ho faty any an-taniefitra».
Tatỳ aoriana ela dia maty ny mpanjakan’i Ejipta. Nitoloko ny Israelita noho ny fanompoany ka niantso vonjy; ary tafakatra hatrany amin’Andriamanitra ny fitarainany noho ny fanompoana.
ka hoy ireto mpitandrin-draharaha tamin’izy mirahalahy: –Aoka ho hitan’ny TOMPO izao nataonareo izao ka hanamelohany anareo, satria efa nataonareo mangidy hoditra tamin’ny Farao sy ny tandapany izahay; eny, nasianareo sabatra eny an-tanan’ireo mba hamonoany anay!
Miondrika eo anatrehan’ny tsara fanahy ny ratsy fanahy; ary mitsatoka eo am-bavahadin’ny olo-marina ny olon-dratsy.
Ny toe-panahy mavitrika dia mandresy ny aretina; fa zovy kosa no hanarina ny toe-panahy kivy?
Niala tao an-tendrombohitra Hôra ny Israelita, ka nihazo tamin’ny lalan’ny Ranomasin’ny Volotara hanodidina ny tanin’i Edôma. Teny an-dalana anefa dia very toky ny vahoaka.