Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -

Eksodosy 14:12 - DIEM PROTESTANTA

12 Moa tsy izao zavatra izao ve no efa nilazanay taminao tany Ejipta hoe: «Avelao hilamina izahay hanompo ny Ejiptianina. Fa aleonay manompo ny Ejiptianina toy izay ho faty any an-taniefitra».

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

12 Tsy izao va no teny nolazainay taminao fony tany Ejipta hoe: Aoka izao fa avelao ihany izahay hanompo ny Ejiptiana? Fa aleonay manompo ny Ejiptiana toy izay ho faty any an-tany efitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

12 Moa tsy izao zavatra izao ve no efa nilazanay taminao tany Ejipta hoe: «Avelao hilamina izahay hanompo ny Ejiptianina. Fa aleonay manompo ny Ejiptianina toy izay ho faty any an-taniefitra».

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

12 Moa tsy itony indrindra va no nilazanay taminao tany Ejipta hoe: Avelao ihany izahay hanompo ny Ejiptianina fa tsaratsara kokoa ho anay ny manompo azy, toy izay ho faty any an’efitra.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

12 Tsy izao va no teny nolazainay taminao fony tany Egypta hoe: Aoka izay fa avelao ihany izahay hanompo ny Egyptiana? Fa aleonay manompo ny Egyptiana toy izay ho faty any an-efitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

La Bible en Malgache

12 Tsy izao va no teny nolazainay taminao fony tany Ejipta hoe: Aoka izao fa avelao ihany izahay hanompo ny Ejiptiana? Fa aleonay manompo ny Ejiptiana toy izay ho faty any an-tany efitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Eksodosy 14:12
11 Rohy Ifampitohizana  

Fony tany Ejipta ny razanay, dia tsy nahatakatra ny asanao mahagaga; tsy nahatsiaro ny halehiben’ny fitiavanao izy, koa teo akaikin’ny Ranomasin’ny Volotara dia nikomy taminao Avo Indrindra.

Rehefa nalefan’ny Farao ny Israelita, dia tsy notarihin’Andriamanitra lalana hankany amin’ny tanin’ny Filistinina na dia akaiky aza io. Nanahy mantsy Andriamanitra fandrao hatahotra ny hahita ady ny vahoaka ka hiova hevitra, ary hiverina any Ejipta.

Ankehitriny dia efa tonga eto amiko ny fitarainan’ny Israelita, ary efa hitako koa ny fahoriana izay ampijalian’ny Ejiptianina azy.

ka hoy ireto mpitandrin-draharaha tamin’izy mirahalahy: –Aoka ho hitan’ny TOMPO izao nataonareo izao ka hanamelohany anareo, satria efa nataonareo mangidy hoditra tamin’ny Farao sy ny tandapany izahay; eny, nasianareo sabatra eny an-tanan’ireo mba hamonoany anay!

Notaterin’i Mosesy tamin’ny Israelita izany teny izany; nefa tsy nihaino azy akory ireo, fa kivy noho ny hamafin’ny fanompoana.

Tafaray amin’ny sampy i Efraîma, ka avelao izy

Ankehitriny, TOMPO ô, avelao aho ho faty, fa aleoko maty toy izay velona.

Koa rehefa niposaka ny masoandro, dia nandefa rivotra mahamay avy any atsinanana Andriamanitra. Namely ny lohan’i Jônà ny masoandro ka nila hanafotra azy. Dia naniry ny ho faty izy ka nivavaka hoe: «Aleoko maty toy izay velona.»

ka niantsoantso mafy hoe: –Fa hataonao inona izahay, ry Jesoa avy any Nazareta? Tonga handringana anay ve Ianao? Fantatro anie fa Ianao no ilay Masina avy amin’Andriamanitra e!

ary niantsoantso ka niteny tamin’ny feo mahery hoe: –Fa hataonao inona aho, ry Jesoa Zanak’Andriamanitra avo indrindra? Miangavy Anao amin’ny anaran’Andriamanitra aho, aza dia ampijalîna re!

Araho izahay:

dokam-barotra

dokam-barotra