sy zafim-paladian’i Abisoa ary zafin-dorian’i Pinehasa, dia i Pinehasa zanakalahin’i Elehazara sy zafin’i Aharôna mpisorombe.
Eksodosy 6:25 - DIEM PROTESTANTA I Elehazara, zanakalahin’i Aharôna, dia nanambady anankiray tamin’ny zanakavavin’i Potiela; ka io no niterahany an’i Pinehasa. Ireo rehetra ireo no filoham-pianakaviana tao amin’ny taranak’i Levỳ, samy araka ny tarika tandrify azy avy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary i Eleazara, zanakalahin’i Arona, dia naka vady avy tamin’ny zanakavavin’i Potiela, ary niteraka an’i Finehasa taminy. Ireo no lohan’ny fianakavian’ny levita, araka ny fokom-pireneny. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara I Elehazara, zanakalahin’i Aharôna, dia nanambady anankiray tamin’ny zanakavavin’i Potiela; ka io no niterahany an’i Pinehasa. Ireo rehetra ireo no filoham-pianakaviana tao amin’ny taranak’i Levỳ, samy araka ny tarika tandrify azy avy. Baiboly Katolika I Eleazara, zanaka lahin’i Aarôna, nanambady ny anankiray amin’ny zanaka vavin’i Fotiela, ka izay no niteraka an’i Finea taminy. Ireo no loham-pianakavian’ny Levita araka ny fianakaviany. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Eleazara, zanakalahin’i Arona, naka vady avy tamin’ny zanakavavin’i Potiela, dia niteraka an’i Finehasa taminy izy. Ireo no lohan’ny fianakavian’ny Levita, araka ny fokom-pireneny. Malagasy Bible Ary Eleazara, zanakalahin'i Arona, naka vady avy tamin'ny zanakavavin'i Potiela, dia niteraka an'i Finehasa taminy izy. Ireo no lohan'ny fianakavian'ny Levita, araka ny fokom-pireneny. La Bible en Malgache Ary i Eleazara, zanakalahin’i Arona, dia naka vady avy tamin’ny zanakavavin’i Potiela, ary niteraka an’i Finehasa taminy. Ireo no lohan’ny fianakavian’ny levita, araka ny fokom-pireneny. |
sy zafim-paladian’i Abisoa ary zafin-dorian’i Pinehasa, dia i Pinehasa zanakalahin’i Elehazara sy zafin’i Aharôna mpisorombe.
Toy izao no voaisa ho taranak’i Levỳ, araka ny tarika tao aminy: ny Gersônita avy tamin’i Gersôna; ny Kehatita avy tamin’i Kehata; ny Merarita avy tamin’i Merarỳ.
Dia nalefan’i Mosesy hiantafika izy rehetra ireo niaraka tamin’i Pinehasa mpisorona sady zanakalahin’i Elehazara; i Pinehasa no nitondra ny fitaovana masina ary koa ny trompetra mpanainga hiady.
Dia naniraka an’i Pinehasa zanakalahin’i Elehazara mpisorona ry zareo hiresaka amin’ny taranak’i Reobena sy taranak’i Gada ary antsasa-pokon’i Manase any Gilehada.
Maty koa i Elehazara zanakalahin’i Aharôna ka nalevina tao amin’ny havoana izay nomena an’i Pinehasa zanany lahy, tany amin’ny tendrombohitr’i Efraîma.