Fa tsy mbola nitoetra an-trano Aho hatramin’ny andro nampiarako ny Israelita avy tany Ejipta ka mandraka androany, fa tao anaty lay sy tao anaty fonena-masina Aho no mifindrafindra toerana.
Eksodosy 40:18 - DIEM PROTESTANTA Nasain’i Mosesy natsangana ny fonena-masina, ka napetraka ny faladiany sy ny hazo fisaka ary ny barany mbamin’ny andry. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nanangana ny tabernakely i Mosesy; napetrany ny faladiany ary natsangany ny hazofisaka momba azy dia nampidiriny ny barany ary natsangany ny andriny. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nasain’i Mosesy natsangana ny fonena-masina, ka napetraka ny faladiany sy ny hazo fisaka ary ny barany mbamin’ny andry. Baiboly Katolika Natsangan’i Môizy ny Fonenana; naorina ny faladiany, nalahany ny hazo fisany mbamin’ny barany, dia natsangany ny andriny. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Mosesy nanangana ny tabernakely, dia nametraka ny faladiany sy nanangana ny zanakazony, ary nampiditra ny barany sy nanangana ny andriny. Malagasy Bible Ary Mosesy nanangana ny tabernakely, dia nametraka ny faladiany sy nanangana ny zana-kazony, ary nampiditra ny barany sy nanangana ny andriny. La Bible en Malgache Nanangana ny tabernakely* i Mosesy; napetrany ny faladiany ary natsangany ny hazofisaka momba azy dia nampidiriny ny barany ary natsangany ny andriny. |
Fa tsy mbola nitoetra an-trano Aho hatramin’ny andro nampiarako ny Israelita avy tany Ejipta ka mandraka androany, fa tao anaty lay sy tao anaty fonena-masina Aho no mifindrafindra toerana.
ka ny andro voalohany tamin’ny volana voalohany, taona faharoa taorian’ny nialany tany Ejipta, no nananganana ny fonena-masina.
Avy eo dia novelarina teo ambonin’ny fonena-masina ny lay, ary napetraka teo ambonin’io lay io ny sarona fiarovana, araka izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy.
–Ny andro voalohany amin’ny volana voalohany no hasainao hatsangana ny fonena-masina na hoe Tranolay fihaonana.
Tsy hisy intsony amin’ny mponin’i Jerosalema hiteniteny hoe: «Marary aho!» Ny vahoaka mitoetra ao amin’io tanàna io dia ho voavela heloka.
Izaho koa milaza aminao fa ianao no Vato, ary eo ambonin’izany vatolampy izany no hanorenako ny Fiangonako; ary ny herin’ny fahafatesana tsy hahatohitra ny Fiangonako.
Ilay Teny dia tonga olombelona, ka niara-nonina taminay. Feno fahasoavana sy fahamarinana Izy ary hitanay ny voninahiny, dia voninahitra avy amin’ny Ray ho an’ny Zanaka lahitokana.
fa rehefa tonga tokoa ny fotoanandro, dia nirahin’Andriamanitra ny Zanany: natera-behivavy io Zanany io ary niaina teo ambany fahefan’ny lalàna jiosy,
Fa raha tratra ela aho, ity taratasy ity dia misy hahafantaranao izay fitondrantena tokony hataonao ao amin’ny ankohonan’Andriamanitra, izany hoe ny Fiangonan’ilay Andriamanitra velona, ny Fiangonana izay mampijoro sy manamafy orina ny hafatra marim-pototra.
dia ianareo izay arovan’ny herin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny finoana mba handray ny famonjena efa vonona haseho amin’ny andro farany.
Ary nisy feo mahery reko avy teo amin’ilay sezafiandrianana ka nanao hoe: «Indro ny fonenan’Andriamanitra tonga eny amin’ny olona, ary Andriamanitra dia hiara-monina aminy; ka izy ireo ho vahoakany, ary ilay Andriamanitra miaraka aminy kosa ho Andriamanitr’izy ireo.