Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Timoty 3:15 - DIEM PROTESTANTA

15 Fa raha tratra ela aho, ity taratasy ity dia misy hahafantaranao izay fitondrantena tokony hataonao ao amin’ny ankohonan’Andriamanitra, izany hoe ny Fiangonan’ilay Andriamanitra velona, ny Fiangonana izay mampijoro sy manamafy orina ny hafatra marim-pototra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

15 fa raha tratra ela aho dia fantaro izay fitondrantena mety hatao ao amin’ny tranon’Andriamanitra, dia ny fiangonan’Andriamanitra velona izay andry sy fiorenan’ny fahamarinana.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

15 Fa raha tratra ela aho, ity taratasy ity dia misy hahafantaranao izay fitondrantena tokony hataonao ao amin’ny ankohonan’Andriamanitra, izany hoe ny Fiangonan’ilay Andriamanitra velona, ny Fiangonana izay mampijoro sy manamafy orina ny hafatra marim-pototra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

15 satria amin’izay, raha tahiny tratra ela aho, dia misy hahafantaranao izay fitondran-tena tsy maintsy ataonao ao amin’ny ankohonan’Andriamanitra, dia ny Eglizin’Andriamanitra velona, izay andry sy fiorenan’ny marina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

15 fa raha tratra ela aho, dia ny hahafantaranao izay fitondrantena mety hatao ao an-tranon’Andriamanitra, dia ny fiangonan’ Andriamanitra velona, sady andry sy fiorenan’ny fahamarinana.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

15 fa raha tratra ela aho, dia ny hahafantaranao izay fitondran-tena mety hatao ao an-tranon'Andriamanitra, dia ny fiangonan'Andriamanitra velona, sady andry sy fiorenan'ny fahamarinana.

Jereo ny toko dika mitovy




1Timoty 3:15
55 Rohy Ifampitohizana  

–Efa ho faty araka ny lalan-kizoran’ny besinimaro aho; koa aoka ianao hahery sy hiseho ho tena lehilahy!


Ary hotanterahin’ny TOMPO ilay fampanantenana izay nambarany tamiko hoe: «Raha tandreman’ireo taranakao ny fitondrantenany ka amin’ny fony manontolo sy ny fanahiny manontolo no izorany eo anatrehako amim-pahitsiana, dia tsy ho diso zanakalahy handimby eo amin’ny sezafiandrianan’i Israely ianao.»


Angamba ho ren’ny TOMPO Andriamanitrao ny teny rehetra nataon’ny dekà asirianina izay nirahin’ny mpanjakan’i Asiria tompony hanevateva an’Andriamanitra velona, ka hofaizin’ny TOMPO Andriamanitrao izy noho izany! Koa manandrata vavaka ianao ho an’ireo sisa tavela amin’ny vahoakany.»


Eny, raha tandremanao hotanterahina ny lalàna amam-pitsipika izay nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy ho an’ny Israelita, dia hambinina tokoa ianao. Mahereza sy matanjaha, fa aza matahotra na mivadi-po.


Tahaka ny diera maniry ranovelona no aniriako Anao, Andriamanitra ô.


Ry TOMPOn’izao rehetra izao ô, endrey ny fitiavako ny tranonao!


Manomboka izao dia hataoko mafy toy ny tanànamimanda ianao sy toy ny andry vy ary toy ny manda varahina raha mifanandrina amin’ny mponina rehetra eto amin’ny tany amin’ny mpanjakan’i Joda sy ireo mpitondra fanjakana sy ny mpisorona ary ny sarambabem-bahoaka ao amin’ny tany.


Fa ny TOMPO kosa no tena Andriamanitra, Andriamanitra velona sy Mpanjaka mandrakizay. Rehefa tezitra Izy, dia mihorohoro ny tany; ary ny firenena dia tsy mahatanty ny fahavinirany.


Ary ny hoe «enta-mavesatra aneren’ny TOMPO» dia tsy tokony hotononinareo intsony. Fa moa enta-mavesatra ho an’ny olona tokoa ve ny tenin’Andriamanitra? Tsia, fa raha izany dia avadikareo ny tenin’Andriamanitra velona, dia ny TOMPOn’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely.


Taorian’izany i Dariôsa mpanjaka dia nanoratra ho an’ny vahoaka avy amin’ny foko sy firenena ary samy hafa fiteny rehetra izay monina ambonin’ny tany tontolo hoe: –Hitombo anie ny fiadananareo!


Dia novalian’i Simôna Petera hoe: –Ianao no ilay Mesia, ny Zanak’ilay Andriamanitra velona!


Lazaiko marina aminareo fa na inona na inona hofehezinareo etỳ an-tany dia ho voafehy koa any an-danitra; ary na inona na inona hovahanareo etỳ an-tany dia ho voavaha koa any an-danitra.


satria ny lalàna dia nomen’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Mosesy, fa ny fahasoavana sy ny fahamarinana kosa dia tonga tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy.


Fa novalian’i Jesoa hoe: –Izaho no lalana sy fahamarinana ary aina; tsy misy olona mankany amin’ny Ray raha tsy amin’ny alalako.


Ary hoy i Pilato taminy: –Koa Mpanjaka izany Ianao? I Jesoa kosa namaly hoe: –Voalazanao fa Mpanjaka Aho. Izao no nahaterahako ary izao no niaviako eto amin’izao tontolo izao: dia ny ho vavolombelona hanambara ny marina. Izay rehetra mpiandany amin’ny marina dia mihaino ny feoko.


sady izahay efa mino sy mahalala fa Ianao no ilay Masina avy amin’Andriamanitra!


ka hatramin’ny andro nampiakarana Azy ho any an-danitra. Talohan’ny nampiakarana Azy, dia namelany baiko tamin’ny herin’ny Fanahy Masina ireo nofidiny ho apôstôly.


–Adray rey olona! Nahoana no manao izao ianareo? Olombelona tahaka anareo ihany izahay! Manambara ny Vaovao Mahafaly aminareo izahay, ka manainga anareo handao ireto sampy tsy mahasoa ireto ary hitodika amin’ilay Andriamanitra velona, Izay nanao ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina mbamin’ny zavatra rehetra ao aminy.


Eny, misy maro tokoa amin’ny lafiny rehetra. Voalohany, ry zareo Jiosy no nanankinan’Andriamanitra ny teny izay nambàrany.


Ary eo amin’ny toerana nilazana taminy hoe: ‹tsy vahoakako ianareo›, dia eo indrindra no hiantsoana azy hoe: ‹zanak’Andriamanitra velona›. »


Aza manao izay hahasolafaka olona amin’ny ratsy, na Jiosy izy na hafa firenena na ny Fiangonan’Andriamanitra.


Tsy fantatrareo ve fa tempolin’Andriamanitra ianareo ary ao aminareo ny Fanahin’Andriamanitra?


Miharihary fa taratasy soratanan’i Kristy ianareo, ary nampitondraina anay; kanefa tsy taratasy voasoratra tamina ranomainty fa tamin’ny alalan’ny Fanahin’ilay Andriamanitra velona, tsy taratasy voasokitra eo amina takela-bato fa ao am-pon’olombelona.


Ahoana no hifandraisan’ny tempolin’Andriamanitra amin’ny sampy? Fa isika no tempolin’Andriamanitra velona, araka ny voalazan’Andriamanitra hoe: «Honina eo aminy Aho ary handeha eo afovoany, dia ho Andriamaniny Aho ary izy ireo ho vahoakako.»


amin’ny fitorianay ny marina ary amin’ny hery omen’Andriamanitra anay. Izay rariny no fiadiana ampiasainay hanafihana sy hiarovan-tena,


I Jakôba sy i Petera ary i Jôhany, izay samy noheveriko ho filoha, dia niaiky izany tombon-tsoa nomen’Andriamanitra ahy izany ary nandray tanana ahy sy nandray tanana an’i Barnabà ho mariky ny fiombonana. Koa nifanarahana fa izaho sy i Barnabà dia hiasa any amin’ny hafa firenena, ary izy ireo kosa hiasa eo amin’ny Jiosy.


Tsy misaina ianareo, ry Galatianina! Iza moa no nanodoka anareo? Kanefa dia i Jesoa Kristy voahombo tamin’ny hazofijaliana no naseho mazava teo imasonareo.


Fa efa nandre ny aminy tokoa ianareo ary efa norosoana ny fampianarana marina ao amin’i Jesoa, araka ny maha kristianina anareo.


Avy eo dia nofeperan’ny TOMPO i Josoa, zanakalahin’i Nona, ka nilazany hoe: –Mahereza sy matanjaha; fa ianao no hitondra ny Israelita hiditra ao amin’ny tany izay nianianako taminy homena azy, Izaho mihitsy no hiaraka aminao.


Satria iza moa tamin’ny olombelona rehetra no efa nandre tahaka anay ny feon’ilay Andriamanitra velona niteny avy tao anatin’ny afo, ka velona aina ihany?


Mby teo aminareo ny Vaovao Mahafaly, ary ny hafatra marina raketiny no nandrenesanareo ny zavatra antenaina izay voatahiry ho anareo any an-danitra. Ka ny finoanareo sy ny fitiavanareo dia vokatr’izany fanantenana izany.


Fa izy rehetra dia milaza ny momba anay ka mitantara ny nidiranay tatỳ aminareo sy ny nialanareo tamin’ny sampinareo ka nitodihanareo tamin’Andriamanitra, mba hanompoanareo ilay Andriamanitra velona sady marina.


Izany zavatra izany dia soratako aminao, na dia manantena fa hankatỳ aminao faingana aza aho.


Ary iaraha-miaiky fa lehibe ny tsiambaratelo nambara momba ny fivavahantsika: Niharihary ho olombelona i Kristy, nankatoavin’Andriamanitra tamin’ny herin’ny Fanahy masina ary niseho tamin’ny iraka; notorîna tany amin’ny firenena, ka ninoana eran’izao tontolo izao; nakarina any an-danitra tamim-boninahitra.


Koa ny mpitondra Fiangonana dia tokony ho olona tsy manan-tsiny, tsy mampirafy, mahafehy tena, matotra, maotina, mahay mandray olona, havanana amin’ny fampianarana;


fa raha misy olona tsy mahay mitondra ny ankohonany, hataony ahoana no fikarakara ny Fiangonan’Andriamanitra?);


Eny, izany no ikelezanay aina sy iezahanay, satria ny fanantenanay dia efa napetrakay amin’Andriamanitra velona, Izay Mpamonjy ny olona rehetra, indrindra fa ireo mino.


Izy ihany no tsy mety maty, mitoetra ao amin’ny hazavana tsy hay akaikezina; tsy misy olombelona nahita maso Azy hatrizay hatrizay, ary tsy misy afaka hahita maso Azy; ho Azy anie ny haja sy ny fanjakana mandrakizay! Amen.


Kanefa ny fanorenana mafy nataon’Andriamanitra dia miorina tsara sady voasokitra eo ny teny hoe: «Fantatry ny Tompo ireo Azy», sy ny hoe «Aoka hiala amin’ny ratsy avokoa ny olona rehetra mitonona ho mpanaja ny Tompo!»


Tsy dia fanaka volamena sy volafotsy ihany no ao anaty lapa soa anankiray fa misy fanaka hazo sy tanimanga koa; iretsy voalohany dia fanaka mihaja fa ireto faharoa kosa dia fanaka tsotsotra.


Manana Mpisorona lehibe izay mifehy ny tranon’Andriamanitra isika;


Fa ny efa nohatoninareo kosa dia ny tendrombohitra Tsiôna misy ny tanànan’Andriamanitra velona, dia i Jerosalema any an-danitra. Ny efa nohatoninareo dia ny anjely marobe tsy hita isa


Tandremo, ry havana, fandrao hisy aminareo hanana fo ratsy tsy mino ka hiala amin’Andriamanitra velona.


vao mainka ny ran’i Kristy no hanadio ny fieritreretantsika; fa tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina Izay velona mandrakizay no nanoloran’i Kristy ny tenany ho sorona tsy manan-tsiny ho an’Andriamanitra; ka ny rany dia manadio ny fieritreretantsika ho afaka amin’ireo asa mitondra fahafatesana, mba hanompoantsika an’ilay Andriamanitra velona.


Ho fantatrareo amin’izao fa Andriamanitra velona no eo afovoanareo, ka horoahiny tanteraka eo anoloanareo ny Kanahanita sy Hetita, ny Hivîta sy Perizîta, ny Girgasita sy Amôrita ary Jebosita.


Manatòna ny Tompo ianareo mba ho tahaka ny vato velona voarafitra ho trano onenan’ny Fanahy Masina, ka hiara-manao fisoronana amin’ny alalan’i Jesoa Kristy.


Tonga ny fotoanandro hiantombohan’ny fitsarana hatrao amin’ny ankohonan’Andriamanitra; ka raha miantomboka amintsika izany, hanao ahoana kosa no hiafaran’izay tsy mety mino nyVaovao Mahafaly avy amin’Andriamanitra?


Ary hitako nisy anjely iray hafa koa niakatra avy any atsinanana sady nitana ny tombokasen’ilay Andriamanitra velona. Dia niantso tamin’ny feo mahery an’ireo anjely efatra navela hanimba ny tany aman-dranomasina io anjely io


Dia hoy i Davida tamin’ny miaramila iray teo akaikiny: –Hatao ahoana tsara hoe izay maharesy io Filistinina io ka mahafaka an’i Israely amin’izao fahafaham-baràkany izao? Fa iza moa io Filistinina mpanompo sampy io no sahy mihantsy ny tafik’ilay Andriamanitra velona?


Raha izany no nahafatesan’ny mpanomponao ny liona sy ny bera, dia ho tahaka izany koa no hanjo io Filistinina mpanompo sampy io, satria nihantsy ny tafik’ilay Andriamanitra velona izy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra