1Timoty 3:16 - DIEM PROTESTANTA16 Ary iaraha-miaiky fa lehibe ny tsiambaratelo nambara momba ny fivavahantsika: Niharihary ho olombelona i Kristy, nankatoavin’Andriamanitra tamin’ny herin’ny Fanahy masina ary niseho tamin’ny iraka; notorîna tany amin’ny firenena, ka ninoana eran’izao tontolo izao; nakarina any an-danitra tamim-boninahitra. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201116 Ary iaraha-manaiky mihitsy fa lehibe ny zavamiafina ny amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, dia ilay naseho teo amin’ny nofo, nohamarinina tao amin’ny Fanahy, hitan’ny anjely, notorina tany amin’ny Jentilisa, ninoana teny amin’izao tontolo izao, nakarina ho any amin’ny voninahitra. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara16 Ary iaraha-miaiky fa lehibe ny tsiambaratelo nambara momba ny fivavahantsika: Niharihary ho olombelona i Kristy, nankatoavin’Andriamanitra tamin’ny herin’ny Fanahy masina ary niseho tamin’ny iraka; notorîna tany amin’ny firenena, ka ninoana eran’izao tontolo izao; nakarina any an-danitra tamim-boninahitra. Jereo ny tokoBaiboly Katolika16 Ary tsy azo lavina, fa lehibe tokoa ny mistery fototry ny fivavahana, dia ilay naseho teo amin’ny nofo, nohamarinina tao amin’ny Fanahy, niseho tamin’ny Anjely, notorina tany amin’ny Jentily, ninoana tamin’izao tontolo izao, ary nakarina tamim-boninahitra. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy16 Ary iaraha-manaiky mihitsy fa lehibe ny zava-miafina ny amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, dia Ilay naseho teo amin’ny nofo, nohamarinina tao amin’ny Fanahy; hitan’ny anjely, notorina tany amin’ny jentilisa, ninoana teny amin’izao tontolo izao, nakarina tamin’ ny voninahitra. Jereo ny tokoMalagasy Bible16 Ary iaraha-manaiky mihitsy fa lehibe ny zava-miafina ny amin'ny toe-panahy araka an'Andriamanitra, dia Ilay naseho teo amin'ny nofo, nohamarinina tao amin'ny Fanahy; hitan'ny anjely, notorina tany amin'ny jentilisa, ninoana teny amin'izao tontolo izao, nakarina tamin'ny voninahitra. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache16 Ary iaraha-manaiky mihitsy fa lehibe ny zavamiafina ny amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, dia ilay naseho teo amin’ny nofo, nohamarinina tao amin’ny Fanahy, hitan’ny anjely, notorina tany amin’ny Jentilisa*, ninoana teny amin’izao tontolo izao, nakarina ho any amin’ny voninahitra. Jereo ny toko |
Hanao izay hanitarana ny fahefàny izy ary hampisy fiadanana tsy misy fetra. Ny sezafiandrianan’i Davida no hipetrahany ary ny fanjakany no hofeheziny ka haoriny sy hohamafisiny amin’ny rariny sy ny hitsiny, hatramin’izao ka ho mandrakizay. Izany no hotanterahin’ny TOMPOn’izao rehetra izao, vokatry ny firedaredam-pitiavany.
Kanefa tsy maintsy maharitra amin’ny finoana ianareo, ka miorina sy mitombina tsara, ary tsy mety hafindra hiala amin’ny fanantenana vokatry ny Vaovao Mahafaly efa renareo. Izaho Paoly dia efa tonga mpanompon’izany Vaovao Mahafaly izany, dia ilay notorîna tamin’ny olona rehetra eto ambanin’ny lanitra.
Taratra mamirapiratry ny voninahitr’Andriamanitra sady famantarana velona izay tena toetra amam-pomban’Andriamanitra Izy; ary ny teniny manan-kery no ihazonany ny zavatra rehetra. Nony avy nanadio ny olona ho afaka amin’ny fahotany Izy, dia nipetraka any amin’ny avo indrindra eo ankavanan’ilay Andriamanitra lehibe.
Aoka isika hifantoka tsara amin’i Jesoa, Izay loharanon’ny finoantsika hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany. Niaretan’i Jesoa ny namonoana Azy teo amin’ny hazofijaliana fa tsy nitandroany henatra, satria tsinjony sahady ny hafaliana natao ho azony; ka izao Izy efa mipetraka eo ankavanan’ny sezafiandrianan’Andriamanitra.
Nasehon’Andriamanitra tamin’ireo mpaminany fa ny zavatra nomena horaharahainy dia tsy natao ho azy ireo fa natao ho anareo; ary izany zavatra izany dia nampandrenesina anareo ankehitriny, tamin’ny alalan’ireo olona izay nombàn’ny Fanahy Masina nirahina avy tany an-danitra ka nitory ny Vaovao Mahafaly taminareo. Eny, izany zavatra izany aza dia irîn’ireo anjely hodinihina.