Eksodosy 39:19 - DIEM PROTESTANTA Nisy haba volamena roa hafa koa namboarina ka napetaka teo amin’ny zorony roa ambany amin’ny saron-tratra manolotra ny efôda. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nataony indray koa ny mason-drojo volamena roa, natsofony teo amin’ny zorony roa ambany amin’ny saron-tratra, amin’ny sisiny anatiny izay mikasika ny efoda. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nisy haba volamena roa hafa koa namboarina ka napetaka teo amin’ny zorony roa ambany amin’ny saron-tratra manolotra ny efôda. Baiboly Katolika Dia nanao masom-bolamena roa koa izy, napetrany eo an-tendrony roa ambany amin’ny saron-tratra eo amin’ny sisiny anaty manolotra ny efôda. Baiboly Protestanta Malagasy Ary nanao vava volamena roa izy ka nataony teo amin’ny zorony roa ambany amin’ny saron-tratra, dia amin’ny sisiny anatiny izay manolotra ny efoda. Malagasy Bible Ary nanao vava volamena roa izy ka nataony teo amin'ny zorony roa ambany amin'ny saron-tratra, dia amin'ny sisiny anatiny izay manolotra ny efoda. La Bible en Malgache Nataony indray koa ny mason-drojo volamena roa, natsofony teo amin’ny zorony roa ambany amin’ny saron-tratra, amin’ny sisiny anatiny izay mikasika ny efoda. |
ary ny lanin’ny rojo roa kosa dia napetaka tamin’ny bokom-bolamena izay teo ambonin’ny beritelon’ny efôda, mba hahatonga ny saron-tratra ho eo anoloana.
Mbola nisy haba volamena roa hafa koa namboarina ka napetaka teo ambanin’ny beritelon’ny efôda eo anoloana, teo amin’ny fikambanany; teo ambonin’ny samboadin’ny efôda no nametrahana ireo haba volamena ireo.