Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 38:3 - DIEM PROTESTANTA

Halimo koa no nanaovana ny fanaka rehetra momba ny alitara: dia ny tavy fasiana lavenon-jabora, ny sotrobe fangaronana afo, ny tsatokaty famafazana, ny fitrebi-kena ary ny fitondrana afo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Nanao ny fanaka rehetra momba ny alitara izy, dia ny vilaniny, ny fandraofan-davenona, ny sotron’afony, ny loviany famafazana, ny fitrebiny ary ny fitondran’afony; nataony varahina avokoa ny fanaka rehetra momba azy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Halimo koa no nanaovana ny fanaka rehetra momba ny alitara: dia ny tavy fasiana lavenon-jabora, ny sotrobe fangaronana afo, ny tsatokaty famafazana, ny fitrebi-kena ary ny fitondrana afo.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Nataony avokoa ny fanaka momba ny ôtely: ny tavin-davenona, ny lapela, ny tavy, ny fitrebika ary ny fatana; varahina no nanaovany an’ireo fanaka rehetra ireo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary nanao ny fanaka rehetra momba ny alitara izy, dia ny vilaniny fandraofan-davenona sy ny sotron’afony sy ny loviany famafazana sy ny fitrebiny ary ny fitondran-afony; nataony varahina avokoa ny fanaka rehetra momba azy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary nanao ny fanaka rehetra momba ny alitara izy, dia ny vilaniny fandraofan-davenona sy ny sotron'afony sy ny loviany famafazana sy ny fitrebiny ary ny fitondran'afony; nataony varahina avokoa ny fanaka rehetra momba azy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Nanao ny fanaka rehetra momba ny alitara izy, dia ny vilaniny, ny fandraofan-davenona, ny sotron’afony, ny loviany famafazana, ny fitrebiny ary ny fitondran’afony; nataony varahina avokoa ny fanaka rehetra momba azy.

Jereo ny toko



Eksodosy 38:3
6 Rohy Ifampitohizana  

ary ny vilany fanangonan-davenona mbamin’ny lapelina sy ny fitrebika. Ny kojakoja rehetra nataon’i Horama-Abỳ ho an’i Salômôna mpanjaka ho an’ny tranon’ny TOMPO, dia vita halimo mamiratra avokoa.


Dia nanao ilay fitobian-drano goavana boribory i Horama; halimo voaempo no nanefeny azy, ka nirefy dimy metatra ny savaivony, roa metatra sy sasany ny haavony, ary 15 metatra ny morony manodidina azy.


Halimo koa no hanaovana ny fanaka rehetra momba ny alitara: dia ny tavy fasiana lavenon-jabora, ny sotrobe fangaronana afo, ny tsatokaty famafazana, ny fitrebi-kena ary ny fitondrana afo.


Natao miendrika tandroka ny zorony efatra ambony sady narafitra niaraka tamin’ny tenan’ny alitara, izay norakofana takelaka halimo.


Namboarina ny makarakara halimo miendrika harato, ka napetraka teo akaikin’ny fisasahan’ny aty alitara, teo ambanin’ny fehivavany.


Fa na dia mpisorona aza izy roa lahy, dia izao no fanaony tamin’ny vahoaka: raha nisy olona nanao sorona, dia avy ny mpanampy ny mpisorona ka manatona ny hena handroina, miaraka amin’ny fitrebika telo rantsana eny an-tanany;