Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 38:22 - DIEM PROTESTANTA

I Betsalela, zanakalahin’i Orỳ sady zafikelin’i Hora, avy amin’ny fokon’i Joda, no nanatanteraka izay rehetra nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary i Bezalila, zanak’i Ory, zanak’i Hora, avy amin’ny fokon’i Joda, dia nanatanteraka izay rehetra nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

I Betsalela, zanakalahin’i Orỳ sady zafikelin’i Hora, avy amin’ny fokon’i Joda, no nanatanteraka izay rehetra nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Ny nanao izay rehetra nandidian’i Iaveh an’i Môizy dia i Beseleela, zanak’i Orì, zanak’i Hora, amin’ny fokon’i Jodà;

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary Bezalila, zanak’i Ory, zanak’i Hora, avy amin’ny firenen’i Joda, nanao izay rehetra nandidian’i Jehovah an’i Mosesy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary Bezalila, zanak'i Ory, zanak'i Hora, avy amin'ny firenen'i Joda, nanao izay rehetra nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary i Bezalila, zanak’i Ory, zanak’i Hora, avy amin’ny fokon’i Joda, dia nanatanteraka izay rehetra nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy.

Jereo ny toko



Eksodosy 38:22
7 Rohy Ifampitohizana  

I Hora no ray niteraka an’i Orỳ; ary i Orỳ no ray niteraka an’i Betsalela.


dia tsy ho menatra aho mandinika ny didinao rehetra.


Hoy i Mosesy tamin’ny Israelita: –Jereonareo fa nofidin’ny TOMPO i Betsalela, zanakalahin’i Orỳ sady zafikelin’i Hora, avy amin’ny fokon’i Joda,


Ireto no isan’ny fitaovana nampiasaina tamin’ny fonena-masina misy ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana. Araka ny baikon’i Mosesy, ny fanisana dia nataon’ny Levita notarihan’i Itamara, zanakalahin’i Aharôna mpisorona.


Fa hoy ny TOMPO tamiko hoe: –Aza manao hoe «mbola tanora loatra aho» fa tsy maintsy handeha amin’izay rehetra hanirahako anao ianao ka hilaza aminy izay rehetra nandidiako anao.


sady ampianaro hitandrina ny zavatra rehetra nandidiako anareo. Ary indro Aho miaraka aminareo isan’andro vaky mandra-pahatongan’ny fiafaran’izao tontolo izao.