Nandihy araka ny heriny manontolo teo anatrehan’ny TOMPO i Davida, izay efôda rongony fotsy ihany no nisalorany.
Eksodosy 32:19 - DIEM PROTESTANTA Raha vao nanatona ny toby izy, dia hitan’i Mosesy ny sarivongana ombilahikely sy ny vahoaka nandihy. Tezitra i Mosesy, ka natsipiny ny vatofisaka teny an-tanany sady nopotipotehiny teo am-pototry ny tendrombohitra. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary raha nanakaiky ny toby izy dia nahita ny ombilahy kely sy ny dihy; dia nirehitra ny fahatezeran’i Mosesy ka natontany ny vato fisaka teny an-tanany ary nopotehiny teo am-pototry ny tendrombohitra. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Raha vao nanatona ny toby izy, dia hitan’i Mosesy ny sarivongana ombilahikely sy ny vahoaka nandihy. Tezitra i Mosesy, ka natsipiny ny vatofisaka teny an-tanany sady nopotipotehiny teo am-pototry ny tendrombohitra. Baiboly Katolika Nony mby teo akaikin’ny toby izy, dia nahita ny zanak’omby sy ny dihy, ka nirehitra ny fahatezeran’i Môizy, nazerany ny takelaka teny an-tanany, sady novakivakiny teo ambodin’ny tendrombohitra. Baiboly Protestanta Malagasy Ary raha nanakaiky ny toby izy, dia nahita ny ombilahy kely sy ny dihy; ary nirehitra ny fahatezeran’i Mosesy, dia natontany ny vato fisaka teny an-tànany ka novakivakiny teo am-bodin’ny tendrombohitra. Malagasy Bible Ary raha nanakaiky ny toby izy, dia nahita ny ombilahy kely sy ny dihy; ary nirehitra ny fahatezeran'i Mosesy, dia natontany ny vato fisaka teny an-tànany ka novakivakiny teo am-bodin'ny tendrombohitra. La Bible en Malgache Ary raha nanakaiky ny toby izy dia nahita ny ombilahy kely sy ny dihy; dia nirehitra ny fahatezeran’i Mosesy ka natontany ny vato fisaka teny an-tanany ary nopotehiny teo am-pototry ny tendrombohitra. |
Nandihy araka ny heriny manontolo teo anatrehan’ny TOMPO i Davida, izay efôda rongony fotsy ihany no nisalorany.
Naka ampongatapaka i Miriama, mpaminanivavy anabavin’i Aharôna, ary lasa nanaraka azy avokoa ny vehivavy israelita rehetra ka nitondra ampongatapaka sady nandihy.
Fa niangavy ny TOMPO Andriamaniny i Mosesy mba ho tony ka nanao hoe: –TOMPO ô, nahoana no hanampatra ny fahatezeranao amin’ny vahoakanao Ianao, rehefa avy nampiasa hery lehibe sy fahefana tsy hay tohaina mba hamoaka azy hiala tany Ejipta?
Fa namaly azy i Mosesy hoe: –Tsia, tsy horakora-pandresena, na kiakiakam-paharesena no reko, fa hiram-pety.
Nandidy an’i Mosesy ny TOMPO hoe: –Manamboara vatofisaka roa toy ny teo aloha; hosoratako amin’ireo ny teny mitovy amin’izay voasoratra tamin’ireo vatofisaka voalohany efa nopotipotehinao.
Kanefa tsy hitovy amin’ilay fanekempihavanana nataoko tamin’ireo razany fony Aho nandray an-tanana hamoaka azy avy tany Ejipta izany. Fa nivadihan’ireo iny, kanefa Izaho no tompony; teny hentitra avy amiko TOMPO izany.
Avy eo dia notapahiko koa ilay tehina «Firaisankina», hanafoanana ny firalahian’i Joda sy i Israely.
I Mosesy kosa dia lehilahy malemy fanahy mihoatra noho ny olona hafa rehetra ambonin’ny tany.
Izaho koa milaza aminareo hoe: izay rehetra tezitra amin’ny namana iray finoana dia mendrika hatolotra ny fitsarana isan-tanàna; izay hanao ny namana iray finoana hoe: misy kely, dia mendrika hatolotra ny Fitsarana ambony; izay hanao azy hoe: foka, dia mendrika havarina any amin’ny lohasahan’afo.
Nahita izany i Jesoa ka tezitra ary nilaza tamin’ny mpianany hoe: –Avelao ny ankizy madinika hanatona Ahy, fa aza raràna, satria an’ny toa azy ireny ny Fanjakàn’Andriamanitra.
Dia tezitra i Jesoa nanopy maso manodidina nijery azy ireo, sady nalahelo tokoa noho ny hamafin’ny fony, ka niteny tamin-dralehilahy hoe: –Atsory ny tananao! Dia natsotran’ilay marary ny tanany ka sitrana.
Aoka ianareo tsy ho mpanompo sampy toy ny nataon’ny sasany tamin’ireny, araka ny voalazan’ny Soratra Masina hoe: «Nipetraka hihinana sy hisotro ny olona ary dia nitsangana hilalao.»
Raha sendra tezitra ianareo, dia aza manota: aoka tsy ho tratry ny masoandro milentika ny fahatezeranareo.
Hosoratako amin’ireo takela-bato ireo ny didy voasoratra tamin’ny takela-bato nomontsaninao; ka hataonao ao anatin’ny vata ireo takela-bato ireo.»
«Ho voaozona anie izay tsy mankatò ireo teny momba ity Lalàna ity sy tsy manatanteraka azy!» Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: «Amen!».