Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 29:3 - DIEM PROTESTANTA

Ataovy ao anaty harona iray ireo, ary ento ao amin’ny Toeramasina miaraka amin’ny vantotr’ombilahy sy ny ondrilahy roa.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ataovy ao anaty harona iray ireny ka ento amin’io harona io; ary ny vantotra ombilahy sy ny ondrilahy roa dia ento koa.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ataovy ao anaty harona iray ireo, ary ento ao amin’ny Toeramasina miaraka amin’ny vantotr’ombilahy sy ny ondrilahy roa.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Ataovy an-tsobika iray ihany izy, dia atero izany ao anatin’ny sobika miaraka amin’ny vantotr’ombalahy iray sy ny ondralahy roa.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary ataovy eo anaty harona iray izy, ka ento amin’ny harona; ary ny vantotr’ombilahy sy ny ondrilahy roa dia ento koa.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary ataovy eo anaty harona iray izy, ka ento amin'ny harona; ary ny vantotr'ombilahy sy ny ondrilahy roa dia ento koa.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ataovy ao anaty harona iray ireny ka ento amin’io harona io; ary ny vantotra ombilahy sy ny ondrilahy roa dia ento koa.

Jereo ny toko



Eksodosy 29:3
6 Rohy Ifampitohizana  

Makà kobam-barimbazaha, ka manaova mofo tsy misy leviora, mofo mamy misy diloilo saingy tsy misy leviora, ary mofo manify tsy misy leviora sady voararaka diloilo.


«Ento hankeo am-baravaran’ny Tranolay fihaonana i Aharôna sy ireo zanany lahy, dia ampandroy amin’ny rano fandroana.


–Antsoy i Aharôna sy ny zanany miaraka aminy, hankeo anoloan’ny varavaran’ny Tranolay fihaonana; asaovy entina ny fanamiana masina, ny menaka fanosorana, ny ombilahy hatao sorona fanalana ny ota, ny ondrilahy roa ary ny harona nasiana mofo tsy misy leviora.


Ilay harona nasiany mofo tsy misy leviora, harona izay napetraka teo anatrehan’ny Toeramasin’ny TOMPO, dia nangalan’i Mosesy mofomamy anankiray tsy misy leviora, sy mofomamy anankiray voaisy menaka, ary mofo manify anankiray; ka nataony teo ambonin’ny tavin-kenan’ilay ondrilahy mbamin’ny feny ankavanana ireo mofo ireo.


Ary hoy i Mosesy tamin’i Aharôna sy ny zanany: –Andrahoy eo anoloan’ny varavaran’ny Tranolay fihaonana ny henan’ilay ondrilahy faharoa; ary eo no hihinananareo azy mbamin’ny mofo izay ao anatin’ny harona misy ny fanati-panokanana, araka izay nandidiako anareo.


Ny ondrilahy kosa dia hatolony amin’ny TOMPO ho sorom-pihavanana miaraka amin’ny mofo tsy misy leviora iray harona. Ary hatolony farany ny fanatitra lafarinina sy divay.