Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Levitikosy 8:2 - DIEM PROTESTANTA

2 –Antsoy i Aharôna sy ny zanany miaraka aminy, hankeo anoloan’ny varavaran’ny Tranolay fihaonana; asaovy entina ny fanamiana masina, ny menaka fanosorana, ny ombilahy hatao sorona fanalana ny ota, ny ondrilahy roa ary ny harona nasiana mofo tsy misy leviora.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

2 Ento i Arona sy ireo zanany, ary ny fitafiana sy ny diloilo fanosorana miaraka amin’ny vantotra ombilahy iray hatao fanatitra fanadiovana sy ny ondrilahy roa ary ny harona misy mofo tsy misy masirasira,

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

2 –Antsoy i Aharôna sy ny zanany miaraka aminy, hankeo anoloan’ny varavaran’ny Tranolay fihaonana; asaovy entina ny fanamiana masina, ny menaka fanosorana, ny ombilahy hatao sorona fanalana ny ota, ny ondrilahy roa ary ny harona nasiana mofo tsy misy leviora.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

2 «Alao i Aarôna sy ny zanany miaraka aminy, ny fanamiana, ny diloilo fanosorana, ny ombalahy hatao sorona noho ny ota, ny ondralahy roa, ary ny sobika misy ny mofo tsy misy lalivay;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

2 Alao Arona sy ny zanany ary ny fitafiana sy ny diloilo fanosorana sy ny vantotr’ombilahy iray hatao fanatitra noho ny ota sy ny ondrilahy roa ary ny harona misy mofo tsy misy masirasira.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

2 Alao Arona sy ny zanany ary ny fitafiana sy ny diloilo fanosorana sy ny vantotr'ombilahy iray hatao fanatitra noho ny ota sy ny ondrilahy roa ary ny harona misy mofo tsy misy masirasira.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

2 Ento i Arona sy ireo zanany, ary ny fitafiana sy ny diloilo fanosorana miaraka amin’ny vantotra ombilahy iray hatao fanatitra fanadiovana sy ny ondrilahy roa ary ny harona misy mofo tsy misy masirasira,

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 8:2
15 Rohy Ifampitohizana  

«Ry Mosesy, ampanatòny ho eo akaikinao i Aharôna rahalahinao sy ny zanany efa-dahy, dia i Nadaba sy i Abihò ary i Elehazara sy i Itamara. Avaho amin’ny Israelita ireo mba hanompo Ahy amin’ny fisoronana.


«Ary ireo zanakalahin’i Aharôna koa dia hanaovana fanamiana mihaja sy be voninahitra, dia akanjo lava sy fehikibo ary satroka boribory.


–ny lamba fandrakofana ny fanaka ao amin’ny Toeramasina ary ny fanamiana voatokana hiakanjoan’i Aharôna sy ny zanany lahy eo am-panaovana ny raharahany.


Tsy hasiana leviora no hanendasana azy; satria izany anjara omeko ny mpisorona izany, dia ambin’ilay fanatitra nolevonina tamin’ny afo ho Ahy. Zava-masina dia masina izany, tahaka ny amin’ny sorona fanalana ny ota sy tahaka ny ambin’ny sorom-panonerana.


Dia niteny tamin’i Mosesy ny TOMPO nanao hoe:


Ary naka ny menaka fanosorana i Mosesy, dia nanosotra sy nanokana ny Fonenan’Andriamanitra mbamin’ny zavatra rehetra tao anatiny.


Dia nasain’i Mosesy nampanatonina koa ny ondrilahy hatao sorona dorana manontolo; ka i Aharôna sy ny zanany no nametra-tanana teo amin’ny lohan’ny ilay ondrilahy.


Farany, nasain’i Mosesy nampanatonina ny ondrilahy faharoa, dia ilay ondrilahy hanaovana ny sorona fanokanana; ka i Aharôna sy ny zanany no nametra-tanana teo amin’ny lohan’ilay ondrilahy.


Vorio koa ny Israelita rehetra ho tafangona eo anoloan’io toerana io.


Tsy mba tahaka ireo mpisorombe hafa Izy, ka tsy mila hanolotra sorona isan’andro ho fanalana ny fahotan’ny tenany aloha, vao ny an’ny vahoaka. Indray mandeha monja no nanoloran’i Jesoa sorona, dia tamin’ny nanolorany ny tenany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra