Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Nomery 6:17 - DIEM PROTESTANTA

17 Ny ondrilahy kosa dia hatolony amin’ny TOMPO ho sorom-pihavanana miaraka amin’ny mofo tsy misy leviora iray harona. Ary hatolony farany ny fanatitra lafarinina sy divay.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

17 dia hateriny ny ondrilahy ho fanati-pihavanana ho an’NY TOMPO; hoentiny koa ny mofo tsy misy masirasira iray harona; ary haterin’ny mpisorona koa ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry izay noentiny sy ny fanatiny aidina.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

17 Ny ondrilahy kosa dia hatolony amin’ny TOMPO ho sorom-pihavanana miaraka amin’ny mofo tsy misy leviora iray harona. Ary hatolony farany ny fanatitra lafarinina sy divay.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

17 Dia hatolony ny ondralahy ho fanati-pihavanana amin’i Iaveh, mbamin’ny mofo tsy misy lalivay iray harona, ary hataon’ny mpisorona ny fanatitra amam-panatitra araraka momba azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

17 dia hateriny ny ondrilahy ho fanati-pihavanana ho an’i Jehovah mbamin’ny mofo tsy misy masirasira iray harona; ary haterin’ny mpisorona koa ny fanatitra hohaniny sy ny fanatitra aidiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

17 dia hateriny ny ondrilahy ho fanati-pihavanana ho an'i Jehovah mbamin'ny mofo tsy misy masirasira iray harona; ary haterin'ny mpisorona koa ny fanatitra hohaniny sy ny fanatitra aidiny.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 6:17
3 Rohy Ifampitohizana  

Ataovy ao anaty harona iray ireo, ary ento ao amin’ny Toeramasina miaraka amin’ny vantotr’ombilahy sy ny ondrilahy roa.


Hoentin’ny mpisorona eo anatrehan’ny TOMPO ireo fanatitra ireo, vao hatolony ny sorona fanalana ny ota sy ny sorona dorana manontolo.


Dia hanaratra ny lohany eo am-baravaran’ny Tranolay fihaonana ilay nanokan-tena; ary halainy izany volon-dohany izany ka hatsipiny ao anatin’ny afo izay mirehitra eo ambanin’ilay sorom-pihavanana.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra