Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 26:34 - DIEM PROTESTANTA

Avy eo, dia hapetraka eo ambonin’ny Vatamasina ilay sarony, ao amin’ny Toeramasina indrindra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ataovy eo ambonin’ny vata misy ny Vavolombelona, ao amin’ny fitoerana masina indrindra, ny rakotra fanaovam-panavotana.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Avy eo, dia hapetraka eo ambonin’ny Vatamasina ilay sarony, ao amin’ny Toeramasina indrindra.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Hataonao eo ambonin’ny fiaran’ny vavolombelona ny fanaovam-panavotana, amin’ny Fitoerana masina indrindra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary ny rakotra fanaovam-panavotana dia ataovy eo ambonin’ny fiaran’ny Vavolombelona eo amin’ny fitoerana masina indrindra.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary ny rakotra fanaovam-panavotana dia ataovy eo ambonin'ny fiaran'ny Vavolombelona eo amin'ny fitoerana masina indrindra.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ataovy eo ambonin’ny vata misy ny Vavolombelona, ao amin’ny fitoerana masina indrindra, ny rakotra fanaovam-panavotana.

Jereo ny toko



Eksodosy 26:34
6 Rohy Ifampitohizana  

Norakofana hazo sedera mirefy folo metatra hatreo ambany ka hatrany ambony koa ny rindrin’ilay efitrano anatiny; ka ny atin’io efitrano io dia namboarina ho efitra voatokana izay nantsoina hoe Toeramasina Indrindra.


Hapetraka eo ambony Vatamasina ny sarony rehefa tafiditra ao anatiny ao ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana izay homeko anao.


Nalain’i Mosesy ny vatofisaka misy ny didy folo ka napetrany tao amin’ny Vatamasina; dia natsofoka ny baon’ny Vatamasina sady narakotra azy ny sarony.


Norefesiny ihany koa ny efitrano manontolo: efamira izy io ka samy folo metatra avy ny lafiny efatra. Avy eo dia hoy ralehilahy tamiko: io no Toeramasina indrindra.


Ka hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: «Ilazao i Aharôna rahalahinao mba tsy hiditra ao amin’ny Toeramasina Indrindra, ambadiky ny efitra lamba, afa-tsy amin’ny andro sahaza ihany; ary ilazao koa izy tsy hankeo anoloan’ilay Vatamasina izay misy rakotra volamena eo amboniny, sao ho faty izy satria hiseho anaty rahona eo ambonin’io rakotra volamena io Aho.»


Teo ambonin’io vata io dia nisy sarina kerobima mamirapiratra izay nanaloka ny toerana fanaovana sorom-panonerana. Tsy ary voalaza amin’ny antsipiriany etoana ny zavatra rehetra!