Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 23:16 - DIEM PROTESTANTA

Hankalazainareo manaraka izany ny fetin’ny fijinjana amin’ny fotoana ijinjanareo ny voaloham-bokatr’izay nafafinareo tany an-tsaha. Ary amin’ny faran’ny taona kosa no hankalazainareo ny fetim-bokatra, rehefa vitanareo avokoa ny famoriana ny vokatry ny fambolenareo any an-tsaha.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Tandremo koa ny andro firavoravoana amin’ny fijinjana ny voaloham-bokatry ny asanao izay nafafinao tany an-tsaha, sy ny andro firavoravoana amin’ny fanangonana amin’ny faran’ny taona, raha manangona ny vokatry ny asanao avy any an-tsaha ianao.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Hankalazainareo manaraka izany ny fetin’ny fijinjana amin’ny fotoana ijinjanareo ny voaloham-bokatr’izay nafafinareo tany an-tsaha. Ary amin’ny faran’ny taona kosa no hankalazainareo ny fetim-bokatra, rehefa vitanareo avokoa ny famoriana ny vokatry ny fambolenareo any an-tsaha.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Hotandremanao ny fetin’ny fijinjana, fetin’ny voaloham-bokatry ny asanao izay nafafinao tany an-tsaha; ary ny fetin’ny fanangonam-bokatra amin’ny faran’ny taona, izay hanangonanao ny vokatry ny asanao tany an-tsaha;

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary tandremo koa ny andro firavoravoana amin’ny fijinjana ny voaloham-bokatry ny asanao, izay nafafinao tany an-tsaha, sy ny andro firavoravoana amin’ny fanangonana amin’ny faran’ny taona, raha manangona ny vokatry ny asanao avy any an-tsaha hianao.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary tandremo koa ny andro firavoravoana amin'ny fijinjana ny voaloham-bokatry ny asanao, izay nafafinao tany an-tsaha, sy ny andro firavoravoana amin'ny fanangonana amin'ny faran'ny taona, raha manangona ny vokatry ny asanao avy any an-tsaha ianao.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Tandremo koa ny andro firavoravoana amin’ny fijinjana ny voaloham-bokatry ny asanao izay nafafinao tany an-tsaha, sy ny andro firavoravoana amin’ny fanangonana amin’ny faran’ny taona, raha manangona ny vokatry ny asanao avy any an-tsaha ianao.

Jereo ny toko



Eksodosy 23:16
17 Rohy Ifampitohizana  

Avy eo dia nanao ny fankalazana ny Tranotomboka araka ny voasoratra koa ny Israelita ka nanolotra sorona dorana manontolo isan’andro araka izay voafetra hatao isan’andro.


«Aza avelanareo ho tratra aoriana ny fanateranareo amiko ny santa-bokatrareo sy ny santatry ny divainareo. «Tsy maintsy hatokanareo ho Ahy ny lahimatoanareo.


«Momba ny voalohan-teraky ny ombivavy na voalohan-teraky ny ondry aman’osy, dia avelao ho eo amin’ny reniny ihany mandritra ny fito andro; fa amin’ny andro fahavalo izy dia atero ho sorona ho Ahy.


«Ankalazao ny fetin’ny Pentekôsta amin’ny fotoana hijinjanareo ny santa-bary, ary ny fetim-bokatra amin’ny fararano.


Anomezo voninahitra ny TOMPO ireo fanananao sy izay voaloham-bokatrao rehetra.


«Amin’ny andro voalohan’ny volana fahafito dia hisy fivoriana masina ho anareo, ka tsy hanao ny asa fanaonareo andavanandro ianareo fa andro fitsofana trompetra izany.


Efa akaiky kosa ny fankalazana fanaon’ny Jiosy, dia ny fankalazana ny Tranolay;


Tamin’ilay andro lehibe famaranana ny fankalazana, dia nijoro i Jesoa ka niantso mafy hoe: –Raha misy olona mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy;


Nony tonga ny andro Pentekôsta, dia tafangona teo amin’io efitrano io ihany ny mpino rehetra.


dia makà ampahan’ny voaloham-bokatra rehetra azonareo avy amin’ny tany izay omen’ny TOMPO Andriamanitrareo anareo, ka ataovy an-tsobika izany. Dia mankanesa amin’ny toerana izay hofidin’ny TOMPO Andriamanitrareo mba hipetrahan’ny voninahiny;