Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jaona 7:37 - DIEM PROTESTANTA

37 Tamin’ilay andro lehibe famaranana ny fankalazana, dia nijoro i Jesoa ka niantso mafy hoe: –Raha misy olona mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

37 Tamin’ny andro farany, izay andro lehibe tamin’ny andro firavoravoana, dia nitsangana Jesosy ka niantso hoe: Raha misy olona mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy ka hisotro.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

37 Tamin’ilay andro lehibe famaranana ny fankalazana, dia nijoro i Jesoa ka niantso mafy hoe: –Raha misy olona mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

37 Tamin’ny andro lehibe famaranana ny fety, dia nitsangana i Jesoa ka niantso hoe: «Raha misy mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy ka hisotro.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

37 Ary tamin’ny andro farany, izay andro lehibe tamin’ny andro firavoravoana, dia nitsangana Jesosy ka niantso nanao hoe: Raha misy olona mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy ka hisotro.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

37 Ary tamin'ny andro farany, izay andro lehibe tamin'ny andro firavoravoana, dia nitsangana Jesosy ka niantso nanao hoe: Raha misy olona mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy ka hisotro.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

37 Tamin’ny andro farany, izay andro lehibe tamin’ny andro firavoravoana, dia nitsangana Jesosy ka niantso hoe: Raha misy olona mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy ka hisotro.

Jereo ny toko dika mitovy




Jaona 7:37
50 Rohy Ifampitohizana  

Isan’andro isan’andro, hatreo amin’ny andro voalohan’io fankalazana io ka hatrany amin’ny andro farany, dia novakîna ny teny tao amin’ny boky mirakitra ny lalànan’Andriamanitra. Naharitra fito andro ny fety; ary tamin’ny andro fahavalo dia nisy fanompoam-pivavahana famaranana nivorian’ny vahoaka, araka ny fanao.


Mivavaka manandra-tanana aminao aho; ny fanahiko eo anatrehanao dia tahaka ny tany mangentana. Fiatoana


Tahaka ny diera maniry ranovelona no aniriako Anao, Andriamanitra ô.


Salamo nataon’i Davida, fony izy tany an-taniefitr’i Joda .


Miantso mafy eny ankalamanjana ny Fahendrena ka manandra-peo eny an-kianja malalaka.


Injany fa miantso ny Fahendrena ary manandra-peo ny fahaiza-manavaka.


Izaho dia tia izay tia ahy; ary izay mikatsaka ahy no hahita ahy.


Eo anilan’ny vavahady fidirana ny tanàna sy toeram-pandalovan’olona no iantsoantsoany hoe:


Ireo mpanompovaviny no nirahiny eny amin’ny toerana avo indrindra ao an-tanàna mba hiantsoantso izao fanasana izao:


Tonga eto an-jaridainako aho, ry havako fofombadiko, ka mioty ny miorako mbamin’ny zava-manitro, sy mihinan-tantely avy amin’ny tohotra, ary misotro ny divaiko sy ny rononoko. «Mihinàna ianareo, ry sakaiza, ka misotroa; ary aoka ianareo ho sondriam-pitia.»


Amim-pifaliana no hantsakanareo eo amin’ny loharanom-pamonjena.


Omeo toky i Jerosalema ka antsoantsoy aminy fa tapitra ny asa an-terivozona sady vita ny sazy nahatra taminy; ary efa nandray indroa heny tamin’ny tanan’ny TOMPO izy ho avotry ny fahotana rehetra nataony.»


Misy feo manao hoe: «Miantsoa.» fa hoy ny famaliko azy: «Inona no antso hataoko?» Dia niteny indray izy hoe: «Izao no antso hataonao: Mihelina toy ny ahitra ny olona rehetra, toy ny voninkazo eny an-tsaha ny faharetany:


Fa hanosaka rano amin’izay mangetaheta Aho sy hampandriaka renirano amin’ny tany mangentana. Hatosako amin’ny zanakao ny Fanahiko ary amin’ny taranakao ny fitahiako.


He! Ianareo rehetra izay mangetaheta, mankanesa amin’ny rano omeko! Na dia tsy manam-bola aza ianareo, avia maka sakafo, dia mihinàna fa tsy ialam-bola izany; avia maka divay na ronono, fa tsy vidina izany.


Mankanesa atỳ amiko ianareo, ka manongilàna sofina; henoy Aho, dia ho velombelona indray ny tenanareo. Hanaovako fanekempihavanana mandrakizay ianareo ka homeko ny fitahiana nampanantenaiko an’i Davida:


Miantsoa mafy, fa aza atao malemy. Ataovy avo toy ny trompetra ny feonao. Vakio bantsilana amin’ny vahoakako ny fikomiany ary amin’ny taranak’i Jakôba ny fahotany.


–TOMPO ô, Ianao no heriko sady mpiaro ahy, fialofako amin’ny androm-pahoriako. Hankany aminao ireo firenen-kafa avy any am-paran’ny tany sady ho loa-bolana hoe: «Tena fitaka ny fivavahana izay nolovanay tamin’ny razanay, fa tsinontsinona sady tsy mahasoa.


«Ndeha ataovy antso avo ao Jerosalema fa izao no lazaiko: «Tsaroako ny toetranao fahiny, ry Israely. Endrey izany fifikiranao tamiko fony ianao mbola tanora! Endrey izany fitiavanao Ahy fony ianao mbola fofombadiko! Nanaraka Ahy hatrany an-taniefitra ianao, tany amin’ny faritany tsy nisy zava-maniry.


Hifanaretsaka ny zava-miaina isan-karazany ary hitombo marobe ny trondro, na aiza na aiza hivarinan’ilay ony. Fa hanadio ny ranomasina izany; ka any amin’izay hivarinany dia hitondrany aina.


Isan’andro, mandritra ireo fito andro ireo, dia sorona levonina amin’ny afo no haterinareo ho AHY. Ny andro fahavalo dia hisy indray fanompoam-pivavahana hivorianareo ka mbola hanateranareo sorona levonina amin’ny afo koa ho AHY; andro lehibe famaranana ny fankalazana izany, ka aza anaovana ny raharaha andavanandro.


«Ny andro faha-15, amin’ny volana fahafito, rehefa voaangonareo ny vokatry ny tany, dia hanao fankalazana ianareo, ho fanajana Ahy TOMPO mandritra ny fito andro; ka ny andro voalohany sy fahavalo dia ho andro fitsaharana.


Fahendrena ny manaja ny TOMPO! Miantso ny ao an-drenivohitra Izy manao hoe: «Mihainoa, ianareo ry fokon’i Joda sy ry loholona mivory eto an-drenivohitra!


Ny Tompon’izao rehetra izao hiaro ny vahoakany; ka havandra vaventy no halefany hamotika sy hanorotoro ny fahavalony; dia hataony mikoriana ny ran’ireo ka hampiely ny ran’ny fahavalony mova tsy tahaka ny divay, na koa tahaka ny ram-biby atao sorona izay mameno ny tsangambava famafazana sy mandrakotra ny zoron’ny alitara.


«Ary amin’ny andro fahavalo, dia hisy fivoriana famaranana ny fetinareo, ka tsy hanao ny asa fanao andavanandro ianareo.


Mankanesa atỳ amiko ianareo rehetra torovana sy vesaran’ny lalàna, fa Izaho no hanome fialan-tsasatra anareo.


Izy no ilay voalazan’ny Tompo tamin’ny alalan’i Isaià mpaminany hoe: «Injany misy feon’olona miantso mafy ao an-taniefitra hoe: Amboary ny lalan’ny Tompo; ahitsio ny hizorany!»


Sambatra izay maniry mafy hanao ny marina nosoritan’Andriamanitra, fa izy no homen’Andriamanitra fahafaham-po!


Dia hoy izy: –Izaho no «feon’olona miantso mafy ao an-taniefitra hoe: ahitsio ny lalan’ny Tompo», araka ny tenin’i Isaià mpaminanin’Andriamanitra.


Fa novalian’i Jesoa hoe: –Izaho no lalana sy fahamarinana ary aina; tsy misy olona mankany amin’ny Ray raha tsy amin’ny alalako.


Ka izao no navalin’i Jesoa an-dravehivavy: –Raha mba fantatrao ny fanomezan’Andriamanitra ka fantatrao Ilay miteny aminao hoe: «mba omeo rano Aho hosotroiko», dia ianao no ho nangataka taminy ka homeny ranovelona.


Dia hoy ravehivavy taminy: –Tsy manana fanovozana Ianao, Tompoko, sady lalina ny fantsakana; koa avy aiza no ahazoanao izany ranovelona izany?


Fa na iza na iza hisotro amin’ny rano izay homeko azy dia tsy hangetaheta na oviana na oviana; satria ny rano izay homeko azy dia hanjary loharano ao anatiny ka hiboiboika ho aina maharitra mandrakizay.


kanefa tsy mety manatona Ahy ianareo mba hahavelona aina anareo.


Ary hoy i Jesoa taminy: –Izaho no mofo manome ny aina! Izay manatona Ahy tsy mba ho noana intsony, ary izay mino Ahy tsy mba hangetaheta intsony;


Izay rehetra omen’ny Ray Ahy no hanatona Ahy; ary izay hanatona Ahy dia tsy horoahiko any ivelany,


Fa ny tenako dia fihinana tokoa; ary ny rako dia fisotro tokoa!


Koa raha nampianatra tao an-kianjan’ny tempoly i Jesoa, dia niantso mafy hoe: –Izaho ve dia fantatrareo tokoa, ary fantatrareo tokoa ve ny ipoirako? Tsy avy amin’ny tenako no nahatongavako; fa azo antoka Ilay naniraka Ahy, saingy ianareo tsy mahalala Azy.


Tsy azonareo atao ny hisotro ny fisotro aroson’ny Tompo no sady hisotro ny fisotro aroson’ny demony; tsy azonareo atao ny hiombona anjara amin’ny sakafo aroson’ny Tompo no sady hiombona anjara amin’ny sakafo aroson’ny demony.


ary nisotro fisotrom-panahy iray ihany izy rehetra; satria nisotro teo amin’ilay vatolampy ara-panahy tafara-dia taminy: ka izany vatolampy izany dia i Kristy.


Taorian’ny sakafo, dia noraisiny toy izany koa ny kaopy masina sady nataony hoe: «Ity kaopy ity dia ilay fanekempihavanana vaovao, aorin’Andriamanitra amin’ny rako. Izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy, isaky ny misotro amin’ny kaopy masina ianareo.»


Isika rehetra manko, na Jiosy na hafa firenena, na mpanompo na tsy mpanompo, dia iray ny Fanahy Masina nanaovana batisa antsika mba ho tena iray ihany isika; ary iray ny Fanahy Masina nampisotroana antsika rehetra.


Aza mimamo divay ianareo, satria fanaranam-po amin’ny ratsy no vokatr’izany; fa aoka ho feno ny Fanahy Masina.


Dia hoy indray Izy tamiko: –Tanteraka ny zavatra rehetra! Izaho no Alfa sy Ômega, fiandohana sy fiafarana. Izay mangetaheta dia hampisotroiko maimaimpoana amin’ny loharano miboiboika ranovelona.


Dia nasehon’ny anjely tamiko ity onin-dranovelona manganohano toy ny vato kristaly, nivoaka avy teo amin’ilay sezafiandrianana ipetrahan’Andriamanitra sady ipetrahan’ny Zanakondry.


Ary hoy ny Fanahy Masina sy ny ampakarina hoe: «Avia!» Izay mahare, aoka hanao hoe: «Avia!» Izay mangetaheta, aoka ho avy; izay maniry ranovelona, aoka hanovo maimaimpoana amin’izany!


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra