Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jaona 7:37 - Baiboly Protestanta Malagasy

37 Ary tamin’ny andro farany, izay andro lehibe tamin’ny andro firavoravoana, dia nitsangana Jesosy ka niantso nanao hoe: Raha misy olona mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy ka hisotro.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

37 Tamin’ny andro farany, izay andro lehibe tamin’ny andro firavoravoana, dia nitsangana Jesosy ka niantso hoe: Raha misy olona mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy ka hisotro.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

37 Tamin’ilay andro lehibe famaranana ny fankalazana, dia nijoro i Jesoa ka niantso mafy hoe: –Raha misy olona mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy;

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

37 Tamin’ilay andro lehibe famaranana ny fankalazana, dia nijoro i Jesoa ka niantso mafy hoe: –Raha misy olona mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

37 Tamin’ny andro lehibe famaranana ny fety, dia nitsangana i Jesoa ka niantso hoe: «Raha misy mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy ka hisotro.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

37 Ary tamin'ny andro farany, izay andro lehibe tamin'ny andro firavoravoana, dia nitsangana Jesosy ka niantso nanao hoe: Raha misy olona mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy ka hisotro.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

37 Tamin’ny andro farany, izay andro lehibe tamin’ny andro firavoravoana, dia nitsangana Jesosy ka niantso hoe: Raha misy olona mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy ka hisotro.

Jereo ny toko dika mitovy




Jaona 7:37
50 Rohy Ifampitohizana  

Ary namaky ny teny tao amin’ny bokin’ny lalàn’Andriamanitra isan-andro isan-andro izy hatramin’ny andro voalohany ka hatramin’ny andro farany. Ary nanao andro firavoravoana hafitoana izy; ary tamin’ny andro fahavalo dia fara-fivoriana araka ny fanao.


Mananty tànana aminao aho; Ny fanahiko dia tahaka ny tany mangentana eo anatrehanao. [Sela.]


Mangetaheta an’Andriamanitra ny fanahiko, dia Andriamanitra velona; Rahoviana no ho tonga aho ka hiseho eo anatrehan’Andriamanitra?


Salamo nataon’i Davida, fony tany an-efitr’i Joda izy. ANDRIAMANITRA ô, Andriamanitro Hianao; Mitady Anao fatratra aho; Mangetaheta Anao ny fanahiko, maniry Anao ny nofoko Eto amin’ny tany maina sy mangentana tsy misy rano;


NY fahendrena miantso mafy eny ivelany; Manandratra ny feony eny an-kalalahana izy;


TSY miantso va ny fahendrena, Ary tsy manandra-peo va ny fahalalana?


Tiako izay tia ahy; Ary izay fatra-pitady ahy dia hahita ahy.


Eo anilan’ny vavahady, amin’ny fidirana ho ao an-tanàna, Sy eo anaty vavahady no iantsoany mafy hoe:


Ary efa naniraka ny ankizivaviny izy; Miantso eny an-tampon’ny fitoerana avo any an-tanàna izy ka manao hoe:


Efa tonga eto an-tsahako aho, ry havako ampakariko; Mioty ny miorako mbamin’ny zava-manitro aho; Efa homana ny toho-tanteliko mbamin’ny tanteliko aho, Ary efa misotro ny divaiko mbamin’ny rononoko; Homàna hianareo, ry sakaizako, Misotroa, eny, mivokisa divay, ry malala.


Koa amin’ny fifaliana no hantsakanareo rano Amin’ny loharanom-pamonjena.


Mitoria teny soa mahafaly amin’i Jerosalema, ka lazao aminy Fa vita ny adiny, Sady voavela ny helony, Ary efa nandray indroa heny tamin’ny tànan’i Jehovah izy Ho valin’ny fahotana rehetra nataony.


Injany! misy miteny hoe: Miantsoa. Ary hoy izy: Ahoana anefa no antso hataoko? Ahitra ny nofo rehetra, Ary ny hatsaran-tarehiny rehetra dia tahaka ny vonin-javatra any an-tsaha;


Fa handatsaka rano amin’izay mangetaheta Aho, Ary riaka ho amin’izay tany karankaina; Eny, handatsaka ny Fanahiko amin’ny taranakao Aho Ary ny fitahiako ho amin’ny terakao;


HE! hianareo rehetra izay mangetaheta, Mankanesa amin’ny rano! Ary hianareo izay tsy manam-bola, Avia, mividia, ka homana! Eny, avia, mividia divay sy ronono, Nefa tsy amim-bola, na amin-karena.


Atongilano ny sofinareo, ka mankanesa atỳ amiko,– Mihainoa, dia ho velombelona ny fanahinareo; Ary hanao fanekena mandrakizay aminareo Aho, Dia ny famindrampo mahatoky nampanantenaina an’i Davida.


EZAHO ny fiantsonao, fa aza atao malemy, Asandrato ny feonao ho tahaka ny an’ny anjomara, Ka ambarao amin’ny oloko ny fahadisoany Ary amin’ny taranak’i Jakoba ny fahotany;


Jehovah ô, ry heriko sy fiarovana mafy ho ahy Ary fandosirako amin’ny andro fahoriana ô! Ho tonga aminao ny jentilisa avy any amin’ny faran’ny tany Ka hanao hoe: Eny, tokoa lainga no nolovan’ny razanay, Dia zava-poana sady tsy misy mahasoa.


Mandehana, ka miantsoa eo anatrehan’i Jerosalema hoe: Izao no lazain’i Jehovah: Tsaroako ny niraiketan’ny fonao tamiko, fony hianao mbola tanora, Sy ny fitiavanao, fony hianao vao nampakarina, Dia ilay nanarahanao Ahy tany an-efitra, Teny amin’ny tany tsy mbola nifafy zavatra;


Ary ny zava-manan-aina rehetra sesehena na aiza na aiza alehan’ny ony tondraka dia ho velona, ka hisy hazandrano sesehena; fa nony tonga ao ity rano ity, dia ho sitrana izy, ary ho velona izay rehetra hidiran’ny ony.


Hafitoana no hanateranareo fanatitra atao amin’ny afo ho an’i Jehovah; ary amin’ny andro fahavalo dia hisy fivoriana masina ho anareo koa, ka hanatitra fanatitra atao amin’ny afo ho an’i Jehovah hianareo; fara-fivoriana izany, koa aza manao tao-zavatra akory.


Ary amin’ny andro fahadimy ambin’ny folo amin’ny volana fahafito, raha manangona ny vokatry ny tany hianareo, dia tandremo ny andro firavoravoana hafitoana ho an’i Jehovah; ny andro voalohany dia andro fitsaharana, ary ny andro fahavalo dia andro fitsaharana koa.


Manaitra ny tanàna ny feon’i Jehovah, Ary mahita ny anaranao ny hendry; Henoinareo ny tsorakazo sy Izay nanendry azy.


Ary Jehovah, Tompon’ny maro, no hiaro ireny; Dia hihinana ireny ka hanitsakitsaka vaton’antsamotady; Ary hisotro ireny ka hihorakoraka tahaka ny azon’ny divay, Ary ho feno toy ny lovia famafazana ireny, dia toy ny zoron’ny alitara.


Ary amin’ny andro fahavalo dia hisy fara-fivoriana ho anareo; aza manao tao-zavatra akory.


Mankanesa atỳ amiko, hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana.


Fa izy no ilay nampilazaina an’Isaia mpaminany hoe: ,,Injany! misy feon’ny miantso mafy any an-efitra hoe: Amboary ny làlan’i Jehovah, Ataovy mahitsy ny làlan-kalehany’’ (Isa. 40.3).


Sambatra ny noana sy mangetaheta ny fahamarinana; fa izy no hovokisana.


Dia hoy izy: ,,Izaho dia feon’ny miantso mafy any an-efitra hoe: Ataovy mahitsy ny làlan’i Jehovah (Isa. 40.3), araka izay nolazain’Isaia mpaminany.


Hoy Jesosy taminy: Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alalako.


Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Raha fantatrao ny fanomezan’Andriamanitra sy Izay miteny aminao hoe: Omeo Aho hosotroiko, dia hianao no ho nangataka taminy, ka nomeny rano velona.


Hoy ravehivavy taminy: Tompoko, tsy manana fanovozana Hianao, sady lalina ny fantsakana; koa avy aiza no ahazoanao izany rano velona izany?


fa na iza na iza no misotro ny rano izay homeko azy dia tsy hangetaheta mandrakizay; fa ny rano izay homeko azy dia ho loharano miboiboika ao anatiny ho fiainana mandrakizay.


Kanefa tsy mety manatona Ahy hianareo hanananareo fiainana.


Hoy Jesosy taminy: Izaho no mofon’aina; izay manatona Ahy tsy mba ho noana, ary izay mino Ahy tsy mba hangetaheta intsony.


Izay rehetra omen’ny Raiko Ahy no hanatona Ahy; ary izay manatona Ahy dia tsy mba holaviko mihitsy.


Fa ny nofoko no tena fihinana, ary ny rako no tena fisotro.


Dia niantso teo an-kianjan’ny tempoly Jesosy, raha nampianatra, ka nanao hoe: Izaho dia fantatrareo, sady fantatrareo koa izay nihaviako; ary tsy avy ho Ahy Aho, fa marina ny naniraka Ahy, Izay tsy fantatrareo.


Tsy mahazo misotro amin’ny kapoaky ny Tompo sy ny kapoaky ny demonia hianareo; tsy mahazo mihinana amin’ny latabatry ny Tompo sy ny latabatry ny demonia hianareo.


ary izy rehetra nisotro ny fisotrom-panahy iray ihany; fa nisotro tamin’ny vatolampy fanahy izay nanaraka azy izy, ary Kristy izany vatolampy izany.


Dia araka izany koa ny kapoaka, rehefa nihinana, dia hoy Izy: Ity kapoaka ity no ilay fanekena vaovao amin’ny rako; izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy, na oviana na oviana no misotro hianareo.


Fa Fanahy iray ihany no nanaovam-batisa antsika rehetra ho tena iray, na Jiosy na jentilisa, na andevo na tsy andevo; ary isika rehetra dia efa nampisotroina ny Fanahy iray.


Ary aza ho mamon-divay hianareo, fa amin’izany dia misy fanaranam-po amin’ny ratsy, fa aoka hofenoina ny Fanahy,


Ary hoy koa Izy tamiko: Tanteraka ireo. Izaho no Alfa sy Omega, ny fiandohana sy ny fiafarana. Izaho hanome maimaimpoana amin’ny loharanon’ny ranon’aina ho an’izay mangetaheta.


Ary izy naneho ahy onin’ny ranon’aina, manganohano tahaka ny vato krystaly, nivoaka avy teo amin’ny seza fiandrianan’Andriamanitra sy ny Zanak’ondry


Ny Fanahy sy ny ampakarina manao hoe: Avia; ary aoka izay mahare hanao hoe: Avia. Ary aoka ho avy izay mangetaheta; ary izay mety, aoka izy hisotro maimaimpoana amin’ny ranon’aina.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra