Tsy homenay ho vadin’ny valovotaka ny zanakavavinay; ary tsy halainay ho vadin’ny zanakalahinay ny zanakavavin’ireo valovotaka.
Eksodosy 23:11 - DIEM PROTESTANTA fa amin’ny taona fahafito dia tsy maintsy avelanareo hitsahatra tanteraka ny tany. Ny mahantra iray firenena aminareo amin’izay dia hahita hohanina, ary ny sisa dia hohanin’ny bibidia. Toy izany koa no hataonareo amin’ny tanimboalobokareo sy ny tanin’ôlivanareo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 fa amin’ny taona fahafito kosa dia hatsahatrao tsy hovolena izany mba hisy hohanin’ny mahantra ao amin’ny firenenao; ary izay sisan’ireo kosa dia mba hohanin’ny biby any an-tsaha. Toy izany koa no hataonao amin’ny tanim-boalobokao sy amin’ny tanin’olivanao. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara fa amin’ny taona fahafito dia tsy maintsy avelanareo hitsahatra tanteraka ny tany. Ny mahantra iray firenena aminareo amin’izay dia hahita hohanina, ary ny sisa dia hohanin’ny bibidia. Toy izany koa no hataonareo amin’ny tanimboalobokareo sy ny tanin’ôlivanareo. Baiboly Katolika Fa amin’ny taona fahafito, avelao izy fa aza kasihina, ary hohanin’ny mahantra eo amin’ny firenenao ary hohanin’ny biby any an-tsaha ny sisa tsy lany. Torak’izany koa no hataonao amin’ny tanimboalobokao sy ny ôlivanao. Baiboly Protestanta Malagasy fa amin’ny taona fahafito kosa dia hatsahatrao tsy hovolena izy, mba hisy hohanin’ny malahelo amin’ny firenenao; ary izay sisan’ireo dia mba hohanin’ny biby any an-tsaha kosa. Toy izany koa no hataonao amin’ny tanimboalobokao sy amin’ny taninolivanao. Malagasy Bible fa amin'ny taona fahafito kosa dia hatsahatrao tsy hovolena izy, mba hisy hohanin'ny malahelo amin'ny firenenao; ary izay sisan'ireo dia mba hohanin'ny biby any an-tsaha kosa. Toy izany koa no hataonao amin'ny tanim-boalobokao sy amin'ny tanin'olivanao. La Bible en Malgache fa amin’ny taona fahafito kosa dia hatsahatrao tsy hovolena izany mba hisy hohanin’ny mahantra ao amin’ny firenenao; ary izay sisan’ireo kosa dia mba hohanin’ny biby any an-tsaha. Toy izany koa no hataonao amin’ny tanim-boalobokao sy amin’ny tanin’olivanao. |
Tsy homenay ho vadin’ny valovotaka ny zanakavavinay; ary tsy halainay ho vadin’ny zanakalahinay ny zanakavavin’ireo valovotaka.
Raha misy vary na entana hafa amidin’ny valovotaka amin’ny andro sabata na amin’ny andro fety, dia tsy hovidinay; ary, isaky ny taona fahafito, dia tsy hambolenay ny tany sady hafoinay ny trosa rehetra.
«Mandritra ny enin-taona misesy no ahazoanareo mamafy ny taninareo sy mijinja ny vokatra avy aminy;
«Enina andro no hanaovanareo ny raharahanareo fa amin’ny andro fahafito dia hitsahatra ianareo mba hahazoan’ny ombinareo sy ny borikinareo miala sasatra, ary mba hahazoan’ny mpanomponareo sy ny vahiny maka aina.
«Angamba ianareo hanontany anakampo hoe: ‹Inona no hohaninay amin’ny taona fahafito, rehefa tsy manao famafazam-bary na fanangonam-bokatra izahay?›
Amin’ny taona fahavalo, dia hanao famafazam-bary ianareo kanefa mbola hihinana ny vokatra voaangona taloha; hatrany amin’ny taona fahasivy, mandra-pahatongan’ny fiakaram-bokatra, dia mbola afaka hihinana izany vokatra voaangona taloha izany ihany ianareo.
Tsy tany tondra-dronono sy tantely akory no nitondranao anay ary tsy saha na tanimboaloboka akory koa no nomenao ho fanananay! Heverinao ho poa-maso angaha ireo olona ireo? Tsia, tsy ho any izahay!
Koa satria hisy mandrakariva ny mahantra eo amin’ny taninareo, dia izany no andidiako anareo hoe: Sokafy tsara amin’ny mpiray firenena aminareo ny tananareo, dia amin’ny ory sy mahantra eo amin’ny taninareo.