Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 16:14 - DIEM PROTESTANTA

14 Tsy tany tondra-dronono sy tantely akory no nitondranao anay ary tsy saha na tanimboaloboka akory koa no nomenao ho fanananay! Heverinao ho poa-maso angaha ireo olona ireo? Tsia, tsy ho any izahay!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

14 Ary ianao dia tsy nitondra anay akory ho any amin’izay tany tondra-dronono sy tantely na nanome anay saha sy tanim-boaloboka ho fanananay, koa hopotsirinao ary va ny mason’ireto lehilahy ireto? Tsy hiakatra izahay!

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

14 Tsy tany tondra-dronono sy tantely akory no nitondranao anay ary tsy saha na tanimboaloboka akory koa no nomenao ho fanananay! Heverinao ho poa-maso angaha ireo olona ireo? Tsia, tsy ho any izahay!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

14 Eh, tsy tany tondra-dronono sy tantely no nitondranao anay; tsy saha aman-tanimboaloboka no natolotrao ho fanananay! Heverinao hopotsirina angaha ny mason’ireto olona ireto? Izahay tsy hiakatra.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

14 Ary koa, hianao tsy nitondra anay ho any amin’izay tany tondra-dronono sy tantely tsinona, na nanome anay saha sy tanimboaloboka ho fanananay; hopotsirinao va ny mason’ireto lehilahy ireto? Tsy hiakatra izahay.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

14 Ary koa, ianao tsy nitondra anay ho any amin'izay tany tondra-dronono sy tantely tsinona, na nanome anay saha sy tanim-boaloboka ho fanananay; hopotsirinao va ny mason'ireto lehilahy ireto? Tsy hiakatra izahay.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 16:14
12 Rohy Ifampitohizana  

«Raha misy olona mandoro lobolobo misy tsilo ka mitatra amin’ny antontam-bary na vary hojinjana na tanimboly ny afo, dia tsy maintsy hanonitra ny may ilay nandoro.


«Mandritra ny enin-taona misesy no ahazoanareo mamafy ny taninareo sy mijinja ny vokatra avy aminy;


fa amin’ny taona fahafito dia tsy maintsy avelanareo hitsahatra tanteraka ny tany. Ny mahantra iray firenena aminareo amin’izay dia hahita hohanina, ary ny sisa dia hohanin’ny bibidia. Toy izany koa no hataonareo amin’ny tanimboalobokareo sy ny tanin’ôlivanareo.


koa tapa-kevitra Izy fa hanaisotra anareo hiala amin’ny fahoriana atỳ ho any amin’ny tanin’ny Kanahanita sy ny Hetita, ny Amôrita sy ny Perizita, ary ny Hivita sy ny Jebosita, dia tany tondra-dronono sy tantely.»


Koa tafidina Aho mba hanafaka azy amin’ny fahefàn’ny Ejiptianina, ka hampiakatra azy hiala amin’ny tany Ejipta mba ho any amin’ny tany tsara sy midadasika, any amin’ny tany tondra-dronono sy tantely, dia ny toerana misy ny Kanahanita sy ny Hetita, ny Amôrita sy ny Perizita, ary ny Hivita sy ny Jebosita.


ary nahatonga Ahy hilaza aminareo hoe: ‹Ianareo no handova ny tany, ary Izaho no hanome azy ho lovanareo, dia tany tondra-dronono sy tantely!› Izaho no TOMPO Andriamanitrareo, Izay nanavaka anareo tamin’ny firenena samy hafa.


Izao no notantarain’ireo mpisafo tamin’i Mosesy: –Nankany amin’ny tany izay nanirahanao anay izahay, ka hitanay fa tany tondra-dronono sy tantely tokoa ilay izy. Itony no vokatra avy tany.


Raha ambinin’ny TOMPO isika, dia hoentiny any amin’io tany tondra-dronono sy tantely io ka homeny antsika izany.


Nahoana no nampialanareo tany Ejipta izahay ka nentinareo atỳ amin’ny tany ratsy atỳ, izay tsy azo amafazana akory sady tsy misy aviavy na voaloboka na ampongabendanitra na rano hosotroina akory?


Kinanjo nosamborin’ny Filistinina izy ary nopotsiriny ny masony. Dia nentiny nankany Gazà izy ary nafatony tamin’ny rojo halimo roa sosona sy notereny hitoto koba tao an-tranomaizina.


Fa hoy ny navalin’i Nahasy azy: –Sitrako ny hanao fanekena aminareo raha toa ka hopotseriko avokoa ny masonareo ankavanana; fa ny hahafa-baràka an’i Israely manontolo mihitsy no tadiaviko.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra