Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 16:15 - DIEM PROTESTANTA

15 Tezitra aoka izany i Mosesy ka niteny tamin’ny TOMPO hoe: –Aza raharahainao akory izay fanatitr’izy ireo! Fa tsy mba naka na dia boriky iray taminy akory aza aho, ary koa tsy mba nanisy ratsy na dia ny anankiray taminy akory aza.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

15 Dia tezitra indrindra i Mosesy ka niteny tamin’NY TOMPO hoe: Aza mijery ny fanatiny akory Ianao. Tsy naka taminy aho na dia boriky iray akory aza ary tsy nanisy ratsy na dia tamin’ny iray aminy akory aza aho.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

15 Tezitra aoka izany i Mosesy ka niteny tamin’ny TOMPO hoe: –Aza raharahainao akory izay fanatitr’izy ireo! Fa tsy mba naka na dia boriky iray taminy akory aza aho, ary koa tsy mba nanisy ratsy na dia ny anankiray taminy akory aza.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

15 Tezitra indrindra i Môizy, ka hoy izy tamin’i Iaveh: «Aza asianao raharaha akory izay fanatitr’ireo, fa tsy mba naka tamin’ireo aho, na dia ampondra iray aza, ary tsy nisy nasiako ratsy ireo na dia iray aza.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

15 Dia tezitra indrindra Mosesy ka nanao tamin’i Jehovah hoe: Aza mijery ny fanatiny akory Hianao; tsy naka na dia boriky iray akory aza taminy aho, ary tsy nanisy ratsy na dia tamin’ny anankiray aminy akory aza.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

15 Dia tezitra indrindra Mosesy ka nanao tamin'i Jehovah hoe: Aza mijery ny fanatiny akory Hianao; tsy naka na dia boriky iray akory aza taminy aho, ary tsy nanisy ratsy na dia tamin'ny anankiray aminy akory aza.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

15 Dia tezitra indrindra i Mosesy ka niteny tamin’NY TOMPO hoe: Aza mijery ny fanatiny akory Ianao. Tsy naka taminy aho na dia boriky iray akory aza ary tsy nanisy ratsy na dia tamin’ny iray aminy akory aza aho.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 16:15
18 Rohy Ifampitohizana  

fa voatandriko ny sori-dalan’ny TOMPO ary tsy ivadihako ilay Andriamanitro;


Raha vao nanatona ny toby izy, dia hitan’i Mosesy ny sarivongana ombilahikely sy ny vahoaka nandihy. Tezitra i Mosesy, ka natsipiny ny vatofisaka teny an-tanany sady nopotipotehiny teo am-pototry ny tendrombohitra.


Zava-maharikoriko ny sorona ataon’ireo olon-dratsy, indrindra fa amin-kafetsena no anolorany azy.


I Mosesy kosa dia lehilahy malemy fanahy mihoatra noho ny olona hafa rehetra ambonin’ny tany.


Dia hoy i Mosesy tamin’i Kôra: –Tongava eo anatrehan’ny TOMPO ianao sy ny namanao rahampitso miaraka amin’i Aharôna.


Izaho koa milaza aminareo hoe: izay rehetra tezitra amin’ny namana iray finoana dia mendrika hatolotra ny fitsarana isan-tanàna; izay hanao ny namana iray finoana hoe: misy kely, dia mendrika hatolotra ny Fitsarana ambony; izay hanao azy hoe: foka, dia mendrika havarina any amin’ny lohasahan’afo.


Dia tezitra i Jesoa nanopy maso manodidina nijery azy ireo, sady nalahelo tokoa noho ny hamafin’ny fony, ka niteny tamin-dralehilahy hoe: –Atsory ny tananao! Dia natsotran’ilay marary ny tanany ka sitrana.


Raha izaho anefa dia tsy nampiasa velively ireny zoko ireny; ary tsy hitaky ny hampiharana azy amiko no anoratako ny amin’izany. Fa aleoko maty toy izay... Tsy ekeko hofoanan’olona ny reharehako!


Izao manko no ireharehanay: ny fieritreretanay dia vavolombelona manambara fa ny fomba nitondranay tena teto amin’izao tontolo izao, indrindra teo aminareo, dia tamin’ny fahatsorana sy hitsimpo nomen’Andriamanitra; satria ny fahasoavan’Andriamanitra no nitarika anay fa tsy ny fahendren’olombelona.


Mba ataovy omby anay ny fonareo. Tsy nanisy ratsy olona izahay, na nanimba olona, na nanambaka olona.


Raha sendra tezitra ianareo, dia aza manota: aoka tsy ho tratry ny masoandro milentika ny fahatezeranareo.


Samy vavolombelonay, na ianareo na Andriamanitra, fa madio sy marina ary tsy manan-tsiny ny fitondrantenanay teo anoloanareo mpino.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra