Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 16:16 - DIEM PROTESTANTA

16 Dia hoy i Mosesy tamin’i Kôra: –Tongava eo anatrehan’ny TOMPO ianao sy ny namanao rahampitso miaraka amin’i Aharôna.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

16 Dia hoy i Mosesy tamin’i Kora: Aoka ianao sy ny antokonao rehetra ho tonga eo anatrehan’NY TOMPO rahampitso, dia ianao sy ireo namanao ary i Arona.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

16 Dia hoy i Mosesy tamin’i Kôra: –Tongava eo anatrehan’ny TOMPO ianao sy ny namanao rahampitso miaraka amin’i Aharôna.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

16 Hoy i Môizy tamin’i Kôre: «Rahampitso ianao sy ny tarikao rehetra mitoera eo anatrehan’i Iaveh, dia izy ireo sy ianao mbamin’i Aarôna.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

16 Dia hoy Mosesy tamin’i Kora: Aoka hianao sy ny namanao rehetra ho tonga eo anatrehan’i Jehovah rahampitso, dia hianao sy ireo ary Arona.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

16 Dia hoy Mosesy tamin'i Kora: Aoka ianao sy ny namanao rehetra ho tonga eo anatrehan'i Jehovah rahampitso, dia ianao sy ireo ary Arona.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

16 Dia hoy i Mosesy tamin’i Kora: Aoka ianao sy ny antokonao rehetra ho tonga eo anatrehan’NY TOMPO rahampitso, dia ianao sy ireo namanao ary i Arona.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 16:16
8 Rohy Ifampitohizana  

Avy eo dia nanome baiko an’i Aharôna i Mosesy hoe: –Ilazao avokoa ny vahoaka Israely mba ho tonga hiseho eo anatrehan’ny TOMPO, satria efa reny ny fimonomononan’izy ireo.


Tampoka teo dia hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy sy i Aharôna ary i Miriama: –Mankanesa ianareo telo mianadahy ao amin’ny Tranolay fihaonana. Dia nankany izy ireo.


Tezitra aoka izany i Mosesy ka niteny tamin’ny TOMPO hoe: –Aza raharahainao akory izay fanatitr’izy ireo! Fa tsy mba naka na dia boriky iray taminy akory aza aho, ary koa tsy mba nanisy ratsy na dia ny anankiray taminy akory aza.


Samia maka ny fitaovana fandoroany zava-manitra ka manisy vovo-javamanitra ao anatiny ary samia mitondra ny azy avy eo anatrehan’ny TOMPO; dia fitaovana fandoroana zava-manitra 250 izany no fitambarany. Hitondra ny azy avy koa ianao sy i Aharôna.


Izany zavatra izany no ampahatsiarovy ny olona, ka anaro mafy eo anatrehan’Andriamanitra izy mba tsy hiady teny; satria tsy mahasoa izany, fa mamohehatra ny mpihaino aza.


Inty ny tenako, omeo tsiny eto anatrehan’ny TOMPO sy ny mpanjaka voahosony, raha toa ka nisy ombin’olona na borikiny nangalariko, na koa nisy olona nambakaiko sy nampahoriko, na nisy olona nandraisako tsolotra ho tapi-maso aminy; fa vonona ny hanonitra izany aho.


Ary ankehitriny mitsangàna eto anatrehan’ny TOMPO, fa hambarako hitsara anareo ireo soa rehetra nataon’ny TOMPO taminareo sy ny razanareo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra