Ary rehefa lehibe ny zaza, dia nentiny tany amin’ny zanakavavin’ny Farao, ka nanjary zanany. Dia hoy ity andriambavy hoe: –Antsoiko hoe Mosesy izy satria avy tamin’ny rano nisarihako azy.
Eksodosy 2:21 - DIEM PROTESTANTA Nanaiky hipetraka tao amin’i Rehoela io i Mosesy. Nomen’ilay rangahy ho vadin’i Mosesy i Tsipôrà zanany vavy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary sitrak’i Mosesy ny hitoetra tao amin-dRalehilahy. Koa i Zipora zanany vavy dia nomeny ho vadin’i Mosesy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nanaiky hipetraka tao amin’i Rehoela io i Mosesy. Nomen’ilay rangahy ho vadin’i Mosesy i Tsipôrà zanany vavy. Baiboly Katolika Ary nanaiky hitoetra tao amin-dralehilahy i Môizy ka nomen’io ho vadiny i Sefôrà zanany vavy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary sitrak’i Mosesy ny hitoetra tao amin-dralehilahy. Ary Zipora zanani-vavy dia nomeny ho vadin’i Mosesy. Malagasy Bible Ary sitrak'i Mosesy ny hitoetra tao amin-dralehilahy. Ary Zipora zananivavy dia nomeny ho vadin'i Mosesy. La Bible en Malgache Ary sitrak’i Mosesy ny hitoetra tao amin-dRalehilahy. Koa i Zipora zanany vavy dia nomeny ho vadin’i Mosesy. |
Ary rehefa lehibe ny zaza, dia nentiny tany amin’ny zanakavavin’ny Farao, ka nanjary zanany. Dia hoy ity andriambavy hoe: –Antsoiko hoe Mosesy izy satria avy tamin’ny rano nisarihako azy.
Ary hoy i Rehoela tamin’ny zanany vavy: –Aiza anefa izany lehilahy izany? Nahoana izy no nilaozanareo any? Ndeha alao izy mba hiara-misakafo amintsika.
Niandry ny ondrin’i Jetrao rafozany, mpisorona tao Midiana i Mosesy. Indray andro, rehefa avy nitondra ny ondry aman’osy tany ankoatra ny taniefitra izy, dia tonga tao Hôreba tendrombohitr’Andriamanitra.
Nandeha niverina tany amin’i Jetrao rafozany i Mosesy ka nanao taminy hoe: –Mba avelao aho handeha hiverina any amin’ireo mpiray firenena amiko any Ejipta, hijery raha mbola velona ihany izy ireo na tsia. Dia hoy i Jetrao taminy: –Mandehana soa aman-tsara!
Hoy i Mosesy tamin’i Hôbaba zanakalahin’i Rehoela izay terak’i Midiana sady rafozandahin’i Mosesy: –Mandeha hankany amin’ny tany izay nolazain’ny TOMPO homena anay izahay. Ndeha hiaraka aminay ianao fa homenay anjara amin’ny zava-tsoa nampanantenain’ny TOMPO ho an’i Israely.
Nanome tsiny an’i Mosesy i Miriama sy i Aharôna noho ny nanambadiany vehivavy kosita, fa nampakatra vehivavy kosita tokoa izy.
Vao nandre izany teny izany i Mosesy, dia vaky nandositra ka nifindra monina tany Midiàna, ary nanan-janaka roa lahy tany.
fa naleony niara-nampahorîna tamin’ny vahoakan’Andriamanitra, toy izay hifaly amim-pahotana mandritra ny fotoana fohifohy.
Aza avela hahazo laka amin’ny fiainanareo ny fitiavam-bola; aoka ianareo hianina amin’izay anananareo, fa hoy Andriamanitra: «Tsy handao anao mihitsy Aho, ary tsy hahafoy anao velively.»
ary aoka Andriamanitra mampietry azy no hataon’ny havana mpanankarena ho reharehany, satria hihelina toy ny vonin’ireo ahitra eny an-tsaha ny mpanankarena.