Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Timoty 6:6 - DIEM PROTESTANTA

6 Eny, harem-be tokoa ny fivavahana ho an’ny olona mahay mianina amin’izay ananany;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

6 Fa misy tombontsoa lehibe tokoa ny toe-panahy araka an’Andriamanitra raha mahay mianina amin’izay ananana.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

6 Eny, harem-be tokoa ny fivavahana ho an’ny olona mahay mianina amin’izay ananany;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

6 Eny, harem-be tokoa ny fahazotoa-mivavaka, omban’ny fianinana;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

6 Fa misy tombony lehibe tokoa ny toe-panahy araka an’Andriamanitra omban’ny fianinana.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

6 Fa misy tombony lehibe tokoa ny toe-panahy araka an'Andriamanitra omban'ny fianinana.

Jereo ny toko dika mitovy




1Timoty 6:6
23 Rohy Ifampitohizana  

Koa mba avelao izahay ho any amoron’i Jôrdàna, samy haka hazo iray avy hanaovanay toeram-pivoriana vaovao any. Dia hoy i Elisà: –Mandehana àry.


Aleo ny kely ananan’ny olo-marina toy izay ny harem-ben’ny olon-dratsy,


Ny indray andro eo an-kianjan’ny tempolinao dia tsara kokoa noho ny arivo any an-toeran-kafa; koa eo am-baravaran’ny tranonao no aleoko ipetrahana, Andriamanitro ô, toy izay hitoetra ao amin’ny fonenan’ny olon-dratsy.


Nanaiky hipetraka tao amin’i Rehoela io i Mosesy. Nomen’ilay rangahy ho vadin’i Mosesy i Tsipôrà zanany vavy.


Aleo manan-kely ombàm-panajana ny TOMPO, toy izay manan-karembe difotra ahiahy.


Aleo manan-kely ombàm-pahamarinana toy izay ny karama be azo amin’ny tsy rariny.


Ny olona tia tena loatra no manetsika ady; fa izay matoky ny TOMPO kosa ho tretrika.


Tsy manao trano hipetrahanay izahay na manana tanimboaloboka na saha voavoly,


Dia hoy i Jesoa tamin’ny vahoaka: –Mitandrema! Aoka tsy ho voan’ny fangoronan-karena isan-karazany ianareo, fa ny ain’olona tsy miankina amin’ny habetsahan’ny fananany!


Nisy ihany koa miaramila nanontany azy hoe: –Mba inona kosa no tokony hataonay? Dia hoy izy taminy: –Aza maka zavatr’olona an-keriny na am-pitaka, fa aoka ianareo ho afa-po amin’ny karamanareo.


Fantatsika fa Andriamanitra dia miasa hahatonga ny zavatra rehetra hahasoa ny olona tia Azy, dia ny olona nantsoiny araka ny fikasany rahateo.


satria ny fahoriana maivana sy mandalo mihatra aminay dia miasa manomana voninahitra lehibe mihoa-pampana sady maharitra mandrakizay,


Fa amiko, dia i Kristy no fiainana; ary ny fahafatesana no ahazoako tombony.


Ny fampiasan-tena ara-batana dia mba mahasoa ihany, nefa tsy dia manao ahoana loatra; fa ny toe-panahy araka an’Andriamanitra kosa dia mahasoa amin’ny zavatra rehetra, satria mampanantena fiainana na ankehitriny na amin’ny ho avy.


Koa rehefa mba manan-kohanina sy hitafiana isika, dia aoka hianina amin’izany.


Aza avela hahazo laka amin’ny fiainanareo ny fitiavam-bola; aoka ianareo hianina amin’izay anananareo, fa hoy Andriamanitra: «Tsy handao anao mihitsy Aho, ary tsy hahafoy anao velively.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra