Nidina nankeo an-tampon’ny tendrombohitra Sinay ny TOMPO, ary niantso an’i Mosesy hiakatra teo; dia niakatra i Mosesy.
Eksodosy 19:3 - DIEM PROTESTANTA Ary niakatra ny tendrombohitra i Mosesy hihaona amin’Andriamanitra. Dia niantso an’i Mosesy avy tao an-tampon-tendrombohitra ny TOMPO ka nanao taminy hoe: –Izao no hambaranao amin’ny taranak’i Jakôba, dia ny Israelita. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary niakatra ho ao amin’Andriamanitra i Mosesy, dia niantso azy avy tao an-tendrombohitra NY TOMPO ka niteny hoe: Izao no holazainao amin’ny taranak’i Jakoba sy hambaranao amin’ny Zanak’Israely: Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary niakatra ny tendrombohitra i Mosesy hihaona amin’Andriamanitra. Dia niantso an’i Mosesy avy tao an-tampon-tendrombohitra ny TOMPO ka nanao taminy hoe: –Izao no hambaranao amin’ny taranak’i Jakôba, dia ny Israelita. Baiboly Katolika Niakatra ho ao amin’Andriamanitra i Môizy, dia nantsoin’i Iaveh tao antampon-tendrombohitra izy, ka nilazany hoe: «Izao no holazainao amin’ny taranak’i Jakôba sy hambaranao amin’ny zanak’i Israely: Baiboly Protestanta Malagasy Ary Mosesy niakatra ho ao amin’Andriamanitra, dia niantso azy Jehovah tao an-tendrombohitra ka nanao hoe: Izao no holazainao amin’ny taranak’i Jakoba sy hambaranao amin’ny Zanak’Isiraely: Malagasy Bible Ary Mosesy niakatra ho ao amin'Andriamanitra, dia niantso azy Jehovah tao an-tendrombohitra ka nanao hoe: Izao no holazainao amin'ny taranak'i Jakoba sy hambaranao amin'ny Zanak'Isiraely: La Bible en Malgache Ary niakatra ho ao amin’Andriamanitra i Mosesy, dia niantso azy avy tao an-tendrombohitra NY TOMPO ka niteny hoe: Izao no holazainao amin’ny taranak’i Jakoba sy hambaranao amin’ny Zanak’Israely: |
Nidina nankeo an-tampon’ny tendrombohitra Sinay ny TOMPO, ary niantso an’i Mosesy hiakatra teo; dia niakatra i Mosesy.
Dia nijanona teny lavitra teny ny Israelita, fa i Mosesy kosa nanatona ny rahona matevina izay nisy an’Andriamanitra.
Hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Miakara etỳ akaikiko etỳ an-tendrombohitra, ary mijanòna eo. Homeko anao ny vatofisaka izay nanoratako ny didy aman-dalàna mba hampianarinao ny Israelita.
Dia niakatra teo an-tendrombohitr’Andriamanitra i Mosesy, niaraka tamin’i Josoa mpanompony,
Ary hoy Andriamanitra hoe: –Homba anao tokoa Aho; ary izao no porofo fa Izaho no naniraka anao: rehefa avy namoaka ny vahoaka israelita avy tany Ejipta ianao, dia hanao fanompoam-pivavahana amiko eto amin’ity tendrombohitra ity ianareo.
Rehefa hitan’ny TOMPO fa nanatona mba hizaha i Mosesy, dia tao afovoan’ny roimemy Izy no niantso azy nanao hoe: –Ry Mosesy! Ry Mosesy! Ka hoy ny navaliny Azy: –Inty aho.
Mivonòna ianao ho amin’ny rahampitso maraina; ka vao maraina dia miakara any an-tampon’ny tendrombohitra Sinay, ary andraso eo Aho.
Dia nanamboatra vatofisaka roa mitovy amin’ny teo aloha i Mosesy. Ny ampitso vao maraina dia niakatra teny Sinay araka ny baiko nomen’ny TOMPO azy izy, sady nitondra ireo vatofisaka roa.
Rehefa vory ho fiangonana tany an-taniefitra ny vahoaka Israely, dia i Mosesy no teo anelanelan’ireo razantsika sy ilay anjely niteny taminy tany an-tendrombohitra Sinay; ka izy no nandray ny teny mahavelona avy amin’Andriamanitra mba homena antsika.