Dia nidina avy tao an-tendrombohitra ho eny amin’ny vahoaka indray i Mosesy. Nasainy nanoman-tena sy nanasa ny fitafiany ireo.
Eksodosy 19:13 - DIEM PROTESTANTA Tsy havela ho velona na olona na biby; ary tsy hokasihina akory izy fa hotoraham-bato na hasiana tsipîka. Fa rehefa maneno ny anjombona, vao mahazo miakatra eny an-tendrombohitra ny olona sasany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Tsy hisy tanana hikasika azy fa hotoraham-bato tokoa, na hotifirina tsipìka tokoa, na biby na olona, ary tsy mba hovelomina. Rehefa manao feo lavareny ny anjomara, vao hiakatra ho ao an-tendrombohitra ny olona. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tsy havela ho velona na olona na biby; ary tsy hokasihina akory izy fa hotoraham-bato na hasiana tsipîka. Fa rehefa maneno ny anjombona, vao mahazo miakatra eny an-tendrombohitra ny olona sasany. Baiboly Katolika Tsy hokasihin-tanana io, fa hotoraham-bato na hotrobarana ny zana-tsipîka: na biby na olona izy tsy azo velomina. Rehefa maneno ny trômpetra dia hiakatra ho eo an-tendrombohitra izy ireo.» Baiboly Protestanta Malagasy tsy hisy tànana hikasika azy, fa hotoraham-bato tokoa izy, na hotifirina tokoa, na biby na olona, tsy mba hovelomina izy; fa raha manao feo lava-reny ny anjomara, dia vao hiakatra ho ao amin’ny tendrombohitra izy. Malagasy Bible tsy hisy tanana hikasika azy, fa hotoraham-bato tokoa izy, na hotifirina tokoa, na biby na olona, tsy mba hovelomina izy; fa raha manao feo lavareny ny anjomara, dia vao hiakatra ho ao amin'ny tendrombohitra izy. La Bible en Malgache Tsy hisy tanana hikasika azy fa hotoraham-bato tokoa, na hotifirina tsipìka tokoa, na biby na olona, ary tsy mba hovelomina. Rehefa manao feo lavareny ny anjomara, vao hiakatra ho ao an-tendrombohitra ny olona. |
Dia nidina avy tao an-tendrombohitra ho eny amin’ny vahoaka indray i Mosesy. Nasainy nanoman-tena sy nanasa ny fitafiany ireo.
Nony afakampitso, vao maraina be, dia nisy kotro-baratra sy tselatra ary rahona matevina teny an-tendrombohitra. Injany nisy feon’anjomara naneno mafy; koa tora-kovitra ny vahoaka rehetra tao an-toby.
Nasain’i Mosesy nivoaka avy teo an-toby ny Israelita mba hihaona amin’Andriamanitra, ka nijanona teo am-pototry ny tendrombohitra ireo.
Nihamafy hatrany ny feon’ny anjomara sady nihalava reny. Ary rehefa niteny tamin’Andriamanitra i Mosesy, dia novaliany tao anaty kotroka.
Aoka tsy hisy olona hiaraka aminao! Aoka koa tsy hisy olona ho hita mihitsy eny an-tendrombohitra manontolo; ary aoka tsy hisy biby handrasana eny akaiky eny na iray aza, na ondry aman’osy na omby.
vetivety foana, indray mipy maso, rehefa maneno ny trompetra farany, dia hovàna avokoa isika rehetra. Satria haneno ny trompetra farany, dia hitsangana velona ireo maty ka tsy ho tratry ny fahalòvana intsony; ary hovàna isika.
Hisy baiko hatao antso avo ombàn’ny feon’arkanjely sy ny feon-trompetran’Andriamanitra, ka ny Tompo mihitsy no hidina avy any an-danitra. Ireo olona maty tafaray amin’i Kristy no hitsangana ho velona voalohany;
satria tsy tohany rahateo ny baiko hoe: «Na dia izay biby mikasikasika ny tendrombohitra aza, dia hatao matin’ny torabato.»
Ireo miaramila niafina ireo dia niroatra haingana nankany Gibehà ka namely ny tanàna manontolo sy nandringana ny mponina tao.