Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 19:14 - DIEM PROTESTANTA

14 Dia nidina avy tao an-tendrombohitra ho eny amin’ny vahoaka indray i Mosesy. Nasainy nanoman-tena sy nanasa ny fitafiany ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

14 Dia nidina avy tao an-tendrombohitra i Mosesy ka nankeny amin’ny olona; ary nanamasina azy izy ka samy nanasa ny fitafiany ny olona.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

14 Dia nidina avy tao an-tendrombohitra ho eny amin’ny vahoaka indray i Mosesy. Nasainy nanoman-tena sy nanasa ny fitafiany ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

14 Dia nidina avy any an-tendrombohitra i Môizy nankeo amin’ny vahoaka ka nanamasina azy, ary nanasa ny fitafiany izy ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

14 Dia nidina avy tao amin’ny tendrombohitra Mosesy ka nankeny amin’ny olona; dia nanamasina ny olona izy, ka samy nanasa ny fitafiany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

14 Dia nidina avy tao amin'ny tendrombohitra Mosesy ka nankeny amin'ny olona; dia nanamasina ny olona izy, ka samy nanasa ny fitafiany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

14 Dia nidina avy tao an-tendrombohitra i Mosesy ka nankeny amin’ny olona; ary nanamasina azy izy ka samy nanasa ny fitafiany ny olona.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 19:14
7 Rohy Ifampitohizana  

Dia hoy i Jakôba tamin’ny ankohonany sy izay rehetra niaraka taminy: –Ario avokoa ireo andriamani-kafa eo aminareo, ka midiova ary misoloa fitafiana.


ka nilazany hoe: –Ianareo loham-pianakaviana levita, manaova ny fomba fidiovana ianareo sy ny namanareo, dia ampakaro ilay Vatamasin’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely, ho eo amin’ny toerana izay efa namboariko ho azy.


Hoy indray ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Miverena any amin’ny vahoaka, ka ilazao izy mba hanoman-tena anio sy rahampitso; ary ampanasao azy koa ny fitafiany.


Tsy havela ho velona na olona na biby; ary tsy hokasihina akory izy fa hotoraham-bato na hasiana tsipîka. Fa rehefa maneno ny anjombona, vao mahazo miakatra eny an-tendrombohitra ny olona sasany.


Ary hoy izy taminy: –Miomàna ianareo ho amin’ny rahafakampitso. Aza mikasika vehivavy akory!


izany hoe ny zavatra rehetra mahatanty afo, dia sedrao amin’ny afo ho afa-doto, vao atsobohy ao amin’ny rano fanadiovana. Ary izay tsy mahatanty afo kosa dia atsobohy fotsiny ao anaty rano fanadiovana.


Fa hoy ilay mpisorona tamin’i Davida: –Tsy manana mofo tsotra aho, fa mofo voatokana ho an’Andriamanitra ihany. Nefa azoko omena ihany ianao raha tàhiny ka tsy niray tamim-behivavy ireo tovolahy ireo tato ho ato.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra