«Ity volana ity aminareo no ho volana voalohany, ka izy no hataonareo fiandohan’ny taona.
Eksodosy 19:1 - DIEM PROTESTANTA Ny andro voalohany tamin’ny volana fahatelo taorian’ny nialan’ny Israelita tany Ejipta no nahatongavany tao an-taniefitr’i Sinay. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Tamin’ny volana fahatelo taorianan’ny nialan’ny Zanak’Israely tany amin’ny tany Ejipta, tamin’izany fotoana izany indrindra, no nahatongavany tany amin’ny tany efitr’i Sinay. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny andro voalohany tamin’ny volana fahatelo taorian’ny nialan’ny Israelita tany Ejipta no nahatongavany tao an-taniefitr’i Sinay. Baiboly Katolika Tamin’ny volana fahatelo aorian’ny nivoahany tany Ejipta, tamin’izany andro izany, no nahatongavan’ny zanak’i Israely tany an’efitr’i Sinaia. Baiboly Protestanta Malagasy TAMIN’ny volana fahatelo taorian’ny nialan’ny Zanak’Isiraely tamin’ny tany Egypta, dia tamin’izany andro izany no nahatongavany tany an-efitr’i Sinay. Malagasy Bible TAMIN'ny volana fahatelo taorian'ny nialan'ny Zanak'Isiraely tamin'ny tany Egypta, dia tamin'izany andro izany no nahatongavany tany an-efitr'i Sinay. La Bible en Malgache Tamin’ny volana fahatelo taorianan’ny nialan’ny Zanak’Israely tany amin’ny tany Ejipta, tamin’izany fotoana izany indrindra, no nahatongavany tany amin’ny tany efitr’i Sinay. |
«Ity volana ity aminareo no ho volana voalohany, ka izy no hataonareo fiandohan’ny taona.
Ka tamin’io andro io indrindra no navoakan’ny TOMPO tamim-pilaminana avy tany Ejipta ny Israelita.
Hotehiriziko hatramin’ny andro faha-14 amin’ity volana ity izany, ka ny harivan’io andro io dia samy hamono azy ny fiangonana israelita manontolo.
Niala tao Elima ny vahoaka Israelita manontolo, ka tonga tao amin’ny taniefitra Sina, eo anelanelan’i Elima sy ny tendrombohitra Sinay, tamin’ny volana faharoa, andro faha-15 taorian’ny nialany tany Ejipta.
Ary hoy Andriamanitra hoe: –Homba anao tokoa Aho; ary izao no porofo fa Izaho no naniraka anao: rehefa avy namoaka ny vahoaka israelita avy tany Ejipta ianao, dia hanao fanompoam-pivavahana amiko eto amin’ity tendrombohitra ity ianareo.
–Ny andro voalohany amin’ny volana voalohany no hasainao hatsangana ny fonena-masina na hoe Tranolay fihaonana.
Izao no nolazain’ny TOMPO tamin’i Mosesy tany an-taniefitr’i Sinay, tao amin’ny Tranolay fihaonana, ny andro voalohan’ny volana faharoa tamin’ny taona faharoa nialan’ny Israelita tany Ejipta:
Ary niainga tao amin’ny taniefitr’i Sinay ny Israelita. Tany an-taniefitr’i Paràna kosa no nijanona ny rahona.
–Fony teo amin’ny tendrombohitra Hôreba isika, dia nitenenan’ny TOMPO Andriamanitsika hoe: «Ela izay nitoeranareo teto amin’ity tendrombohitra ity izay.
Aza hadinoinareo ny zavatra hitanareo maso tamin’ny andro nijoroanareo teo anatrehan’ny TOMPO Andriamanitrareo tany an-tendrombohitra Hôreba, fony ny TOMPO nilaza tamiko hoe: «Avondrony ho eto amiko ny vahoaka israelita, dia hampandrenesiko azy ny teniko, izay hianarany mba hanajany Ahy amin’ny andro rehetra hiainany eto ambonin’ny tany sady hampianariny ny zanany koa.»
Noho ianareo tsy nahita endrika ny TOMPO fony Izy niteny tao anaty afo taminareo tany an-tendrombohitra Hôreba, dia mitandrema tena tokoa ianareo.
Nanao fanekempihavanana tamintsika ny TOMPO Andriamanitsika, tany amin’ny tendrombohitra Hôreba.