Avy eo dia niverina ho any Haîna-Mispata na hoe Kadesy izy ireo, ka namely izay rehetra teny an-tsahan’ny Hamalekita mbamin’ireo Amôrita izay nonina tao Hatsetsôna-Tamara.
Eksodosy 17:8 - DIEM PROTESTANTA Tonga hiady amin’ny Israelita tao Refidima ny Hamalekita. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Tonga kosa ny Amalekita ka niady tamin’ny Israelita tao Refidima. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tonga hiady amin’ny Israelita tao Refidima ny Hamalekita. Baiboly Katolika I Amaleka nandroso hanafika an’i Israely tao Rafidima, ka hoy i Môizy tamin’i Jôsoe: Baiboly Protestanta Malagasy Ary tonga ny Amalekita ka niady tamin’ny Isiraely tao Refidima. Malagasy Bible Ary tonga ny Amalekita ka niady tamin'ny Isiraely tao Refidima. La Bible en Malgache Tonga kosa ny Amalekita ka niady tamin’ny Israelita tao Refidima. |
Avy eo dia niverina ho any Haîna-Mispata na hoe Kadesy izy ireo, ka namely izay rehetra teny an-tsahan’ny Hamalekita mbamin’ireo Amôrita izay nonina tao Hatsetsôna-Tamara.
I Timnà vadikelin’i Elifaza dia niteraka an’i Hamalèka taminy koa. Ireo no zafikelin’i Hesao sy i Hadà vadiny.
i Kôra sy i Gahetama ary i Hamalèka; tao amin’ny faritr’i Edôma ireo ary zafikelin’i Hadà.
Araka ny baikon’ny TOMPO dia niala tao an-taniefitr’i Sina ny fiangonana Israelita manontolo mba hanohy ny diany. Nitoby tao Refidima izy, kanefa tsy nisy rano hosotroin’ny vahoaka tao.
Ny Hamalekita no monina amin’ny faritra atsimo; ny Hetita sy ny Hivita ary ny Jebosita sy ny Amôrita no any an-tendrombohitra, fa ny Kanahanîta kosa no mipetraka amoron-dranomasina Mediteranea sy amoron’i Jôrdàna.
Nahita ny Hamalekita i Balahama ka nanonona izao teny izao: «Ny Hamalekita no lohalaharana amin’ny hafa firenena rehetra; fa ho lany ringana no hiafaràny.»
Fa isaky ny avy nanao famafazam-boa ny sahany ny Israelita, dia tonga nanafika ny Midianita niaraka tamin’ny Hamalekita sy ireo mpifindrafindra lasy avy any atsinanana.
Niady tamin-kerim-po fatratra ka nandresy ny Hamalekita koa izy, ary dia nahafaka an’i Israely tamin’izay nandroba azy.
Izao àry no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao: «Tsaroako ny nanaovan’ny Hamalekita ny vahoaka israelita fony izy ireo nakarina niala tany Ejipta, dia ny nanakanany ny lalany izany.
Avy tao i Davida sy ny olony no niakatra nanafika ny Gesôrita sy ny Girzita ary ny Hamalekita; fa ireo no mponina hatrizay tamin’izany faritra izany, dia hatrany Sora ka tafapaka any amin’ny sisin-tanin’i Ejipta.
Ny afakampitso, rehefa tonga tany Tsiklaga i Davida sy ny olony, dia notafihin’ny Hamalekita ny atsimon’i Joda sy i Tsiklaga, noravan’izy ireo sy nodorany ny tanàna.