Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Nomery 13:29 - DIEM PROTESTANTA

29 Ny Hamalekita no monina amin’ny faritra atsimo; ny Hetita sy ny Hivita ary ny Jebosita sy ny Amôrita no any an-tendrombohitra, fa ny Kanahanîta kosa no mipetraka amoron-dranomasina Mediteranea sy amoron’i Jôrdàna.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

29 Ny Amalekita no monina any amin’ny Negeva; ny Hetita sy ny Jebosita ary ny Amorita no monina any amin’ny tany be havoana; ny Kananita no monina any amoron’ny ranomasina sy any amoron’i Jordana.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

29 Ny Hamalekita no monina amin’ny faritra atsimo; ny Hetita sy ny Hivita ary ny Jebosita sy ny Amôrita no any an-tendrombohitra, fa ny Kanahanîta kosa no mipetraka amoron-dranomasina Mediteranea sy amoron’i Jôrdàna.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

29 I Amaleka no monina amin’ny faritanin’ny Negeba; ny Heteanina, ny Jebozeanina, ary ny Amôreana no monina amin’ny tendrombohitra; ary ny Kananeanina no monina amin’ny moron-dranomasina sy ny amoron’i Jordany.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

29 Ny Amalekita no monina eo amin’ny tany atsimo; ary ny Hetita sy ny Jebosita ary ny Amorita no monina any amin’ny tany havoana; ary ny Kananita no monina eo amoron’ny ranomasina sy eo amoron’i Jordana.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

29 Ny Amalekita no monina eo amin'ny tany atsimo; ary ny Hetita sy ny Jebosita ary ny Amorita no monina any amin'ny tany havoana; ary ny Kananita no monina eo amoron'ny ranomasina sy eo amoron'i Jordana.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 13:29
27 Rohy Ifampitohizana  

Avy eo dia niverina ho any Haîna-Mispata na hoe Kadesy izy ireo, ka namely izay rehetra teny an-tsahan’ny Hamalekita mbamin’ireo Amôrita izay nonina tao Hatsetsôna-Tamara.


Fo mahatoky anao no hitanao taminy, ka nanaovanao fanekempihavanana izy fa homenao ho azy sy ho an’ny taranany ny tanin’ny Kanahanita sy ny Hitita, ary ny Amôrita mbamin’ny Perizita sy ny Jebosita ary ny Girgasita; ary efa notanterahinao ny teninao, satria marina Ianao.


dia ny Edômita sy ny Jismahelita, mbamin’ny Moâbita sy ny Hagirita,


koa tapa-kevitra Izy fa hanaisotra anareo hiala amin’ny fahoriana atỳ ho any amin’ny tanin’ny Kanahanita sy ny Hetita, ny Amôrita sy ny Perizita, ary ny Hivita sy ny Jebosita, dia tany tondra-dronono sy tantely.»


Koa tafidina Aho mba hanafaka azy amin’ny fahefàn’ny Ejiptianina, ka hampiakatra azy hiala amin’ny tany Ejipta mba ho any amin’ny tany tsara sy midadasika, any amin’ny tany tondra-dronono sy tantely, dia ny toerana misy ny Kanahanita sy ny Hetita, ny Amôrita sy ny Perizita, ary ny Hivita sy ny Jebosita.


Nalefan’i Mosesy hisafo ny tany Kanahàna izy ireo ka nataony hoe: –Miakara avy any atsimo, dia mianiha ny tendrombohitra


Nampanginin’i Kaleba ny vahoaka izay nimonomonona tamin’i Mosesy ka nataony hoe: –Aoka hiakarantsika ny tany ka halaintsika fa haharesy azy tokoa isika.


fa ny Hamalekita sy ny Kanahanita kosa honina amin’ny lemaka. Koa rahampitso, miverena indray ianareo ka mankanesa any an-taniefitra amin’ny lalana mankany amin’ny Ranomasin’ny Volotara.


Eo anoloanareo ny Hamalekita sy ny Kanahanita, ka ho fatin’ny sabany ianareo. Efa niodina tamin’ny TOMPO ianareo, ka tsy homba anareo IZY.


Nidinan’ny Hamalekita sy ny Kanahanita izay nonina tamin’izany tendrombohitra izany izy ireo ka notafihiny ary nenjehiny hatrany Hôrmà.


Nahita ny Hamalekita i Balahama ka nanonona izao teny izao: «Ny Hamalekita no lohalaharana amin’ny hafa firenena rehetra; fa ho lany ringana no hiafaràny.»


Hataonareo ringana tanteraka ireto firenena ireto, dia ny Hetita sy ny Amôrita ary ny Kanahanîta mbamin’ny Perizîta sy ny Hivita ary ny Jebôsita; hataonareo ringana tanteraka ireo, araka izay nandidian’ny TOMPO Andriamanitrareo anareo,


Ny TOMPO Andriamanitrareo no hampiditra anareo any amin’ny tany izay hidiranareo mba halainareo ho fananana. Firenena maro, firenena fito izay lehibe sy mahery noho ianareo, no horoahin’ny TOMPO hiala eo anoloanareo: dia ny Hetita sy ny Girgasîta, ny Amôrita sy ny Kanahanîta, ny Perizîta sy ny Hivîta ary ny Jebosîta.


Dia nivondrona ireo mpanjaka amôrita dimy lay, izany hoe ny mpanjaka tao Jerosalema sy Hebrôna mbamin’ny mpanjaka tao Jarmôta sy Lakisy ary Heglôna, ka niakatra niaraka tamin’ny tafiny rehetra hitoby tandrifin’i Gibehôna sy hanao fahirano azy.


Nandefa iraka ho any amin’i Josoa tany an-tobin’i Gilgala kosa ny Gibehônita ka nanao hoe: –Aza arianao izahay mpanomponao, fa miakara faingana hanampy anay ka afaho izahay! Ireo mpanjaka amôrita rehetra monina any an-tendrombohitra manko dia efa nivondrona hamely anay.


Ho fantatrareo amin’izao fa Andriamanitra velona no eo afovoanareo, ka horoahiny tanteraka eo anoloanareo ny Kanahanita sy Hetita, ny Hivîta sy Perizîta, ny Girgasita sy Amôrita ary Jebosita.


Ny mpanjaka rehetra, tamin’ny Amôrita nonina teny andafy andrefan’i Jôrdàna sy tamin’ny Kanahanita nonina tany amoron’ny Ranomasina Mediteranea, dia nahare fa nataon’ny TOMPO maina ny falehan’ny ranon’i Jôrdàna teo anoloan’ny Israelita mandra-pitany; noho izany dia ketraka ny fon’ireo mpanjaka ireo ka tsy nanam-pahasahiana intsony ry zareo hanoherana ny Israelita.


Ary ny vaovao momba ny faharavàn’i Hay dia ren’ireo mpanjaka izay teny amin’ny faritra rehetra andafy andrefan’i Jôrdàna; teny amin’ny havoana sy teny amin’ny lemak’i Sefelà ary teny amin’tany rehetra amoron’ny Ranomasina Mediteranea ka hatrany hatrany Libano. Koa nifamory ny mpanjaka hetita sy amôrita mbamin’ny mpanjaka kanahanita sy perizita ary ny mpanjaka hivita sy jebosita


Toy izany no nahatonga ny Israelita honina teo anivon’ny Kanahanita sy ny Hetita ary ny Amôrita mbamin’ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita.


Fa isaky ny avy nanao famafazam-boa ny sahany ny Israelita, dia tonga nanafika ny Midianita niaraka tamin’ny Hamalekita sy ireo mpifindrafindra lasy avy any atsinanana.


Niady tamin-kerim-po fatratra ka nandresy ny Hamalekita koa izy, ary dia nahafaka an’i Israely tamin’izay nandroba azy.


Avy tao i Davida sy ny olony no niakatra nanafika ny Gesôrita sy ny Girzita ary ny Hamalekita; fa ireo no mponina hatrizay tamin’izany faritra izany, dia hatrany Sora ka tafapaka any amin’ny sisin-tanin’i Ejipta.


Ny afakampitso, rehefa tonga tany Tsiklaga i Davida sy ny olony, dia notafihin’ny Hamalekita ny atsimon’i Joda sy i Tsiklaga, noravan’izy ireo sy nodorany ny tanàna.


Ary ireo tanàna izay nalain’ny Filistinina tamin’ny Israelita, teo anelanelan’i Hekrôna sy Gata, dia tafaverina soa aman-tsara tamin’ny Israelita; koa afaka teo an-tanan’ny Filistinina izany faritra izany. Ary dia nisy koa ny fandriampahalemana teo amin’ny Israelita sy ny Amôrita.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra