Notanterahin’ny Israelita izany, ka nisy nanangona betsaka, ary nisy kosa nanangona kely.
Eksodosy 16:16 - DIEM PROTESTANTA Ary izao no zavatra nandidian’ny TOMPO anareo: «Samia manangona izay tokony ho sahaza azy avy; manangòna ankevitry ny inefatry ny zingan-drano isan’olona, araka ny isan’ny olona miara-belona ao amin’ny isan-dainy avy.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary izao no teny izay nampilazain’NY TOMPO: Samia manangona amin’ireo ianareo araka izay tokony ho laninareo avy, dia eran’ny vata omera avy isan’olona, araka ny isanareo; samia ianareo mitondra ho an’izay ao an-dainy avy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary izao no zavatra nandidian’ny TOMPO anareo: «Samia manangona izay tokony ho sahaza azy avy; manangòna ankevitry ny inefatry ny zingan-drano isan’olona, araka ny isan’ny olona miara-belona ao amin’ny isan-dainy avy.» Baiboly Katolika Ary izao no didin’i Iaveh: Samia ianareo manangona izay sahaza hohaniny avy, eran’ny gômôra, isan’olona, araka ny isan’ny olona; samia maka ho an’izay ao an-dainy avy.» Baiboly Protestanta Malagasy Izao no teny izay nandidian’i Jehovah: Samia manangona azy hianareo araka izay tokony ho laninareo avy, dia eran’ny vata omera avy ho amin’ny isan-olona, araka ny isanareo; samia mitondra hianareo rehetra ho an’izay ao an-dainy avy. Malagasy Bible Izao no teny izay nandidian'i Jehovah: Samia manangona azy ianareo araka izay tokony ho laninareo avy, dia eran'ny vata omera avy ho amin'ny isan-olona, araka ny isanareo; samia mitondra ianareo rehetra ho an'izay ao an-dainy avy. La Bible en Malgache Ary izao no teny izay nampilazain’NY TOMPO: Samia manangona amin’ireo ianareo araka izay tokony ho laninareo avy, dia eran’ny vata omera avy isan’olona, araka ny isanareo; samia ianareo mitondra ho an’izay ao an-dainy avy. |
Notanterahin’ny Israelita izany, ka nisy nanangona betsaka, ary nisy kosa nanangona kely.
kanefa rehefa nafatra tamin’ny famarana, dia tsy nanana tombony ireo nanangona be, ary tsy nanana ny tsy ampy ireo nanangona kely, fa samy nahazo ny sahaza hohaniny avy ny tsirairay.
Ny fatran’ny mana fanangona dia efatra zingan-drano eo ho eo, izany hoe ampahafolon’ny famarana mahazatra.