Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 16:18 - DIEM PROTESTANTA

18 kanefa rehefa nafatra tamin’ny famarana, dia tsy nanana tombony ireo nanangona be, ary tsy nanana ny tsy ampy ireo nanangona kely, fa samy nahazo ny sahaza hohaniny avy ny tsirairay.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

18 Rehefa nafatrany tamin’ny vata omera ireo dia tsy nanana amby ny nanangona be ary ny nanangona kely dia tsy nanana ny tsy ampy. Samy nanangona araka izay sahaza azy avy izy ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

18 kanefa rehefa nafatra tamin’ny famarana, dia tsy nanana tombony ireo nanangona be, ary tsy nanana ny tsy ampy ireo nanangona kely, fa samy nahazo ny sahaza hohaniny avy ny tsirairay.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

18 Raha efa izay dia nafatra tamin’ny gômôra, ka ny nahatonga be tsy nanana ambiny, ny nahatonga kely tsy latsa-patra, fa izay sahaza ho haniny avy ihany no voavoriny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

18 Ary raha nafatrany tamin’ny vata omera izany, dia tsy nanana amby ny nanangona be, ary ny nanangona kely tsy nanana ny tsy ampy; samy nanangona araka izay fihinany avy izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

18 Ary raha nafatrany tamin'ny vata omera izany, dia tsy nanana amby ny nanangona be, ary ny nanangona kely tsy nanana ny tsy ampy; samy nanangona araka izay fihinany avy izy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

18 Rehefa nafatrany tamin’ny vata omera ireo dia tsy nanana amby ny nanangona be ary ny nanangona kely dia tsy nanana ny tsy ampy. Samy nanangona araka izay sahaza azy avy izy ireo.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 16:18
3 Rohy Ifampitohizana  

Notanterahin’ny Israelita izany, ka nisy nanangona betsaka, ary nisy kosa nanangona kely.


Ary momba ireo tanàna izay halainareo avy amin’ny tanin’ny Israelita, dia izay foko lehibe no hanalanareo maro kokoa, fa izay foko kely kosa dia hanalanareo vitsy kokoa; eny, samy hanome tanàna ho an’ny Levita araka ny zara tany azony avy ny foko tsirairay.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra