Eksodosy 16:10 - DIEM PROTESTANTA Raha mbola niteny tamin’ny vahoaka Israelita manontolo i Aharôna, dia nitodika nanatrika ny taniefitra izy ireo, ka ny voninahitry ny TOMPO no hitany niseho teo amin’ny rahona. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary raha mbola niteny tamin’ny fiangonan’ny Israely manontolo i Arona dia nitodika nanatrika ny tany efitra izy ireo ka indro, ny voninahitry NY TOMPO niseho teo amin’ny rahona. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Raha mbola niteny tamin’ny vahoaka Israelita manontolo i Aharôna, dia nitodika nanatrika ny taniefitra izy ireo, ka ny voninahitry ny TOMPO no hitany niseho teo amin’ny rahona. Baiboly Katolika Mbola miteny amin’ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra eo i Aarôna, no nitodika ny efitra ireo, ka indro niseho teo amin’ny rahona ny voninahitr’i Iaveh. Baiboly Protestanta Malagasy Ary raha Arona mbola niteny tamin’ny fiangonana, dia ny Zanak’Isiraely rehetra, dia nijery nanatrika ny efitra izy ireo, ka, indro, ny voninahitr’i Jehovah niseho teo amin’ny rahona. Malagasy Bible Ary raha Arona mbola niteny tamin'ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, dia nijery nanatrika ny efitra izy ireo, ka, indro, ny voninahitr'i Jehovah niseho teo amin'ny rahona. La Bible en Malgache Ary raha mbola niteny tamin’ny fiangonan’ny Israely manontolo i Arona dia nitodika nanatrika ny tany efitra izy ireo ka indro, ny voninahitry NY TOMPO niseho teo amin’ny rahona. |
Nipetraka teo an-tendrombohitra Sinay ny voninahitry ny TOMPO, ka ny rahona no nandrakotra azy nandritra ny enina andro. Tamin’ny andro fahafito dia niantso an’i Mosesy tao afovoan’io rahona io Andriamanitra.
Dia niditra tao amin’ny Tranolay fihaonana ry i Mosesy sy i Aharôna. Nony tafavoaka avy eo izy roa lahy, dia niara-nitsodrano ny vahoaka; ary niseho tamin’ny vahoaka rehetra ny voninahitry ny TOMPO:
Ary hoy i Mosesy hoe: –Izao no zavatra nandidian’ny TOMPO anareo, ka ataovy; dia hiseho aminareo ny voninahitry ny Tompo.
Nandrahona hitora-bato azy roa lahy ny vahoaka iray manontolo; kanjo indro ny voninahitry ny TOMPO fa niseho tamin’ny Israelita rehetra teo amin’ny Tranolay fihaonana.
Novorin’i Kôra ny fiangonana manontolo hankeo am-baravaran’ny Tranolay fihaonana mba hanohitra azy roa lahy. Dia niseho tamin’ny fiangonana manontolo ny voninahitry ny TOMPO;
Raha mbola niteny i Petera, dia nisy rahona mazava nanarona azy rehetra; ary injao nisy feo avy tao amin’io rahona io nanao hoe: –Ity no Zanako, ilay Malalako; Izy no sitrako! Henoy Izy!