Hajoroko ny fanekempihavanako aminao mbamin’ny taranakao mandimby anao; ho fanekempihavanana maharitra mandrakizay izany, ka dia ho Andriamanitrao sy ny taranakao mandimby anao Aho.
Eksodosy 15:2 - DIEM PROTESTANTA Ny TOMPO no heriko ka hataoko an-kira, tonga namonjy ahy Izy, Izy no Andriamanitro, ka hoderaiko izy no Andriamanitry ny razako, ka hankalazaiko. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 NY TOMPO no heriko sy anton’ny fiderako, fa famonjena ahy Izy; Izy no Andriamanitro ka hankalaza Azy aho. Izy no Andriamanitry ny razako ka hanandratra Azy aho. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny TOMPO no heriko ka hataoko an-kira, tonga namonjy ahy Izy, Izy no Andriamanitro, ka hoderaiko izy no Andriamanitry ny razako, ka hankalazaiko. Baiboly Katolika I Iaveh no heriko sy fototry ny tononkirako, Izy no namonjy ahy. Izy no Andriamanitro, ka hankalazaiko, Sady Andriamanitry ny raiko, ka hoderaiko. Baiboly Protestanta Malagasy Jehovah no heriko sy fidèrako, fa efa famonjena ahy Izy; Izy no Andriamanitro, ka hankalaza Azy aho, Dia Andriamanitry ny razako, ka hanandratra Azy aho. Malagasy Bible Jehovah no heriko sy fiderako, fa efa famonjena ahy Izy; izao no Andriamanitro, ka hankalaza Azy aho, dia Andriamanitry ny razako, ka hanandratra Azy aho. La Bible en Malgache NY TOMPO no heriko sy anton’ny fiderako, fa famonjena ahy Izy; Izy no Andriamanitro ka hankalaza Azy aho. Izy no Andriamanitry ny razako ka hanandratra Azy aho. |
Hajoroko ny fanekempihavanako aminao mbamin’ny taranakao mandimby anao; ho fanekempihavanana maharitra mandrakizay izany, ka dia ho Andriamanitrao sy ny taranakao mandimby anao Aho.
Izy no Andriamanitro sy vatolampy ialofako, ampinga fiarovana sy herim-pandresena ho ahy. Sady toeram-pamaharana fandosirako Izy, no mpamonjy mahafaka ahy amin’ny fampahoriana.
Velona ny TOMPO! Isaorana ilay Vatolampiko. Hasandratra anie Andriamanitra vatolampy mampandresy ahy.
Ny TOMPO manome fandresena lehibe ho an’ilay mpanjaka voafidiny; ary maneho fitia an’ilay voahosony, dia i Davida sy ireo taranany hatrany amin’ny mandrakizay.
Nampiorina mafy an’i Israely ho vahoakanao mandrakizay Ianao, TOMPO ô, sady efa tonga Andriamaniny.
«Ndeha lazao amin’i Davida mpanompoko izao hafatro izao: ‹Tsy ianao no hanao trano hitoerako.
«Nefa hety honina marina etỳ an-tany ve Ianao, Andriamanitra ô? Indro ny lanitra, na dia midadasika tokoa aza, tsy omby Anao; koa mainka fa ity tempoly izay nataoko ity.
Tao amin’ny tahirin-kiran’ny filohan’antoko-mpihira. Salamo nataon’i Davida. Ry Andriamanitra fidèrako ô, aza dia mangina fotsiny Ianao,
Hoy kosa aho tamin’ny TOMPO: «Ianao no Andriamanitro. TOMPO ô, mba henoy izany feoko mitaraina aminao!
Fiderana nataon’i Davida. Andriamanitro ô, Ianao no mpanjakako ka dia hanandratra Anao aho sy hankalaza ny anaranao mandrakizay.
Ianao, Tompo ô, no namoaka ahy mba hiala avy tao an-kibon-dreniko ka nampandry ahy teo an-trotroany.
Mandritra ny andro aho miantso Anao saingy tsy valianao, Andriamanitro ô; ary miantso koa aho amin’ny alina, saingy tsy mahazo fiononana.
Nataon’i Davida. Ny TOMPO no mpanazava sy mpamonjy ahy, ka iza no hatahorako? Ny TOMPO no toy ny manda miaro ny aiko, ka iza no hangovitako?
Ny TOMPO no miaro ny vahoakany; Izy koa no manda famonjena ho an’ilay mpanjaka nohosorany.
banjino tsara ny màndany, ary diniho fatratra ny lapany; dia ho azonareo tantaraina amin’ny taranaka any aoriana
Izaho kosa hihira ny herinao sy hihoby vao maraina ny fitiavanao, satria Ianao fiarovana avo ho ahy sady fialofana amin’ny andro fahoriana.
Hisaorana isan’andro isan’andro anie ny Tompo, ilay Andriamanitra mpamonjy miahy antsika! Fiatoana
Asandrato ny TOMPO Andriamanitsika; Izy no masina ka iankohofy eo anoloan’ny fitoeran-tongony.
Asandrato ny TOMPO Andriamanitsika; eny, masina ny TOMPO Andriamanitsika ka iankohofy eo an-tendrombohiny masina.
Fa namaly azy i Mosesy hoe: –Aza matahotra ianareo! Mahandrasa, fa ho hitanareo anio ny famonjena hataon’ny TOMPO aminareo! Satria ny Ejiptianina izay hitanareo androany dia tsy ho hitanareo intsony na oviana na oviana.
Izaho no Andriamanitry ny rainao, Andriamanitr’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba. Dia nisaron-tava i Mosesy fa natahotra ny hijery an’Andriamanitra.
Dia ambarao amin’ny Farao hoe: «Izao no lazain’ny TOMPO: Zanako lahimatoa ny vahoaka Israely.
Nandrakotra ny Tranolay fihaonana ny rahona, ka nanenika ilay fonena-masina ny voninahitry ny TOMPO;
Halaiko ho vahoakako ianareo, ary Izaho ho Andriamanitrareo; dia ho fantatrareo fa Izaho TOMPO Andriamanitrareo no namoaka anareo hiala amin’ny asa an-terivozona nampanaovin’ny Ejiptianina.
Indro Andriamanitra namonjy ahy, matoky Azy aho ka tsy mangovitra intsony. Ny TOMPO no heriko sy fidèrako, fa Izy no mpamonjy ahy.»
TOMPO ô, Ianao no Andriamanitro. Hanandratra Anao sy hankalaza ny anaranao aho, satria notanterahinao ny zava-mahagaga izay efa nokasainao hatry ny elabe sady mafy orina sy azo itokiana.
Ianareo kosa, ry vahoaka Israely, dia nandray famonjena mandrakizay avy amin’ny TOMPO. Tsy ho menatra na ho afa-baràka na oviana na oviana ianareo.
Dia nitenenany aho ka nataony hoe: «Tsy ampy raha tonga mpanompoko fotsiny ianao mba hampitraka ireo foko taranak’i Jakôba sy hampody ny sisa velona amin’ny vahoaka Israely. Fa omeko ho fanazavana ho an’ny firenen-kafa koa ianao mba hitaran’ny famonjeko hatrany amin’ny faran’ny tany.»
Izao no lazain’ny TOMPO: «Ny lanitra no sezafiandrianako ary ny tany no fitoeran-tongotro. Koa trano toa inona moa no hataonareo ho Ahy? Ary toerana toa inona no hialako sasatra?
Eny tokoa, fa nanodoka anay ny fanompoan-tsampy teny an-kavoana sy ny horakoraka teny an-tendrombohitra, kanefa aminao TOMPO Andriamanitray ihany no hahitan’Israely famonjena.
Fa izao no fanekempihavanana hataoko amin’ny vahoakan’i Israely, aorian’izany andro izany: Hapetrako ao an’eritreriny ny lalànako ary hosoratako ao am-pony, ka ho Andriamaniny Aho ary izy ho vahoakako. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany.
Niainga hamonjy ny olonao Ianao, eny, hamonjy ilay vahoaka voahosotrao. Aonganao ny filohan’ny andian’olon-dratsy; hatratỳ am-potony ka hatrany an-tampony no amotehanao izany andian’olon-dratsy izany.
Ary hotsapaiko io ampahatelony io ka hodioviko toy ny fandrendrika volamena sy volafotsy amin’ny afo. Koa hivavaka amiko izy, ary hamaly azy Aho. Dia hilaza aminy Aho hoe: ‹Ry vahoakako› ary izy hanao hoe: ‹Ny Tompo no Andriamanitray›. »
Ianareo Samaritanina dia mivavaka amin’izay tsy fantatrareo; fa izahay Jiosy kosa mivavaka amin’izay fantatray, satria mipoitra avy amin’ny Jiosy ny famonjena.
mba hanajan’ny olona rehetra ny Zanaka tahaka ny anajan’ny olona rehetra ny Ray: izay tsy manaja ny Zanaka, dia tsy manaja ny Ray Izay naniraka Azy.
Ao aminy no hany ahazoam-pamonjena; eny, tsy misy eto ambanin’ny lanitra anarana hafa nomen’Andriamanitra ny olona, izay hahazoantsika famonjena!
Eny, Andriamanitra tsy nitana ny fahotan’ny olona fa nampihavana ny olona rehetra aminy indray tamin’ny alalan’i Kristy; ary efa napetrak’Andriamanitra taminay izany teny mitory fampihavanana izany.
Ao amin’i Kristy koa no arafitra miaraka aminay ianareo mba ho tonga trano fonenan’Andriamanitra noho ny asan’ny Fanahy Masina.
Izy no fidèranareo, Izy no Andriamanitrareo, dia Ilay nanao ho anareo ireny zavatra lehibe sy mahatahotra efa hitan’ny masonareo ireny.
ary hiaiky avokoa ny fiteny rehetra fa «i Jesoa Kristy dia Tompo», ho voninahitr’Andriamanitra Ray.
satria ao amin’i Kristy, araka ny maha olombelona Azy, no mitoetra tanteraka ny hafenoan’ny fomban’Andriamanitra.
Ary miventy ny hiran’i Mosesy mpanompon’Andriamanitra sy ny hiran’ny Zanakondry izy ireo manao hoe: «Lehibe sy mahagaga ny asanao, ry Tompo Andriamanitra Tsitoha! Ara-drariny sy mahitsy ny fandaharanao ry Mpanjakan’ny firenena!
Taorian’izany, dia nisy hoatra ny feo mafy navoakan’olona maro tany an-danitra, reko nanao hoe: «Haleloià! Ny famonjena sy ny voninahitra ary ny hery dia an’ilay Andriamanitsika;
Renirano efa nikoriana hatry ny ela, dia ny renirano Kisôna, no nipaoka ny fahavalo. Aoka mba hiroso hiady amin-kerim-po koa aho!