Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 14:10 - DIEM PROTESTANTA

Natopin’ny Israelita ny masony ka indreny ny Ejiptianina tamy manenjika azy, ary ny Farao dia efa mby akaiky. Raiki-tahotra loatra ny Israelita ka niantsoantso ny TOMPO

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Rehefa nanakaiky i Farao dia natopin’ny Zanak’Israely ny masony ka indreo ny Ejiptiana tamy manenjika azy. Dia raiki-tahotra indrindra ny Zanak’Israely ka nitaraina tamin’NY TOMPO.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Natopin’ny Israelita ny masony ka indreny ny Ejiptianina tamy manenjika azy, ary ny Farao dia efa mby akaiky. Raiki-tahotra loatra ny Israelita ka niantsoantso ny TOMPO

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Nony mby akaiky i Faraôna, natopin’ny zanak’i Israely ny masony, dia indreo tamy nanaraka azy ny Ejiptianina, ka raiki-tahotra mafy ny zanak’i Israely, sy velon-taraina tamin’i Iaveh.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary rehefa mby akaiky Farao, dia natopin’ny Zanak’Isiraely ny masony, ka, indreo, ny Egyptiana tamy manenjika azy; dia raiki-tahotra indrindra ny Zanak’Isiraely ka nitaraina tamin’i Jehovah.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary rehefa mby akaiky Farao, dia natopin'ny Zanak'Isiraely ny masony, ka, indreo, ny Egyptiana tamy manenjika azy; dia raiki-tahotra indrindra ny Zanak'Isiraely ka nitaraina tamin'i Jehovah.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Rehefa nanakaiky i Farao dia natopin’ny Zanak’Israely ny masony ka indreo ny Ejiptiana tamy manenjika azy. Dia raiki-tahotra indrindra ny Zanak’Israely ka nitaraina tamin’NY TOMPO.

Jereo ny toko



Eksodosy 14:10
23 Rohy Ifampitohizana  

Nony nahita an’i Jôsafata ireo komandin-kalesy, dia nihevitra azy ho ny mpanjakan’i Israely mihitsy. Dia nohodidininy hasiana izy; kanjo niantso vonjy kosa i Jôsafata, ka namonjy azy ny TOMPO Andriamanitra, ary nampiala ny fahavalo teo aminy.


Hitanao ny fahorian’ny razanay tany Ejipta sady renao ny fitarainany teo amoron’ny Ranomasin’ny Volotara;


Hitany ny fijalian’ireo ary reny ny fitarainany.


Dia niantso vonjy tamin’ny TOMPO izy fa ory ka nafahany tamin’ny fahatereny,


Dia niantso vonjy tamin’ny TOMPO izy fa ory ka nafahany tamin’ny fahatereny,


Dia niantso vonjy tamin’ny TOMPO izy fa ory ka notsoahany tamin’ny fahatereny.


Dia niantso vonjy tamin’ny TOMPO izy fa ory ka nafahany tamin’ny fahatereny,


Toherin’ny TOMPO kosa ny mpanao ratsy, ka fongorany tsy eo amin’ny tany ny fahatsiarovana azy ireny.


Hoy kosa Andriamanitra hoe: «Tena tsy mahalala mihitsy ny mpanao ratsy rehetra fa fitsentsefana ny vahoakako no ataony foto-pivelomana sady Izaho tsy antsoiny akory!»


«Nesoriko teo an-tsorokareo ny entana; ny tananareo afa-namela ny sobika mavesatra.


Rehefa nalefan’ny Farao ny Israelita, dia tsy notarihin’Andriamanitra lalana hankany amin’ny tanin’ny Filistinina na dia akaiky aza io. Nanahy mantsy Andriamanitra fandrao hatahotra ny hahita ady ny vahoaka ka hiova hevitra, ary hiverina any Ejipta.


Niantso vonjy tamin’ny TOMPO i Mosesy, dia natorony rantsan-kazo iray. Natsipin’i Mosesy tao anaty rano izany ka nanjary mamy ny rano. Tao no nanomezan’ny TOMPO fitsipika sy fombafomba ho an’ny Israelita ary nizahany toetra azy ireo.


TOMPO ô, fony azom-pahoriana izahay, dia nitady Anao tokoa; ary niantso vonjy taminao izahay, rehefa voaterin’ny famaizanao.


Dia nampandrenesina i Ahaza, taranak’i Davida, sy ny tao an-dapany fa efa mitoby any Efraîma ny Sirianina. Koa taitra ny fon’ny mpanjaka sy ny an’ny vahoakany, tahaka ny hazo any an’ala rehefa tsofin’ny rivotra.


Nilamina erỳ ianao niteronterona teny Libano, nanana akany tao anatin’ny sedera; kanjo akory izato sentonao fa nahazo anao tampoka ny fanaintainana tahaka ny fahararin’ny vehivavy miteraka!


Tsarovy ny nampahatezeranareo ny TOMPO Andriamanitrareo; aza hadinoinareo mihitsy izany! Hatreo amin’ny andro nialanareo tany Ejipta ka hatramin’izao nahatongavanareo teto amin’ity toerana ity izao, dia tsy nitsahatra niodina tamin’ny TOMPO ianareo.


Ary nony navoakako avy tany Ejipta ny razanareo, dia tonga teo amin’ny Ranomasin’ny Volotara; nefa ny Ejiptianina nanenjika azy hatreo an-kalesy sy an-tsoavaly.


Tamin’izay ny razanareo no niantso vonjy tamiko TOMPO; koa nametrahako haizina mikitroka tanelanelan’ireo sy ny Ejiptianina sady nazerako tamin’ireto Ejiptianina ireto ny onjan-dranomasina ka nanafotra azy. Fantatrareo tsara izay efa nataoko hamelezana ny Ejiptianina! Avy teo dia nipetraka ela tany an-taniefitra ny razanareo.


Tsy mba manan-tahotra ny fitiavana, fa ny fitiavana lavorary mandroaka ny tahotra. Mifantoka amin’ny sazy manko ny tahotra, fa izay matahotra dia mbola tsy lavorary amin’ny fitiavana.