Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 15:25 - DIEM PROTESTANTA

25 Niantso vonjy tamin’ny TOMPO i Mosesy, dia natorony rantsan-kazo iray. Natsipin’i Mosesy tao anaty rano izany ka nanjary mamy ny rano. Tao no nanomezan’ny TOMPO fitsipika sy fombafomba ho an’ny Israelita ary nizahany toetra azy ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

25 Dia nitaraina tamin’NY TOMPO i Mosesy ka nanehoan’NY TOMPO hazo iray; rehefa natsipiny tao anatin’ny rano io hazo io dia tonga mamy ny rano. Tao no nanomezan’NY TOMPO lalàna sy fitsipika ho azy ary tao no nizahany toetra azy

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

25 Niantso vonjy tamin’ny TOMPO i Mosesy, dia natorony rantsan-kazo iray. Natsipin’i Mosesy tao anaty rano izany ka nanjary mamy ny rano. Tao no nanomezan’ny TOMPO fitsipika sy fombafomba ho an’ny Israelita ary nizahany toetra azy ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

25 I Môizy nitaraina tamin’i Iaveh, ka notoroan’i Iaveh hazo izy, dia natsipiny tao anaty rano io, dia tonga mamy ny rano. Tao no nanomezan’i Iaveh ny fitsipika aman-dalàna ny vahoaka sy nizahany toetra azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

25 Ary dia nitaraina tamin’i Jehovah izy, ka dia nanehoan’i Jehovah hazo anankiray, ary rehefa natsipiny tao anatin’ny rano izany, dia tonga mamy ny rano. Tao no nanomezan’i Jehovah lalàna sy fitsipika ho azy, ary tao no nizahany toetra azy,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

25 Ary dia nitaraina tamin'i Jehovah izy, ka dia nanehoan'i Jehovah hazo anankiray, ary rehefa natsipiny tao anatin'ny rano izany, dia tonga mamy ny rano. Tao no nanomezan'i Jehovah lalàna sy fitsipika ho azy, ary tao no nizaha ny toetra azy,

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

25 Dia nitaraina tamin’NY TOMPO i Mosesy ka nanehoan’NY TOMPO hazo iray; rehefa natsipiny tao anatin’ny rano io hazo io dia tonga mamy ny rano. Tao no nanomezan’NY TOMPO lalàna sy fitsipika ho azy ary tao no nizahany toetra azy

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 15:25
26 Rohy Ifampitohizana  

Ary niainga nankany amin’ilay loharano i Elisà, dia nanipy sira tao sady niteny hoe: –Izao no lazain’ny TOMPO: «Efa nodioviko ity rano ity, ka tsy hahatonga fahafatesana na tsy fahavokarana intsony izy.»


Fa niangavian’i Elisà kosa ny hitondrana lafarinina. Dia nandrotsaka izany tao am-bilany izy, vao niteny hoe: –Andoary amin’izay ny olona ary aoka izy hihinana! Koa nanjary fihinana indray ny tao am-bilany.


Dia hoy i Elisà taminy: –Taiza no nahalatsahan’ny lelam-pamaky? Dia natorony azy ny toerana; ka nanapaka rantsan-kazo iray i Elisà ary natsipiny teo; dia nitsinkafona ilay lelam-pamaky.


Dia antsoy amin’ny andro mahory Aho, fa hanafaka anareo ka homenareo voninahitra.


Nozahanao toetra izahay, Andriamanitra ô, nosedrainao toa volafotsy anaty memy,


«Nesoriko teo an-tsorokareo ny entana; ny tananareo afa-namela ny sobika mavesatra.


Raha miantso vonjy amiko izy, dia hovaliako; raha azom-pahoriana izy, dia ho eo anilany Aho; hafahako izy sy homeko voninahitra.


I Mosesy sy i Aharôna tamin’ireo mpisorony ary i Samoela tamin’ireo mpivavaka aminy dia samy niantso vonjy taminy ka novaliany.


Natopin’ny Israelita ny masony ka indreny ny Ejiptianina tamy manenjika azy, ary ny Farao dia efa mby akaiky. Raiki-tahotra loatra ny Israelita ka niantsoantso ny TOMPO


Ary hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Handatsaka mofo avy any an-danitra ho anareo Aho. Hivoaka hanangona izay sahaza azy isan’andro ny Israelita mba hizahako toetra anareo na handeha araka ny lalànako ianareo na tsia.


Dia niantso vonjy tamin’ny TOMPO i Mosesy nanao hoe: –Inona no hataoko amin’ity vahoaka ity? Fa mila hitora-bato ahy mihitsy izy!


Namaly azy ireo i Mosesy hoe: –Aza matahotra! Raha nanatona anareo Andriamanitra, dia ny mba hizaha toetra anareo; tiany hisy eo aminareo ny fanajana Azy mba tsy hanotanareo.


Misy ny memy fisedrana ny volafotsy ary ny fatana fandrendrehana ny volamena, fa ny TOMPO no mizaha toetra ny fon’ny olona.


Ary hoy ny TOMPO tamiko: –Na dia i Mosesy sy i Samoela aza no mitsangana manelanelana eto amiko, dia tsy handefitra amin’ity vahoaka ity Aho. Roahy hiala eto anatrehako izy mba handeha any!


Toy ny zana-tsipîka mahafaty ny lelany, ka lainga avokoa izay lazainy: Tsara vava amin’ny namany izy, fa ao anatiny manao otri-po.


Rehefa tafaverina teo aho, dia hitako fa nisy hazo marobe teny amoron’ny ony an-daniny roa.


Ary hoy ralehilahy tamiko: «Mizotra hankany amin’ny faritra atsinanana ity ony ity ka midina ny lohasahan’i Jôrdàna ary mivarina eo amin’ny Ranomasina Maty. Rehefa tonga eo an-dranomasina izy, dia manavao ny ranony hanjary hahasalama.


Eny, ny fitoriana momba an’i Kristy voahombo teo amin’ny hazofijaliana dia fahadalana amin’izay ho very, fa herin’Andriamanitra kosa amintsika izay hovonjena.


Na dia tanteraka aza ny famantarana na zava-mahagaga nolazainy taminareo, kanefa avy eo izy manainga anareo hanaraka sy hanompo andriamani-kafa saingy andriamanitra tsy fantatrareo,


Izy koa, tatỳ an-taniefitra, no namahana anareo tamin’ny mana, izay hanina tsy fantatry ny razanareo; nampanetry tena anareo sy nizaha toetra anareo Izy mba hahasambatra anareo rahatrizay.


Tsarovy avokoa ny lalana izay nasain’ny TOMPO Andriamanitrareo halehanareo tatỳ an-taniefitra, nandritra izay efapolo taona izay, mba hampanetry tena anareo; nizaha toetra anareo Izy tamin’izany mba hahalalany izay ao am-ponareo na hitandrina ny didiny ianareo na tsia.


Fa hampiasaiko ireny mba hizahako toetra azy na hanaraka ny sitrapoko ny Israelita ka hankatò Ahy tahaka izay nataon’ny razany na tsia.


Ireo firenen-kafa ireo moa no navelan’ny TOMPO haharitra teo amin’ny tany dia mba hizahany toetra ny Israelita rehetra izay tsy mbola nandray anjara tamin’ny ady nahazoana an’i Kanahàna;


Ireo no nizahan’ny TOMPO toetra ny Israelita mba hahafantarany na hankatò ny didy izay nomeny ny razany tamin’ny alalan’i Mosesy izy na tsia.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra