Fa ao amin’ny Israelita rehetra kosa dia tsy handrenesana na inona na inona, na dia ny vovòn’alika amin’ny olona sy amin’ny biby fiompy aza. Izay no hahafantaranareo fa Izaho TOMPO dia manavaka ny Ejiptianina amin’ny Israelita».
Eksodosy 11:6 - DIEM PROTESTANTA Hanako eran’i Ejipta ny fidradradradrana lehibe izay tsy mbola nisy toa azy, sady tsy hisy ho toa azy intsony. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary hisy fidradradradrana mafy manerana ny tany Ejipta manontolo, izay tsy mbola nisy tahaka izany sady tsy hisy tahaka izany intsony. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Hanako eran’i Ejipta ny fidradradradrana lehibe izay tsy mbola nisy toa azy, sady tsy hisy ho toa azy intsony. Baiboly Katolika Hisy fidradradradrana mafy eran’ny tany Ejipta rehetra, izay tsy mbola nisy toa azy ary tsy hisy tao azy intsony. Baiboly Protestanta Malagasy Ary hisy fidradradradrana mafy eran’ny tany Egypta rehetra, izay tsy mbola nisy tahaka izany, sady tsy hisy tahaka izany intsony. Malagasy Bible Ary hisy fidradradradrana mafy eran'ny tany Egypta rehetra, izay tsy mbola nisy tahaka izany, sady tsy hisy tahaka izany intsony. La Bible en Malgache Ary hisy fidradradradrana mafy manerana ny tany Ejipta manontolo, izay tsy mbola nisy tahaka izany sady tsy hisy tahaka izany intsony. |
Fa ao amin’ny Israelita rehetra kosa dia tsy handrenesana na inona na inona, na dia ny vovòn’alika amin’ny olona sy amin’ny biby fiompy aza. Izay no hahafantaranareo fa Izaho TOMPO dia manavaka ny Ejiptianina amin’ny Israelita».
Tamin’io alina io dia nifoha ny Farao sy ny tandapany ary ny Ejiptianina rehetra fa nisy fidradradradrana mafy nanerana an’i Ejipta, satria ny trano rehetra dia nisy maty avokoa.
Ary hoy ny TOMPO hoe: –Efa hitako tokoa ny fahorian’ny vahoakako any Ejipta ary efa reko ny fitarainany noho ny famelezan’ireo mpampahory azy; eny, fantatro ny fijaliany.
Noho izany, rahampitso amin’ny ora toy izao aho dia hampilatsaka havandra be dia be izay tsy mbola nisy toa azy hatramin’ny andro niorenan’ny Ejipta ka mandraka androany.›
Izay manampin-tsofina amin’ny fitarainan’ny mahantra dia tsy hisy hihaino rehefa mba mitaraina koa.
Antsoantsom-pitarainana no heno manodidina ny faritanin’i Môaba; hatrany Eglaîma sy hatrany Beera-Elima aza no andrenesana ny fidradradradràny.
Amin’izany andro izany, dia ho tahaka ny olona vavivavy toetra ny Ejiptianina, ka hangovitra noho ny tahotra raha vao maninji-tanana handrahona azy ny TOMPOn’izao rehetra izao.
Izao no lazain’ny TOMPO: Nisy fitarainana heno tao Ramà, dia fitomaniana sy fidradradradrana mafy. I Rahely no mitomany ny zanany; ka tsy mety nampiononina izy satria tsy eo intsony ny zanany.»
Any amin’ny tanimboaloboka rehetra dia hisy tomanim-pisaonana, satria handalo ao aminareo Aho. Izaho TOMPO no miteny.»
Amin’izany andro izany, hoy ny teny hentitra lazaiko, ao Jerosalema dia handrenesana kiaka mafy eo am-bavahadin-trondro sy fitomaniana ao Antanambao ary firodanan-trano eny amin’ny havoana.
Any tokoa ianareo no hitomany sy hikitro-nify, rehefa hitanareo ao amin’ny Fanjakàn’Andriamanitra ry i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba mbamin’ny mpaminany rehetra; fa ianareo kosa voaroaka any ivelany.