Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Isaia 19:16 - DIEM PROTESTANTA

16 Amin’izany andro izany, dia ho tahaka ny olona vavivavy toetra ny Ejiptianina, ka hangovitra noho ny tahotra raha vao maninji-tanana handrahona azy ny TOMPOn’izao rehetra izao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

16 Amin’izany andro izany dia ho tahaka ny vehivavy i Ejipta ka ho toran-kovitra sy ho raiki-tahotra noho ny fanaingan’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, ny tanany, izay aingainy hamelezany azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

16 Amin’izany andro izany, dia ho tahaka ny olona vavivavy toetra ny Ejiptianina, ka hangovitra noho ny tahotra raha vao maninji-tanana handrahona azy ny TOMPOn’izao rehetra izao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

16 Amin’izany andro izany i Ejipta, hanahaka ny vehivavy; ho toran-kovitra sy ho raiki-tahotra, mahita an’i Iavehn’ny tafika manainga tanana, izay aingainy hamelezana azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

16 Amin’izany andro izany dia ho tahaka ny vehivavy Egypta Ka ho toran-kovitra sy ho raiki-tahotra Noho ny faninjitr’i Jehovah, Tompon’ny maro, ny tànany, Izay ahinjiny hamelezany azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

16 Amin'izany andro izany dia ho tahaka ny vehivavy Egypta ka ho toran-kovitra sy ho raiki-tahotra noho ny faninjitr'i Jehovah, Tompon'ny maro, ny tànany, izay ahinjiny hamelezany azy.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 19:16
18 Rohy Ifampitohizana  

kanjo nahatazana, dia nidonàka, nangorohoro ka riatra nandositra.


Hanako eran’i Ejipta ny fidradradradrana lehibe izay tsy mbola nisy toa azy, sady tsy hisy ho toa azy intsony.


Fa androtr’io ihany ny fahavalo dia maka toerana ao Nôba, ka maninji-tanana mandrahona an’i Tsiôna, dia ilay tendrombohitra mampahonena, ilay havoana iorenan’i Jerosalema.


Handritra ny helo-dranomasin’i Ejipta ny TOMPO; haninji-tanana handrahona ny ony Eofrata Izy, ka ny rivo-mahery avy aminy no hizaràny azy hisampantsampana ho sakeli-drano fito izay ho azo diavin-tongotra tsy miala kapa.


Hoy ny TOMPO hoe: «Manangàna faneva eo an-tendrombohitra mangadihady. Ampandreneso amin’ny koka lava ireo mpiady. Hofahofay tanana izy mba hiditra amin’ny vavahadin’ny miaramila manolo-tena.


Fahavalo iray monja no mandrahona, dia hampandositra ny arivo aminareo; ary raha misy dimy aminy no mandrahona dia handositra avokoa ianareo rehetra. Ka singantsingany no sisa ho velona aminareo, tahaka ny famantarana eny an-tampon-tendrombohitra na tahaka ny faneva tavela eny amin’ny havoana.


Hisy ady hamely ny soavaliny sy ny kalesiny mbamin’ny olona rehetra samy hafa firenena ao aminy, ka halemy toy ny vehivavy izy! Hisy ady hamely ny haren-tsarobidiny, ka ho voaroba ireo!


Tsy mety hiady intsony ny miaramila kalazan’i Babilôna, fa lasa niery any amin’ny trano fiarovana. Lefy herim-po izy, ka nalemy toy ny vehivavy. Nodorana ny fonenany, potika ny hidim-baravarany.


Dia ho raiki-tahotra mafy ny lehilahy maherinao, ry Temàna; ka haringana avokoa ny mponina ao amin’ny tendrombohitr’i Hesao.


Indro tonga osa toy ny vehivavy ny lehilahy eo aminao; ary midanadana ho an’ny fahavalonao ny vavahadin’ny taninao, satria kilan’ny afo ny hidiny.


Hamakivaky ny ranomasim-pahoriana izy; Izaho Tompo kosa hively ny onjan-dranomasina sy hahatankina tanteraka ny onin’ny Neily. Dia haetry ny avonavon’i Asiria, ary ho very fahefana i Ejipta.


Eny, haninjirako tanana ireo firenena ireo mba ho lasa babon’ireo nandevoziny.» Amin’izay dia hiaiky ianareo fa ny TOMPOn’izao rehetra izao no naniraka ahy.


Ary hoy ny teny hentitry ny TOMPO hoe: ‹Izaho no ho manda afo manodidina hiaro ny tanàna, ary ny voninahitro no ho eo afovoany›. »


Izany no nahatonga ahy ho osa sy natahotra ary nangovitra teo anoloanareo;


Fantatray ny atao hoe fahatahorana ny Tompo, ka miezaka hampanaiky ny olona izahay. Tena mahalala anay Andriamanitra, ary antenaiko fa mahalala ahy ao amin’ny fieritreretanareo koa ianareo.


Zavatra mahatahotra izany ho azon’ny tanan’ilay Andriamanitra velona!


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra