Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 10:5 - DIEM PROTESTANTA

Ho rakotry ny valala ny tany ka tsy ho hita intsony. Hohaniny ny voly sisa tsy voan’ny havandra, ary tsy hasiany miangana ny hazo maniry rehetra any an-tsaha.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Handrakotra ny tany rehetra ireny ka tsy ho hita ny tany; dia hohaniny ny sisan’ny havandra izay navela ho anareo; hohaniny avokoa ny hazo rehetra any an-tsaha izay maniry ho anareo;

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ho rakotry ny valala ny tany ka tsy ho hita intsony. Hohaniny ny voly sisa tsy voan’ny havandra, ary tsy hasiany miangana ny hazo maniry rehetra any an-tsaha.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Ho rakotra azy ny tany, tsy ho hita hirangirana ny tany; holevoniny avokoa ny sisa tsy voa izay navelan’ny havandra ho anareo; hohaniny daholo ny hazo maniry eny an-tsaha,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

dia handrakotra ny tany rehetra ireny, ka tsy ho hita ny tany; dia hohaniny ny sisan’ny havandra, izay navela ho anareo, ka hohaniny avokoa ny hazo rehetra izay maniry ho anareo any an-tsaha;

Jereo ny toko

Malagasy Bible

dia handrakotra ny tany rehetra ireny, ka tsy ho hita ny tany; dia hohaniny ny sisan'ny havandra, izay navela ho anareo, ka hohaniny avokoa ny hazo rehetra izay maniry ho anareo any an-tsaha;

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Handrakotra ny tany rehetra ireny ka tsy ho hita ny tany; dia hohaniny ny sisan’ny havandra izay navela ho anareo; hohaniny avokoa ny hazo rehetra any an-tsaha izay maniry ho anareo;

Jereo ny toko



Eksodosy 10:5
7 Rohy Ifampitohizana  

Ary hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Ahinjiro eo ambonin’ny tany Ejipta ny tananao mba hiantso ny valala, dia hiakatra ao Ejipta ireny ka hihinana ny zava-maniry rehetra sisan’ny havandra.


Nandrakotra ny tany manontolo ireny ka maizina ny tany. Nohanin’ny valala ny ahitra rehetra tamin’ny tany sy ny voankazo rehetra sisan’ny havandra, koa tsy nisy zava-maitso tavela intsony nanerana an’i Ejipta manontolo na tamin’ny hazo na tamin’ny zava-maniry eny an-tsaha.


Raha mandà ianao, dia handefasako valala ao amin’ny faritaninao rahampitso.


Fa ny varim-bazaha sy ny ampemby voly aoriana, dia tsy maninona.


Izay tsy lanim-panday, hanim-balala; izay tsy lanim-balala, hanim-boangory; ary izay tsy lanim-boangory, hanin-kijeja.


«Onerako aminareo, hoy ny TOMPO, ireo vokatra nohanin’ny fanday sy ny valala mbamin’ny voangory sy ny kijeja; ireny miaramila betsaka ireny no nalefako hamely anareo.


Tahaka ny afo mandevona no hanimbany ny eo alohany sy handoroany ny ao aoriany. Talohan’ny fahatongavany dia toy ny zaridainan’i Hedena ny tany; taorian’ny fandalovany kosa dia taniefitra kilan’ny afo no sisa. Eny, tsy nisy izay tsy ravany.