Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 10:12 - DIEM PROTESTANTA

12 Ary hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Ahinjiro eo ambonin’ny tany Ejipta ny tananao mba hiantso ny valala, dia hiakatra ao Ejipta ireny ka hihinana ny zava-maniry rehetra sisan’ny havandra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

12 Nefa hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Atsory ambonin’ny tany Ejipta ny tananao hiavian’ny valala, dia hiakatra ho eto amin’ny tany Ejipta ireny ary hihinana ny zavamaniry amin’ny tany, dia izay rehetra sisan’ny havandra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

12 Ary hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Ahinjiro eo ambonin’ny tany Ejipta ny tananao mba hiantso ny valala, dia hiakatra ao Ejipta ireny ka hihinana ny zava-maniry rehetra sisan’ny havandra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

12 Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Ahinjiro eo ambonin’ny tany Ejipta ny tananao ny amin’ny valala; aoka hiakarany ny tany Ejipta; aoka handevona ny ahitra rehetra amin’ny tany izy, izay sisan-kavandra rehetra.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

12 Ary hoy Jehovah tamin’i Mosesy: Ahinjiro ambonin’ny tany Egypta ny tànanao hihavian’ny valala, dia hiakatra ho eto amin’ny tany Egypta ireny, ary dia hihinana ny zava-maniry amin’ny tany, dia izay rehetra sisan’ny havandra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

12 Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Ahinjiro ambonin'ny tany Egypta ny tananao hihavian'ny valala, dia hiakatra ho eto amin'ny tany Egypta ireny, ary dia hihinana ny zava-maniry amin'ny tany, dia izay rehetra sisan'ny havandra.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

12 Nefa hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Atsory ambonin’ny tany Ejipta ny tananao hiavian’ny valala, dia hiakatra ho eto amin’ny tany Ejipta ireny ary hihinana ny zavamaniry amin’ny tany, dia izay rehetra sisan’ny havandra.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 10:12
6 Rohy Ifampitohizana  

Niteny Izy, dia tonga ny valala sy ny kijeja tsy hita isa


Nandrakotra ny tany manontolo ireny ka maizina ny tany. Nohanin’ny valala ny ahitra rehetra tamin’ny tany sy ny voankazo rehetra sisan’ny havandra, koa tsy nisy zava-maitso tavela intsony nanerana an’i Ejipta manontolo na tamin’ny hazo na tamin’ny zava-maniry eny an-tsaha.


Ary hoy koa ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Lazao i Aharôna handray ny tehinao ka haninjitra ny tanany manandrify ny rano rehetra eto Ejipta, izany hoe ny renirano sy ny lakan-drano mbamin’ny farihy rehetra; dia hiova ho ra ny rano amin’ireny. Ary hisy ra manerana ny tany Ejipta manontolo, hatrany an-tsinibe hazo sy vato.


Fa ny varim-bazaha sy ny ampemby voly aoriana, dia tsy maninona.


Ary nisy valala navoakan’io setroka io mba hankamin’ny tany sady nomena hery toy ny an’ny maingoka etỳ an-tany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra