Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Joela 1:4 - DIEM PROTESTANTA

4 Izay tsy lanim-panday, hanim-balala; izay tsy lanim-balala, hanim-boangory; ary izay tsy lanim-boangory, hanin-kijeja.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

4 Izay sisan’ny kijeja dia nohanin’ny koraika; ary izay sisan’ny koraika dia nohanin’ny valalavao; ary izay sisan’ny valalavao dia nohanin’ny sompanga.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

4 Izay tsy lanim-panday, hanim-balala; izay tsy lanim-balala, hanim-boangory; ary izay tsy lanim-boangory, hanin-kijeja.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

4 Ny sisan’ny Gazàna nohanin’ny valala; ny sisan’ny valala nohanin’ny ieleka ny sisan’ny ieleka nohanin’ny kasila.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

4 Izay sisan’ny kijeja dia nohanin’ny koraika; Ary izay sisan’ny koraika dia nohanin’ny valalavao: Ary izay sisan’ny valalavao dia nohanin’ny sompanga.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

4 Izay sisan'ny kijeja dia nohanin'ny koraika; Ary izay sisan'ny koraika dia nohanin'ny valalavao: Ary izay sisan'ny valalavao dia nohanin'ny sompanga.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

4 Izay sisan’ny kijeja dia nohanin’ny koraika; ary izay sisan’ny koraika dia nohanin’ny valalavao; ary izay sisan’ny valalavao dia nohanin’ny sompanga.

Jereo ny toko dika mitovy




Joela 1:4
19 Rohy Ifampitohizana  

«Mety hisy mosary eto amin’ity tany ity na areti-mandringana, mety ho mainan’ny rivotra na ho lo am-potony ny vary, na koa hisy andiam-balala sy sompanga tonga; mety hisy fahavalo manao fahirano ireo Israelita ao amin’ny tanàna anankiray, na koa hipoitra ny fahoriana aman’areti-mifindra isan-karazany.


«Mety hisy mosary eto amin’ity tany ity na areti-mandringana, mety ho mainan’ny rivotra na ho maty fotsy ny vary, na koa hisy andiam-balala sy sompanga tonga; mety hisy fahavalo manao fahirano ny Israelita eto amin’ny taniny sy eto amin’ny tanànany, na koa hipoitra ny fahoriana aman’areti-mifindra isan-karazany.


Mety hampikatona ny lanitra Aho ka tsy hisy ranonorana latsaka, mety hibaiko ny valala handrava ny tany Aho, na mety handefa areti-mandringana hamely ny vahoakako;


Niteny Izy, dia tonga ny valala sy ny kijeja tsy hita isa


nomeny hohanin’ny sompanga ireo vokatry ny taniny ary hohanin’ny valala ny valin-kasasarany;


Raha mandà ianao, dia handefasako valala ao amin’ny faritaninao rahampitso.


Ho rakotry ny valala ny tany ka tsy ho hita intsony. Hohaniny ny voly sisa tsy voan’ny havandra, ary tsy hasiany miangana ny hazo maniry rehetra any an-tsaha.


Miavosa toa fiavosam-balala ny remby; ary toa firohotr’andiam-balala no hirohotana mankeo aminy.


Ny TOMPOn’izao rehetra izao dia nianiana tamin’ny tenany hoe: «Handefa olona hibosesika ao aminao Aho, ka ho maro toy ny valala ireny, ary hanao akoran’ady hamelezana anao.»


Atsangano ny fanevam-panairana eo amin’ny tany, tsofy any amin’ny firenen-kafa ny anjomara; entano ny firenena rehetra hamely an’i Babilôna, antsoy hamely azy ny fanjakana any Ararata sy Menỳ ary Askenaza. Manendre mpifehy hamory miaramila; soavaly marobe no alefaso hanafika toy ny valala manao andiany.


«Onerako aminareo, hoy ny TOMPO, ireo vokatra nohanin’ny fanday sy ny valala mbamin’ny voangory sy ny kijeja; ireny miaramila betsaka ireny no nalefako hamely anareo.


Nasiako tamin’ny vary main’ny rivotra sy maty fotsy ianareo; nofongorako ny zaridainanareo sy ny voalobokareo, nohanin’ny valala ny aviavinareo sy ny ôlivanareo, nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo; teny hentitra avy amiko TOMPO izany.


Izao no nasehon’ny Tompo ANDRIANANAHARY ahy tamin’ny fahitana: Indro Izy nanao andiam-balala tamin’ny fiandohan’ny fitsimohan’ny kolokolo, dia ny kolokolo taorian’ny fijinjana vary ho an’ny mpanjaka.


Tsy havelako hanimba ny volinareo ny bibikely ka hahavanom-boa ny voalobokareo any an-tsaha, hoy Izaho TOMPOn’izao rehetra izao.


Voan-javatra betsaka no hoentinareo hafafy any an-tsaha, fa kely kosa no vokatra hangoninareo, satria ho lanin’ny valala ireny.


Ny hazonareo sy ny vokatry ny taninareo dia ho lanin’ny valala avokoa.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra