Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 10:15 - DIEM PROTESTANTA

15 Nandrakotra ny tany manontolo ireny ka maizina ny tany. Nohanin’ny valala ny ahitra rehetra tamin’ny tany sy ny voankazo rehetra sisan’ny havandra, koa tsy nisy zava-maitso tavela intsony nanerana an’i Ejipta manontolo na tamin’ny hazo na tamin’ny zava-maniry eny an-tsaha.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

15 Fa nandrakotra ny tany rehetra ireny ka tonga maizina ny tany; nohaniny ny anana rehetra teo amin’ny tany sy ny voankazo rehetra izay sisan’ny havandra ka tsy nisy sisa ny zava-maitso manerana ny tany Ejipta manontolo, na tamin’ny hazo na tamin’ny anana tany an-tsaha.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

15 Nandrakotra ny tany manontolo ireny ka maizina ny tany. Nohanin’ny valala ny ahitra rehetra tamin’ny tany sy ny voankazo rehetra sisan’ny havandra, koa tsy nisy zava-maitso tavela intsony nanerana an’i Ejipta manontolo na tamin’ny hazo na tamin’ny zava-maniry eny an-tsaha.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

15 Rakotra azy ny tany rehetra, maizina ny tany azon’ireny. Levona avokoa ny ahitra tamin’ny tany, mbamin’ny voan’ny hazo, izay sisan-kavandra rehetra; tsy nisy niangana ny zava-maitso tamin’ny hazo sy tamin’ny ahitra any an-tsaha eran’ny tany Ejipta tontolo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

15 Fa nandrakotra ny tany rehetra ireny, ka efa maizina ny tany; ary nohaniny ny anana rehetra teo amin’ny tany sy ny voankazo rehetra, izay sisan’ny havandra; ka dia tsy nisy sisa ny zava-maitso eran’ny tany Egypta rehetra, na tamin’ny hazo, na tamin’ny anana tany an-tsaha.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

15 Fa nandrakotra ny tany rehetra ireny, ka efa maizina ny tany; ary nohaniny ny anana rehetra teo amin'ny tany sy ny voankazo rehetra, izay sisan'ny havandra; ka dia tsy nisy sisa ny zava-maitso eran'ny tany Egypta rehetra, na tamin'ny hazo, na tamin'ny anana tany an-tsaha.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

15 Fa nandrakotra ny tany rehetra ireny ka tonga maizina ny tany; nohaniny ny anana rehetra teo amin’ny tany sy ny voankazo rehetra izay sisan’ny havandra ka tsy nisy sisa ny zava-maitso manerana ny tany Ejipta manontolo, na tamin’ny hazo na tamin’ny anana tany an-tsaha.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 10:15
11 Rohy Ifampitohizana  

nomeny hohanin’ny sompanga ireo vokatry ny taniny ary hohanin’ny valala ny valin-kasasarany;


Ary hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Ahinjiro eo ambonin’ny tany Ejipta ny tananao mba hiantso ny valala, dia hiakatra ao Ejipta ireny ka hihinana ny zava-maniry rehetra sisan’ny havandra.


Ho rakotry ny valala ny tany ka tsy ho hita intsony. Hohaniny ny voly sisa tsy voan’ny havandra, ary tsy hasiany miangana ny hazo maniry rehetra any an-tsaha.


ny valala, izay tsy mana-mpanjaka, nefa hain’izy rehetra ny miainga manao andiany;


Izay tsy lanim-panday, hanim-balala; izay tsy lanim-balala, hanim-boangory; ary izay tsy lanim-boangory, hanin-kijeja.


«Onerako aminareo, hoy ny TOMPO, ireo vokatra nohanin’ny fanday sy ny valala mbamin’ny voangory sy ny kijeja; ireny miaramila betsaka ireny no nalefako hamely anareo.


Ary rehefa tapitra lanin’ny valala avokoa ny ahitra rehetra tamin’ny tany, dia hoy aho hoe: «Ry Tompo ANDRIAMANITRA ô, mba avelao re ny heloky ny vahoakanao! Fa fomba ahoana no hahajoroan’ny taranak’i Jakôba satria kely izy?»


Dia naniraka olona i Balàka hankany amin’i Balahama zanakalahin’i Behôra any Petôra amoron’ny ony Eofrata, any amin’ny tanin’ny Hamavita; ka izao no teny nampitondrainy ho an’i Balahama: «Misy vahoaka niala tany Ejipta tonga eto amiko, ary mandrakotra ny taniko sady mitoby eto anatrehako.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra