Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Daniela 7:15 - DIEM PROTESTANTA

«Izaho Daniela dia nitebiteby hatramin’ny aty fanahiko fa nampitahotra mafy ahy ny fahitana.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Izaho Daniela dia nangitakitaka tato anatiko, ary naharaiki-tahotra ahy ny fahitana hitako.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

«Izaho Daniela dia nitebiteby hatramin’ny aty fanahiko fa nampitahotra mafy ahy ny fahitana.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Izaho Daniela nalahelo tam-panahy, ary ny fahitan’ny lohako naharaiki-tahotra ahy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Izaho Daniela nalahelo tam-panahy, ary ny fahitan'ny lohako naharaiki-tahotra ahy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Izaho Daniela dia nangitakitaka tato anatiko, ary naharaiki-tahotra ahy ny fahitana hitako.

Jereo ny toko



Daniela 7:15
18 Rohy Ifampitohizana  

Nony maraina dia nampiantso ny mpimasy sy ny olon-kendry rehetra tao Ejipta ny Farao satria feno tebiteby. Notantarainy tamin’ireo ny nofiny, kanefa tsy nisy nahalaza ny heviny.


Tsy izaho no nanery Anao hanafaingana ny loza, Tompo ô, na nirary hiavian’ny antambo. Fantatrao tokoa izany, satria niharihary teo anatrehanao izay hafatra naloaky ny molotro.


Fa indro nisy anankiray nanana endrik’olombelona nanendry ny molotro; dia nanoka-bava aho ka niteny tamin’ilay nitsangana teo anilako hoe: ‹Noho ny fahitana, tompoko, dia nitebiteby aho ka tsy nanan-kery intsony.


Ary tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Nebokadnetsara, dia nanonofy izy. Nampitebiteby azy izany, hany ka tsy nahitany tory.


dia nilazany hoe: –Nanonofy aho ka nampitebiteby ahy izany; liana te hahalala ilay nofy aho.


Ianao io hazo io, ry mpanjaka! Fa tonga lehibe sady matanjaka ianao; ny fahalehibeazanao dia nitombo ka nahatakatra ny lanitra, ary ny fanapahanao nipaka hatrany amin’ny faran’ny tany.


Nony farany, tonga teo anatrehako i Daniela izay atao hoe Beltesatsara araka ny anaran’ny andriamanitro sady entanin’ny fanahin’ireo andriamanitra masina; dia ny nofiko no nambarako teo anatrehany hoe:


Tamin’ny taona voalohany nanjakan’i Belsatsara tao Babilôna dia nanonofy i Daniela ary nahazo fahitana teo am-pandriany. Nosoratany ny nofy ary notantarainy araka izao manaraka izao:


«Mifarana eo ilay tantara. Fa ny amiko Daniela kosa dia nampitebiteby mafy ahy ny eritreritro ka nivaloarika ny tarehiko; nefa notehiriziko tao am-poko izany zavatra izany.»


Nojereko ilay fahitana, ka indro aho nahita ny tenako tao Sosàna, tanàna mimanda tao amin’ny faritanin’i Helama; ary hitako tamin’ny fahitana koa fa teo amoron’ny renirano Olay aho.


Ary izaho Daniela dia reraka sy nandraiki-narary andro vitsivitsy. Avy eo dia nitsangana aho ka nanao ny raharahan’ny mpanjaka. Gaga tamin’izany fahitana izany aho satria tsy no fantatro ny heviny.


Reko avokoa izany ka dia mangotika aho. Mipararetry ny tahotra koa ny molotro. Mihaosa ny tenako ka mangozohozo famindra. Eny, am-pahanginana no tsy maintsy iandrasako ny androm-pahoriana hamelezan’Andriamanitra ity vahoaka izay mamoritra anay ity.


Eny, fantatro fa ho avy faingana ny fanesorana ahy amin’ity fiaina-mandalo ity, araka ny efa nasehon’i Jesoa Kristy Tompontsika tamiko.