Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Petera 1:14 - DIEM PROTESTANTA

14 Eny, fantatro fa ho avy faingana ny fanesorana ahy amin’ity fiaina-mandalo ity, araka ny efa nasehon’i Jesoa Kristy Tompontsika tamiko.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

14 satria fantatro fa ho avy tampoka ny hanesorana ny tranolaiko, araka izay nasehon’i Jesosy Kristy Tompontsika tamiko koa.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

14 Eny, fantatro fa ho avy faingana ny fanesorana ahy amin’ity fiaina-mandalo ity, araka ny efa nasehon’i Jesoa Kristy Tompontsika tamiko.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

14 satria fantatro fa akaiky ny hialako amin’ny tranolaiko araka izay nambaran’i Jesoa Kristy Tompontsika tamiko,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

14 satria fantatro fa ho avy tampoka ny hanesorana ny trano-laiko, dia toy ny nasehon’i Jesosy Kristy Tompontsika tamiko koa.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

14 satria fantatro fa ho avy tampoka ny hanesorana ny trano-laiko, dia toy ny nasehon'i Jesosy Kristy Tompontsika tamiko koa.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

14 satria fantatro fa ho avy tampoka ny hanesorana ny tranolaiko, araka izay nasehon’i Jesosy Kristy Tompontsika tamiko koa.

Jereo ny toko dika mitovy




2Petera 1:14
11 Rohy Ifampitohizana  

Fa nongotanao ny fonenako ka nafindranao lavitra ahy toy ny lain’ny mpiandry ondry. Ahoronao toy ny tenona ny fiainako ka efa ho tapaka ny haraka. –Indray andro monja, TOMPO ô no anaperanao ny aiko;


Hoy i Simôna Petera tamin’i Jesoa: –Ho aiza Ianao, ry Tompo? Dia novalian’i Jesoa hoe: –Izay alehako, dia tsy azonao anarahana Ahy ankehitriny, fa any aoriana vao hanaraka Ahy ianao!


Noteteziko avokoa ianareo rehetra ka nitoriako ny Fanjakàn’Andriamanitra; fantatro anefa ankehitriny fa tsy hahita ahy intsony ianareo.


Eny, fantatsika fa raha rava ny tranolay itoerantsika eto an-tany (izany hoe ity vatantsika ity), dia manan-trano izay tsy nataon-tanan’olona fa narafitr’Andriamanitra isika, dia trano maharitra mandrakizay any an-danitra.


Dia hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Indro antomotra ny andro hahafatesanao; koa antsoy i Josoa, ary tongava eo anoloan’ny Tranolay fihaonana ianareo mba hameperako azy. Dia nandeha nankeo anoloan’ny Tranolay fihaonana ry i Mosesy sy i Josoa


Fa izaho moa dia efa halatsa-dra ho sorona araraka, efa mby akaiky ny fotoanandro hialako amin’izao fiainana izao.


Indro ankehitriny efa ho faty tsy ho ela aho. Koa aoka ho fantatrareo amin’ny fonareo manontolo sy amin’ny fanahinareo manontolo fa tsy nisy latsaka na iray aza ny zava-tsoa rehetra nampanantenain’ny TOMPO Andriamanitrareo taminareo; tanteraka taminareo avokoa izy rehetra fa tsy nisy latsaka mihitsy na iray aza.


Saingy heveriko fa raha mbola amin’ity fiaina-mandalo ity koa aho, dia mety ny hanaitairako anareo amin’ny fampahatsiarovana izany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra