Tamin’i Naftalỳ, dia nisy manamboninahitra arivo lahy arahin’ny miaramilany 37 000 nirongo ampinga sy lefona.
Daniela 6:14 - DIEM PROTESTANTA Fa niteny indray ireo ka nanao teo anatrehan’ny mpanjaka hoe: –I Daniela, isan’ireo babo avy any Joda, dia tsy mba miraharaha anao na ny didy izay nosoniavinao, ry mpanjaka ô; fa intelo isan’andro izy no manao fivavahana amin’ny Andriamaniny. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia niteny teo anatrehan’ny mpanjaka izy ireo hoe: I Daniela, ilay isan’ny babo avy amin’ny taranak’i Joda dia tsy mba manaiky anao na ny lalàna izay nasianao sonia, ry mpanjaka ô, fa manao fivavahana intelo isanandro izy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa niteny indray ireo ka nanao teo anatrehan’ny mpanjaka hoe: –I Daniela, isan’ireo babo avy any Joda, dia tsy mba miraharaha anao na ny didy izay nosoniavinao, ry mpanjaka ô; fa intelo isan’andro izy no manao fivavahana amin’ny Andriamaniny. Baiboly Protestanta Malagasy Dia niteny ireo ka nanao teo anatrehan’ny mpanjaka hoe: Ilay Daniela, isan’ny babo avy amin’ny taranak’i Joda, dia tsy manaiky anao, na ny lalàna izay nasianao sonia, ry mpanjaka ô, fa manao fangatahana intelo isan-andro izy. Malagasy Bible Dia niteny ireo ka nanao teo anatrehan'ny mpanjaka hoe: Ilay Daniela, isan'ny babo avy amin'ny taranak'i Joda, dia tsy manaiky anao, na ny lalàna izay nasianao sonia, ry mpanjaka ô, fa manao fangatahana intelo isan'andro izy. La Bible en Malgache Dia niteny teo anatrehan’ny mpanjaka izy ireo hoe: I Daniela, ilay isan’ny babo avy amin’ny taranak’i Joda dia tsy mba manaiky anao na ny lalàna izay nasianao sonia, ry mpanjaka ô, fa manao fivavahana intelo isanandro izy. |
Tamin’i Naftalỳ, dia nisy manamboninahitra arivo lahy arahin’ny miaramilany 37 000 nirongo ampinga sy lefona.
Ary hoy i Hamàna tamin’ny amperôra Kserksesa: –Ry andriamanjaka, misy firenena iray efa miely eny amin’ny faritany rehetra manerana ny fanjakana; maningana io firenena io ary hafa lalàna noho ny firenena rehetra sady tsy mba mankatò ny lalànanao. Tsy mahasoa anao ny mamela azy fotsiny amin’izao.
Anisan’ireo voafidy tao amin’ny fokon’i Joda i Daniela sy i Hananià ary i Misaela sy i Hazarià.
Misy anefa lehilahy jiosy izay voatendrinao hitondra ny faritanin’i Babilôna, dia i Sadràka sy i Mesàka ary i Habeda-Negao; ireo lehilahy ireo dia tsy nanaja ny didinao, ry mpanjaka, tsy mety manompo an’ireo andriamanitrao, ary tsy mivavaka amin’ny sarivongana volamena izay natsanganao.
Tezitra sy nisafoaka mafy i Nebokadnetsara ka nampanalainy i Sadràka sy i Mesàka ary i Habeda-Negao. Rehefa tonga teo anatrehan’ny mpanjaka ireo lehilahy ireo,
Nalahelo fatratra ny mpanjaka, saingy noho ilay fianianana efa nataony ary noho ireo olona niara-nisakafo taminy, dia tsy te handà ny fangatahan-drazazavavy izy.