dia nandeha ilay mpaminany antitra ka nahita ny fatin-dralehilahy niampatra teo amin’ny lalana ary ny boriky sy ny liona nijanona teo anilan’ny faty; nefa ny liona tsy nihinana ny faty ary tsy namiravira ny boriky.
Daniela 3:22 - DIEM PROTESTANTA Ary satria hentitra ny tenin’ny mpanjaka dia voafana izaitsizy ny lafaoro, ka matin’ny lelafo mbamin’ny miaramila izay nanipy an’i Sadràka sy i Mesàka ary i Habeda-Negao. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Noho ny teny hentitra nataon’ny mpanjaka dia natao faran’izay mahamay ny lafaoro ka matin’ny lelafo ireo lehilahy izay nanipy an’i Sadraka sy i Mesaka sy i Abed-Nego. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary satria hentitra ny tenin’ny mpanjaka dia voafana izaitsizy ny lafaoro, ka matin’ny lelafo mbamin’ny miaramila izay nanipy an’i Sadràka sy i Mesàka ary i Habeda-Negao. Baiboly Protestanta Malagasy ary satria mafy ny tenin’ny mpanjaka, ka natao mahamay indrindra ny lafaoro, dia matin’ny lelafo ireny lehilahy izay nanipy an’i Sadraka sy Mesaka sy Abednego. Malagasy Bible ary satria mafy ny tenin'ny mpanjaka, ka natao mahamay indrindra ny lafaoro, dia matin'ny lelafo ireny lehilahy izay nanipy an'i Sadraka sy Mesaka sy Abednego. La Bible en Malgache Noho ny teny hentitra nataon’ny mpanjaka dia natao faran’izay mahamay ny lafaoro ka matin’ny lelafo ireo lehilahy izay nanipy an’i Sadraka sy i Mesaka sy i Abed-Nego. |
dia nandeha ilay mpaminany antitra ka nahita ny fatin-dralehilahy niampatra teo amin’ny lalana ary ny boriky sy ny liona nijanona teo anilan’ny faty; nefa ny liona tsy nihinana ny faty ary tsy namiravira ny boriky.
Nandodona ny Israelita ny Ejiptianina ka nandroaka azy hiala faingana teo amin’ny tany, satria nihevitra izy ireo fa ho faty avokoa.
Ny olo-marina dia afahana amin’ny tebiteby; fa ny olon-dratsy kosa no hiditra hisolo azy ao.
Nomen’ny lehiben’ny tandapa anarana vaovao izy ireo, ka i Daniela nantsoiny hoe Beltesatsara, i Hananià nantsoiny hoe Sadràka, i Misaela nantsoiny hoe Mesàka, ary i Hazarià nantsoiny hoe Habeda-Negao.
nanontaniany momba ny antony nahahenjana ny didy navoakan’ny mpanjaka i Ariôka, dia nampahafantatra azy ny toe-javatra.
Tamin’izay dia faly tokoa ny mpanjaka, ka nasainy nakarina avy ao an-davaka i Daniela; rehefa tafakatra izy, dia tsy nahitana ratra akory satria natoky an’ilay Andriamaniny.
Sady nanipy ny vola tao amin’ny Toeramasina i Jodasy no niala teo, ary dia lasa nananton-tena.
Nampikarohin’i Herôda izy, nefa tsy hita. Dia nalaina am-bava ireto mpiambina ary nasainy novonoina. Avy eo dia niala tao Jodea i Herôda ka nankany Kesaria ary nipetrapetraka tany.