Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 12:33 - DIEM PROTESTANTA

33 Nandodona ny Israelita ny Ejiptianina ka nandroaka azy hiala faingana teo amin’ny tany, satria nihevitra izy ireo fa ho faty avokoa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

33 Dia nandodona ny olona ny Ejiptiana ka nampandeha azy haingana hiala tamin’ny tany satria hoy izy: Ho faty avokoa izahay rehetra!

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

33 Nandodona ny Israelita ny Ejiptianina ka nandroaka azy hiala faingana teo amin’ny tany, satria nihevitra izy ireo fa ho faty avokoa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

33 Nododonan’i Ejiptianina erỳ ny vahoaka, fa maika handefa azy hiala amin’ny tany ireo, fa hoy izy: «Maty avokoa izahay.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

33 Dia nandodona ny olona ny Egyptiana ka nampandeha azy faingana hiala tamin’ny tany, satria hoy izy: Maty avokoa izahay rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

33 Dia nandodona ny olona ny Egyptiana ka nampandeha azy faingana hiala tamin'ny tany, satria hoy izy: Maty avokoa izahay rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

33 Dia nandodona ny olona ny Ejiptiana ka nampandeha azy haingana hiala tamin’ny tany satria hoy izy: Ho faty avokoa izahay rehetra!

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 12:33
9 Rohy Ifampitohizana  

Niseho nofy tamin’i Abimelèka anefa Andriamanitra nony alina ka nanao taminy hoe: –Indro ho faty ianao noho ny amin’ny vehivavy izay nalainao, fa manam-bady izy io.


Ravoravo ny Ejiptianina rehefa niala ny Israelita, satria efa nianjadian’ny tahotra azy loatra.


Ary hoy ireo mpanompony tamin’ny Farao: –Mandra-pahoviana moa no mbola hamandrika antsika ilehiny? Alefaso handeha hanao fanompoam-pivavahana amin’ny TOMPO Andriamaniny any ny lehilahy israelita: Mbola tsy fantatrao ihany ve fa simba i Ejipta?


Hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Mbola asiako loza iray farany ny Farao sy ny Ejiptianina. Aorian’izany vao halefany handeha ianareo; ary horoahiny tanteraka aza ianareo hiala eto.


Dia nendasiny ho mofo tsy misy leviora ny koba voalena izay nentiny nivoaka avy tany Ejipta; fa tsy mbola voaisy leviora akory ny koba dia noroahin’ny Ejiptianina ny Israelita, ka tsy afaka nitaredretra mba hanomana vatsy.


Fa namaly an’i Mosesy ny TOMPO hoe: –Ankehitriny vao ho hitanao izay hataoko amin’ny Farao, fa noho ny herin-tsandriko dia havelany handeha ny Israelita; eny, noho ny herin-tsandriko, dia horoahiny hiala amin’ny taniny izy ireo!


Satria tsy hikoropaka ianareo raha miainga hivoaka ny tanàna, ary tsy hihorohoro raha miala teto; fa ny TOMPO no hialoha lalana anareo ary ny Andriamanitr’i Israely no ho vodilalanareo.


Ary satria hentitra ny tenin’ny mpanjaka dia voafana izaitsizy ny lafaoro, ka matin’ny lelafo mbamin’ny miaramila izay nanipy an’i Sadràka sy i Mesàka ary i Habeda-Negao.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra