Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Daniela 3:2 - DIEM PROTESTANTA

Avy eo izy dia nampamory ny solotenan’andriamanjaka, ny mpifehy faritany, ny governora, ny mpanolotsaina, ny mpitahiry volam-panjakana, ny mpahay lalàna sy ny mpitsara, ary ny mpiasam-panjakana hafa rehetra isam-paritany, mba ho avy hitokana ilay sarivongana efa nasain’i Nebokadnetsara mpanjaka natsangana.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary i Nebokadnezara mpanjaka nandefa iraka hamory ny solo-mpanjaka, ny mpanapaka, ny governora, ny mpanolotsaina, ny mpitahiry ny volam-panjakana, ny mpahay lalàna, ny mpitsara ary ny lehiben’ny fari-piadidiana rehetra mba hitokana ilay sariolona natsangan’i Nebokadnezara mpanjaka.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Avy eo izy dia nampamory ny solotenan’andriamanjaka, ny mpifehy faritany, ny governora, ny mpanolotsaina, ny mpitahiry volam-panjakana, ny mpahay lalàna sy ny mpitsara, ary ny mpiasam-panjakana hafa rehetra isam-paritany, mba ho avy hitokana ilay sarivongana efa nasain’i Nebokadnetsara mpanjaka natsangana.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary Nebokadnezara mpanjaka naniraka nampamory ny solo-mpanjaka sy ny mpanapaka sy ny governora sy ny andriambaventy sy ny mpitahiry ny volam-panjakana sy ny mpahay lalàna sy ny mpitsara ary ny komandy isan-tokony mba hanamasina ilay sariolona efa natsangan’i Nebokadnezara mpanjaka.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary Nebokadnezara mpanjaka naniraka nampamory ny solom-panjaka sy ny mpanapaka sy ny governora sy ny andriambaventy sy ny mpitahiry ny volam-panjakana sy ny mpahay lalàna sy ny mpitsara ary ny komandy isan-tokony mba hanamasina ilay sariolona efa natsangan'i Nebokadnezara mpanjaka.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary i Nebokadnezara mpanjaka nandefa iraka hamory ny solo-mpanjaka, ny mpanapaka, ny governora, ny mpanolotsaina, ny mpitahiry ny volam-panjakana, ny mpahay lalàna, ny mpitsara ary ny lehiben’ny fari-piadidiana rehetra mba hitokana ilay sariolona natsangan’i Nebokadnezara mpanjaka.

Jereo ny toko



Daniela 3:2
10 Rohy Ifampitohizana  

Nanendry andro fety koa izy, dia ny andro faha-15 amin’ny volana fahavalo izay mitovitovy amin’ny fety any Joda ihany, ary dia nanatitra sorona teo ambony alitara koa. Toy izany no nataony tany Betela, fa nanao sorona ho an’ireo ombilahikely namboariny izy; ary nampitoeriny tao Betela ireo mpisorona izay notendreny ho an’ireny toeram-panasinana ireny.


Raha mihaino lainga ny mpitondra, ho tonga ratsy avokoa ny olom-peheziny.


Dia nitangorona ireo solotenan’andriamanjaka sy ny mpifehy faritany ary ny governora sy ireo mpanolotsain’ny mpanjaka mba hijery ireo lehilahy ireo; ka hitany fa tsy nampaninona ny tenan’izy ireo akory ny afo, tsy may ny volon-dohany, tsy simba ny fitafiany sady tsy maimbo afo akory.


Dia vory avokoa ireo manampahefana ireo mba hanao ny fitokanana, ka naka toerana teo anoloan’izany sarivongana izany.


izay nitarika azy hanao sorona amin’ireo andriamaniny.


Fa io vehivavy io no nijangajangan’ny mpanjakan’ny tany, ary nahaboboka ny mponina ambonin’ny tany tamin’ny divaim-pijangajangàny.


Indray andro dia nivory ireo mpanjaka filistinina mba hankalaza ny fandreseny sy hanao sorona lehibe ho an’i Dagôna andriamaniny. Fa hoy izy hoe: –Efa natolotry ny andriamanitsika ho eo an-tanantsika i Samsôna fahavalontsika.